RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA DIMY )

 

 

  

Volana vitsivitsy taty ahoriana, efa manatona koa ny fotoam- panadinana, dia indray alina tsikaritry i Laingo izahay sy i Rado nifampitantana teny amoron- dranomasina toy ilay fanaonay, dia avy hatrany izy tonga dia nanantona tsy nisy henatra sady nikikiaka mafy nanao hoe:

-  Joko tsoriaka indry ity ry Rondro an! Efa fantandry fa tiako i Ramose dia nahodindry indray, hitako moa indry mahazo noty be foana kay ao raha. Lehilahy tsy vanona koa raha ianao ry Ramose hoy indray izy. 

            Taitra tampoka i Rado ka nasainy nifindra toerana tao ahoriany aho, fa tena efa nirehatry ny fialonana i Laingo, soa ihany fa tsy nisy nahatsikaritra fa saika nitangoronan’ny olona teo izahay.

- Fa inona ity ataonao ry Laingo? Hoy i Rado somary gaga tamin’ ity fihetsiny.

- Modianao tsy tadidy angaha fa miaraka isika hoy i Laingo mantsy an-dRado sady ohatr’ ireny niaraka ireny tokoa ry zareo.

            Torak’ ovitra aho naheno ilay feo ka ohatry ny fanimpanina kely izany

- Inona izany lazainy ry Rado? Hoy aho mantsy azy, nahiratro nibanjina azy tsara ny masoko.

- Aza manahy ianao ry Rondro fa na izaho ary tsy mahalala izay nolazainy akory hoy i Rado ketraka. 

 Avy hatrany dia niantsampy teny an-tsorik’i Rado i Laingo sady norohany izy. Tezitra noho izany aho ka lasa nirifatra nody sady latsaka ny ranomasoko no kivy tanteraka koa.

- Rondro! Rondro! Hoy i Rado miverena ianao e! Lainga noforon’ i Laingo daholo izany rehetra izany.

- Avelao izy ho any Rado an! Hoy i Laingo, fa izaho eto akaikinao eto no tiavina sady izaho koa ange ka tia anao e!

           Nahifik’i Rado ny tanan’i Laingo, ka hoy izy

-  Inona izao ry Laingo no nahatonga anao nanao ireny fihetsika ireny?

- Ka tiako ianao ry Ramose an! Hoy indray i Laingo misisika ihany.

- Tsy tia anao aho fa i Rondro no tiako ka aza averina amiko intsony izao fihetsikao izao ary mandehana ianao fa hamonjy an’i Rondro aho hoy i Rado efa tezitra mafy tamin’ i Laingo. 

- Ho hitanao tsara ny valin’izay ry Ramose fa tsy hataoko vita mora akory, tadidio fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy miaraka isika. 

             Dia lasa i Rado namonjy ahy. Izaho kosa efa tao an-trano, nitomany mafy aho tsy tanako intsony ny ranomasoko fa niboiboika nanaraka ny tavako manontolo, sniff, sniff, Rado! Dia sahinao ve ny nampijaly sahady ity foko e! Sniff sniff, mbola nisefosefon’ny tomany ihany. Injay nisy nandondona mafy tao ambaravarana.

-  Rondro an! Rondro an! Vohay re aho e! Hoy izy.

          Tsy namoha azy aho fa mbola nifokofoko foana, tsy mitsahatra ny mikikika anefa i Rado.

 

- Rondro ô! Mba voahay moa e! Tiako anie ianao e! Resaky ny adala ny an’ i Laingo.

                Farany novohaiko ny varavarana sady nandinika azy tamin’ ny maso mena feno hatezerana aho.

 - Rondro malalako hoy i Rado tsy niaraka tamin’ i Laingo izany aho, fa noforonony avokoa ireny resaka ireny.

-  Koa raha tsy niaraka ve ianareo ho sahy anao ireny fihetsika ireny izy e! Hoy aho mbola nifokofoko ihany sady sosotra.

- Tsia ry Rondro ô! Tsy niaraka taminy aho ho’aho. Inona no ataoko mba hinoanao fa tsy nisy ninon’inona teo aminay sy i Laingo e!

- Naninona koa nefa ianao tsy nandeha natory tany aminy fa tsy nankaty amiko! Izy ange efa mazotoa ny hiaraka aminao e! Fa izaho mbola tsy vonona e! Hoy aho sady mbola nitomany ihany sniff sniff.

- Rondro! Ianao no tiako, ianao no nofidiko, tsy mbola nikitika an’ i Laingo aho na indray mandeha aza, fa izy no nisary adala tamiko hoy i Rado niezaka ny nanadio tenany.

 - Dia nanaiky ianao? Hoy indray aho te haka toky satria efa fantaro fa tsy niaraka tokoa ry zareo fa mba namilafila kely aloha aho.

- Tsy nanaiky aho re e! Ianao no tiako, hikikiaka eran’ny vazan- tany ve aho, hanambara aminao fa ianao no tiako? Dia nivoaka ny varavarana i Rado sady nikikiaka mafy hoe:

- “HENOY RY TANY AMAN-DANITRA FA TIAKO I RONDRO” 

            Nosontoniko ny tanan-dRado niditra fa mitady hivory ny vahoaka naheno ilay feony, dia avy hatrany dia norohako izy, satria fantatro fa tena tia ahy tokoa.

- Rado ô! Fantatrao moa fa tena tia anao aho e! Dia hoy i Rado sady namafa ny ranomasoko teny amin’ny tavako.

 - Aoka izay ry Rondro malalako! Matokisa ahy fa tena tia anao tokoa ny foko “Tia anao marina aho”.

            Dia nifanoroka izahay avy eo dia nanatitra an-dRado teny ambaravarana aho ka nilaza taminy hoe:

- "Rado ô! Vonona aho ny ho anao tanteraka”. Tena vonona aho

            Efa herin’ andro sisa dia hitsingerina ny daty fankalazana ny andro nahaterahako.

- Vonona ny amin’ inona ianao ry Rondro? Hoy i Rado mantsy ahy sady gaga dia gaga tokoa.

- Fetiko amin’ny asabotsy ka manasa anao aho ny alina hiara-hifaly amiko hoy aho sady namerina ilay tsiky teny amin’ ny tavako indray.

- Hay ve! Hoy i Rado tsy ho adinoko ka! Dia inona no ataoko amin’ izany?

- Tsy mitondra ninon’inona ianao hoy aho fa ny tenanao tonga eto no hilaiko, izany an! Sady niatsampy teny aminy indray aho.

- Eny ary e! Inona anefa ny fanomezana tianao? Hoy i Rado.

- Izay tianao dia tiako avokoa. Na tsy hitondra aza ianao dia hataoko mahampy ahy ny tenanao dia nifamihina izahay dia lasa izy.

 

   Mbola hitohy!

 

         








(6) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA ENINA )

 

          


Nisosa ny fotoana, vita ny fanadinana aram-panatanjahatena. Efa somebiseby aho ny hikarakara ilay fetiko, te ho lafatra aho mba ho an- dRado satria tiako loatra izy. Zoma ny andro, nadeha aho nividy sakafo maivana ho karakaraiko ho anay rahampitso alina. Tonga tany an-trano aho dia nodioviko avokoa ny trano, dia notadiaviko ilay lamban –databatra tsara indrindra nomen’ ny Neny sy ilay lambam-pandriana vaovao hitsenaiko ilay faha valo ambin’ny folo taonako, sy ilay ora hanaovako veloma ilay fahazazako sy ny fahadiovako. Rehefa voalamina ny rehetra dia niala sasatra kely aho niandry an-dRado hitsena ahy ho eny amoron-dranoamasina. Tonga izy arak’ ilay fotoana dia lasa izahay nitsangatsangana toy ilay fanaonay.   

- Ho feno valo ambin’ ny folo taona tokoa moa indry izao ry Rondro rahampitso? Hoy Rado mantsy ahy, lehibe izany izao?  

- Eny hoy aho, efa tsy ho andriko ilay ora rahampitso hihaonantsika ry Rado, efa vonona tokoa aho hanolotra azy ilay fahadiovako.

- Fa misy inona ry Rondro? Fa toa tsy ohatry ny isan’andro ianao, fa toa lasa eritreritra be izany! Sa hoe ho valo ambin’ ny folo taona angaha no mahatonga izao sa ahoana?

- Tsia ry Rado tsy maninona aho ka! Lasa saina fotsiny aho hoe ahoana izany ho lehibe izany indray? Hoy aho sady nitsiky.

        Nipetraka teo amin’ ilay seza fipetrahanay  izahay dia nasehony ahy ireo karazana kintana isan-karazany toy ny “croix du sud sy ny voilacté ” sady nihomehy sy nisangisangy izahay. Rehefa avy eo dia nifanoroka toy ilay fanao isan’alina izahay, dia namonjy fodiana indray.

         Dia nandao ahy toy ilay fanaony izy, izaho kosa nandeha namonjy fandriana natory, fa maika ny hanao “cours” ny maraina.

  Nirava aloha ny fianarana ka lasa aho nandeha teny “Bazary be” nanao volo sy nividy menaka manitra hahositro ny vatako mba ho an-dRado ra-alina. Dia nody aho avy eo nikarakara vatana sy ny sakafo ary ny rehetra izay mbola tsy vita.

         Nipaika ny tamin’ ny valo hariva efa nanomboka nody ilay masoandro, izaho kosa efa somebiseby ery teo am-piandrasana an-dRado malalako; foiko homena azy ny fahadiovako, vonona aho ny ho azy tanteraka satria tiako loatra izy.

         Nanondro tamin’ ny valo sy dimy ambin’ ny folo minitra ny famataranandro injay nisy nandondona tao ambaravarana, nibitaka tsy nisy ohatr’izany ny foko,

novohaiko ny varavarana, iny i Rado niditra nitondra vonin-draozy menamena midorehitra mba ho ahy, miaraka amin’ ny baoritra iray mifono taratasy mamirapiratra, dia nandroso izy ary tena variana nandinika ahy satria tsy mbola nahita ahy nihaingo toy izao. 

- Rondro mahafatifaty be indry izany! Ary tena manimanitra tokoa hoy izy nibanjina sy naniry sahady ny hikitika ahy.

        Nojereny ny manodidina rehetra fa tena lafatra avokoa, miaraka amin’ ireo labozia mirehitra isankarazany sy ny feon’ilay mozika milantolanto, nodinihiny mafy aho, tsy andriny intsony ka tonga aho dia norohany, izaho koa efa tena nangetaheta mafy ilay molony sy ny orony raha teo, dia nifanoroka izahay.

       Dia avy eo nasaiko izy hisakafo, somary gaga dia gaga ihany izy tamin’ ireo fihetsiko madinidinika, noraisiko tamin’ ny tanako ilay "nêm" nokarakaraiko ho azy, dia natolotro azy teo amin’ ny vavany dia notazoniny ny tanako sady norohany.

           Rehefa lany ny sakafo dia nanasa azy aho ny hankafy ilay mozika milantolanto, fa izaho kosa niditra kely ny trano fidiovana, nitombo tokoa ny fahagagan-dRado amin’ ireo fihetsika mifandimbindimby nataoko, rehafa dify ny trano fidiovana aho dia niditra koa i Rado nanotsam-bava. Rehefa avy nidio sy namboatra tena tao amin’ny « trano fidoovana » aho dia niditra tao an’ efitranoko, dia nentiko nanaraka ahy ilay raozy menamena nomen-dRado dia nalaiko tsirairay ireo felany dia nafafifafiko ny fandriana. Avy eo nanaovako ilay ankanjo mandry manify dia manify mangarahara miloko menamena maha- taratra ilay bikako, dia namonjy nanatona an-dRado aho, dia tsy nahaloam-peo izy nandinika ahy, avy eo notantanako nandroso tao an’efitra izy.

- Rondro hoy izy sao lahy….

          Notapenako tamin’ ny tanako ny vavany dia norohako izy, dia nifanoroka tsy nisy ohatr’ izany izahay dia nitarin- dRado ilay oroka ka nanaraka ny safosafo madinidinika, nangorintsina nahafinaritra ny tenako, nesoriko moramora ny lobany dia nendahiko tsikelikely ny rehetra, nobatainy aho teo ambonin’ ilay fandriana dia tsy nitsahatra ny nanoroka ny vatako iray manontolo izy, izaho kosa efa tsy nahatsiaro izay ambonin’ ny

tany intsony fa toa nitsingevana teny amin’ ilay atao hoe “ lanitra faha-fito” angamba izahay, tsapako nisy afo niredareda tany anatiko tany. Efa henikin’ ny fahasambarana no injay ny feon-dRado henoko mibitsika amiko.

- Rondro, Rondro tia anao aho hoy i Rado tamin’ ny feo milanto sy efa tototr’ ilay fahasambarana koa.

- Rado an! Izaho koa tia anao, aza ajanona hoy aho nankafy

- Rondro malalako sao lahy …………

- Sssshh! Hoy aho niteny taminy satria mamiko loatra ilay fahasambarana vaovao tamiko.

          Dia notohizany ny safosafo sy ireo fanampiny. Dia nobitsihiko moramora teo ampoto-tsofiny manao hoe:

 Rado an! Aza atao marary! Izany an! Tia anao aho sady nifikitra taminy mafy aho.

 

Mbola hitohy!

 

 








(8) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA FITO )

 

         


 

Teo an-tratran-dRado no nitsenaiko ny alahady maraina, toa nahatsiaro ny tenako ho hafahafa aho, lasan-dRado ilay voaly manifin'ilay fahadiovako, toa nahatsiaro tena ho menatr'azy aho satria diso tafahoatra loatra ny fihetsiko taminy, niala moramora teo am- pandriana aho dia nahifiko moramora ny tanany nandrakotra ahy.

Toa vaovao daholo amiko izao rehetra izao, lasa niery tao an-trano fidiovana aho satria toy ny mamo tsy nahatsiaro tena aho alina ka noheveriko ho nofy avokoa

ny rehetra. Taitra i Rado ka nitady ahy ary rehefa avy eo dia nanaraka ahy tao amin'ny “trano fidiovana” izy, nandondona izy nefa tsy novohaiko satria tsy te hahita ny endriny aho fa menatra azy mafy.

- Rondro hoy izy mantsy ahy, Rondro mba voahy moa e!

        Tsy niteny aho tsy nivolana.

-  Vohay re ry Rondro malalako ô! Hoy izy nitaintaina sy nanadihady izay manjoa ahy.

            Tsy mbola namaly ihany aho. Tena menatra azy mafy aho nohon'ilay zava-nisy alina.

- Rondro! Indray hoy izy fa misy inona no toa tsy mamaly ahy ianao?

- Tsy misy inona hoy aho namaly sadaikatra dia novohaiko moramora ny varavarana dia niditra izy. Nojereny ny endriko toa menamena sy menamenatra.

- Fa nisy inona ry Rondro an! Hoy izy, nisy fihetsika tsy tianao nataoko angaha sa nanenenanao ny zava-nisy alina?

- Tsia re ry Rado an! Hoy aho sady niondrika nanafina ny tarehiko feno henatra.   

- Toa tsy nety angamba ny fihetsiko taminao hoy indray aho mody nahita resaka ialana tsiny.

- Tsia ry Rondro an! Izaho angamba no nanararaotra anao, hoy izy toa gaga amin’ ity fihetsiko. Notapenako ny vavany sady hoy aho hoe:

- Mbola tsy sambatra nihoatra noho iny alina iny aho hatrizay, Rado moa ve tia ahy foana ianao?

 - Im- piry re aho ry Rondro no nilaza taminao ny valiny an! Nefa tsy mandreraka ahy fa haveriko foana aminao Tia anao aho ary tsy miova anio, ampitso, mandrakizay ny fitiavako anao, mitombo isan'andro hoy izy. 

          Dia nifanantona moramora indray ny molotray dia niaraka nandro izahay avy eo niverina teny am- pandriana natory sy nanohy niverina nilalao fitia indray. Satria alahady ny andro ka tsy nisy tokony ahamaika anay.

          Nisosa ny fotoana, nigadona ny androm- panadinana, tamim-pahantoniana no namitako ny taranja rehetra ka niandry izay havitan'izay ho valiny sisa.
          Andro vitsivitsy taty ahoriana dia nihaona toy ny fanaonay izahay, tsy maintsy nijanona tao Toliara aho niandry ny valim-panadinana fa raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy midina any Sakaraha aho hanampy an'ireo Ray aman-dReniko amin'ny asa eny ambanivohitra.

       Nisosa ny fotoana dia nivaly ny fanadinana ka afaka soamantsara aho ary anisan'ireo nahazo “mention”. 

          Ny alin'ny andro nodiako ho an’i Sakaraha dia nanao fotoana tamin-dRado toy ny mahazatra aho nefa tsy tonga izy tsy fantatro izay antony ka tsy nitombona ny saiko, betsaka ny fanontaniana niverimberina tao antsaiko tahaky ny hoe:"naninona ary izy”? Sao dia nisy nanjoa azy, vaky ny lohako tsy fanaon-dRado ny tahak'izao marina, nidify ihany ny ora roa tao ahorian'ny fitaonanay nefa tsy nisy izay salovan-tavany akory, efa kivy dia kivy aho no injay nisy nandondona tao ambaravarana, nikorapaka tsy nisy ohatr'izay aho namoha ilay trano, indro i Rado misomebiseby be sady mena be ny masony.

 - Fa maninona izato ianao? Hoy aho gaga sy talanjona nandinika azy.

 - Lasa nandao anay i Neny ka tsy maintsy hiakatra hamonjy an'Antsirabe aho rahampitso ka voatery tsy maintsy hiainga vao maraina hoy izy efa vonton’ alahelo.

         Nalahelo azy mafy aho ka tsy hitako izay hambara fa ny tanako no niakatra tsy fidiny namafa ny ranomaso teny amin'ny tavany dia nanafosafo ny sandriny.

- Aza misosoka alahelo intsony, hoy aho satria tena tsy hitako izay ho lazaina azy.

- Tsy maintsy hanainga vao maraina aho ka tonga hanao veloma anao fotsiny. Nalahelo mafy azy aho nefa tsy sahiko ny hilaza aminy hoe ento aho hanaraka anao satria i Dada sy i Neny koa miandry ahy rahateo.

-  Eny hoy aho tongava soa ary dia manorata e! Haharitra hafiriana ianao no ho any? Hoy aho efa nalahelo azy sahady.

 - Tsy mbola fantatro hoy izy fa miankina amin'ny fisehoan-javatra any ihany fa aza manahy ianao fa hanoratra ho anao aho vao migadona any ka! Veloma vetivety rahavako izany hoy izy sady namihina ahy mafy toy ireny hisaraka tsy hihaona intsony ireny.

- Rado an! Aza manadino hoy aho efa te hitomany sahady.

             Dia lasa izy niakatra ilay posiposy nitondra azy dia nandao ahy, izaho kosa nitomany sy nalahelo azy mafy. Lasa i Rado dia izaho kosa namonjy an'i Sakaraha.

 

 








(13) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA VALO )

 

Nivadibadika tokoa ny fotoana, efa ho roa tokom-bolana izay no nadehanan-dRado. Sasatra aho no mitazana an’ingahy fakitera fa tsy nisy na dia ilay dian-tongony aza, na efa tonga ihany koa ny taratasy fa efa nalefany any toliara angamba. Satria adinoko ny nilaza taminy ny fotoana tokony hijanonako eto Sakaraha, noho ilay loza nanjo azy. 

           Izaho koa moa tsy maintsy niakatra satria nanomana ny fidirana eny amin’ ny sekoly ambaratonga ambony, ka voatery koa aho nandao kely an’ i Dada sy i Neny. Tsy dia nahitana teny firy aho satria, navesatra tamiko loatra ny nisaraka tamin-dRado sy ny alaheloko azy be loatra. Tsy mbola nitia ny foko ka vaovao amiko izao nanjo ahy izao. Raha mba nanana elatra aho mantsy dia efa nanidina tany amin’ ilay nisy azy, saingy olombelona ihany aho, tsy miady vintana amin’ ny biby.

        Asabotsy ny andro, tonga soamantsara tao Toliara aho, indro ilay ankizy mpiray vody rindrina amiko nilaza hoe:

- "Rondro ô! Naharay taratasy indry"! Efa ho andro vitsivitsy izay. Andraso alaiko kely vetivety hoy izy.

         Nibitaka ny ambavafoko naharay ilay taratasy.

 - Tena taratasin-dRado tokoa, misaotra indrindra hoy aho mantsy an’ ilay tovovavy sady mitebiteby ihany amin’ izay ho votoatin’ ity taratasy.

          Dia lasa aho niditra tao an-trano, novohaiko daholo aloha ny varavarankely rehetra satria maizina loatra no mbola maimbo lao ny trano noho izy tsy nivoha loatra. Rehefa avy eo dia nitsambikina teny ambonin’ ny fandriana aho namaky ilay taratasin’olontiako milaza hoe: 

 Antsirabe ;

 

      Ho an’i Rondro malalako;

Antenaiko rahavako fa vatana salama tsara no handraisanao  ny taratasiko, miala tsiny indrindra aho raha izay vao nahasoratra noho ny antony fahateren’ny fotoana. Vita soamantsara ny fandevenana an’i Neny ka mikasa ny hanainga aho ny Asabotsy ho avy izao hamonjy anao.

        Efa manina mafy anao tokoa aho, tsy nitsahatra ny nahatsiaro anao, na dia tsy nahasoratra aza,  ny foko sy ny saiko kosa anefa dia niantefa tany aminao hatrany.

 Rondro tiako sy mamiko, tsy hahasoratra betsaka intsony aho fa mbola maika noho ireo fikarakarana ireo zavatra aty.

 Raha tsy manahirana anao ny Asabotsy dia tongava eny amin’ ny “station’ ny taxi brousse” eny « Sansfils » fa ho tonga aho, tokony ho amin’ ny valo maraina eo ho eo no higadona ny fiara raha tsy misy ny sampona eny andalana.

Izay angamba ry Rondro fa andao anao aho ka  hapetrako ny peniko dia manao anao ho mandrapihaona vetivety indray aho rahavako.

Ba betsaka ho an’ny malalako. 

Rado tia sy tsy manadino anao

Naverimberiko novakiana ilay taratasy fa toa mamiko loatra ilay namaky azy, isaky izay tsy misy atao aho dia ny mamerina mamaky ilay taratasiny no namitako ny androko, tsy andriko intsony ilay Asabotsy hitsenako azy.

        Be loatra ny zavatra nifamahofaho tao an-tsaiko tahaky ny hoe: “dia ho hadinoiny ve aho” sy ny hoe: “tsy tia ahy intsony ve izy?” kay lahy mbola tia ahy foana ilay malalako.

        Nitombo teny ny andro, ora, minitra ary ny segondra, sendra nandeha tany Maninday (Université ao Tuléar) aho no tazako tampoka i Laingo; Nody tsy nahita azy aho no sady nivily lalana ka indro izy nihazakazaka namonjy ahy sy nihirahira ny anarako.

- Rondro! Ary maika ho aiza aky indry?

           Gaga aho naheno azy, toa niova sy lasa tsara fanahy tamiko tampoka teo. 

- Hikarakara “dossier” angaha indry? Hoy izy mantsy ahy.

- Eny hoy aho tsy rotitra sady nandinika ity fiovany tampoka teo.

- Izaho aky saika hiakatra any Antananarivo hanao “concour Medicine” hoy izy, saingy aleoko ihany aky eto a! Mifona aky izaho amin’ireny fihetsiko taloha ireny an! Fa tsapako ankehitriny fa tia andry tokoa i Ramose Rado.

        Vao maika zendana aho nahare an’i Laingo, tsy nampoiziko ity fihetsiny!

- Izaho koa aky miala tsiny amin-dry tsy nilaza izay nisy teo aminay taloha hoy aho somary nitsiky tsy ravo mbola kaody amin’izato fiovany.

- Ary enoko fa hoe: “maty hono aky ny maman-dRamose? Hoy indray izy.

-  Eny hoy aho gagagaga ihany!

- Dia mamangy ny fahoriana any aminy ary aky a! Sy ho andry koa satria efa fatam-poko fatam-pirenena ny fiarahanareo roa.

 - Sao mba hisotro ranom-boasary aky indry fa midanika ange izany andro izany e! Hoy indray izy mantsy ahy.

           Tsy nandà aho satria noheveriko ho tsy fahalalam- pomba ny fandavana ny fangatahany ka nanaiky tsy fidiny aho. Rehefa avy nisotro ilay ranom- boasary izahay mirahavavy, dia nadeha niditra tao amin’ny mpikarakara, naka taratasy ho fenoina nanaovana ny fangatahana sy ny fikarakarana ny “dossier” rehetra entina hanohizana ny fianarana izahay.Vita soa amantsara ny rehetra dia niandry ny “concour” sisa.   

          Nigadona ny Asabotsy ahatongavan-dRado, naka posiposy aho dia nandeha teny amin’ ny “station”. Nanondro tamin’ny latsaka dimy minitra ny amin’ ny valo ora, iny tonga tokoa ilay “taxi brousse” avy any Antsirabe.

          Nisomebiseby avokoa ny olona rehetra nitsena ireo havany, izaho koa mba variana niandry ilay malalako. Iny tokoa eny i Rado tazako.

- Rado hoy aho nikikiaka mafy, tsy voafehiko intsony ny henatro fa avy hatrany aho dia nihazakazaka niantsampy teny aminy, nifamihina izahay sady narahiko teny malefaka teo ampoto-tsofiny moramora manao hoe:

 “Rado! Tonga ihany lahy ianao, noheveriko fa tsy ho avy intsony, tsy nisy henatra izay vahoaka nijery aho fa avy hatrany dia norohako ilay malalako. Dia lasa izahay nankany atranony......

 

       







(22) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA SIVY )

       
 
 

Somary tsy dia nahitana teny firy izahay teny andalana, izaho koa tsy sahy niresaka be loatra sao nalelingelina an-dRado.  

- Fa maninona isika no samy tsy misy miteny hoy izy. Sady napetrany moramora teo an-tsoroko ny sandriny, izaho koa nankafy niankina taminy. 

- Manao ahoana ianao? Hoy aho somary sadaikatra kely satria faly loatra aho nahita azy nefa izy mbola nalahelo an-dReniny.

 - Tsy maninona aho fa aza alefa lavitra ny sainao hoy izy, efa niala nenina ny fianakaviana tamin’ i Neny ka tsy maninona intsony aho satria efa fantatro fa sambatra izy any amin’ny misy azy any. Hatramin’ny nahalasanan’ny Dada dia tsy nisy maminy intsony taminy ny fiainany, satria maty tampoka i Dada, tsy mba nialany nenina akory.

- Fa maty n’inona i Dadanareo? Hoy aho, tamin’ny feo niangola.

- Matin’ny lozam-piarankodia izy hoy izy, dia nanomboka tamin’ny nahafaty an’azy no niova i Neny e!  

- Ny fitiavana marina tsy mba misy fetrany rehefa tia tokoa hoy aho no nandray ny tanany efa ela tsy nofihiniko.  

- Marina izany ry Rondro, tena nifankatia tokoa izy mivady aloha ary izaho dia anisan’ny mba naniry ny ho toy azy ireo koa hoy izy niarahan-tsento.  

- Fa maninona ianao no misento hoy aho sadaikatra.  

- Efa nitia zazavavy iray aho talohanao, ary saika hivady mihintsy izahay saingy tsy naharitra ny fiarahanay satria nohon’ny fisarahan- toerana. Moa izy koa tovovavy tsy dia milamina loatra koa ny fiainany e! Efa nahitan’ireo havany vady tany andafy izy dia lasa nanambady any, tsy fantatro intsony izay momba azy ankehitriny moa izaho koa tsy te halala izany intsony, satria efa tojo ny mamiko indrindra aho izao ka inona indray no hangatahiko, sady norohany indray aho.  

- Aleo ary havadika ny resaka hoy aho fa hitako toa niova ny endriny.

            Tonga teo amin’ny elakelantrano izahay no niteny izy hoe:

- ” Eto isika no miala ry Rondro fa etsy akaiky etsy no misy ny tranoko”. 

           Dia nifampitantana izahay dia avy eo niditra tao antranony.

- Ato no misy ahy ry Rondro hoy izy. 

Efa nisokatra sy nilamina tsara ny tranony, gaga be aho.

 - Ary toa gaga ianao ry Rondro hoy izy. Misy Ramatoa be izay mpiandry ny tranoko sy mpanampy ahy kah izany no nahitanao ny trano efa nivoha. Mipetrapetraha hoy izy mantsy ahy dia nipetraka aho, tampoka teo tazako ilay Ramatoa mpanampy nanantona anay, no nanao hoe:

- Akory aby e! Manao akory mademozely?

- Mbo soa avao hoy aho somary menamenatra.

- Nanao akory lianao anako hoy ilay Ramatoa tamin-dRado.

-  Soa avao! Tsy dia nisy olana Rakemba hoy indray i Rado tsy te hanoy ny resaka.  

- Hamanàko rano anareo raha hino kafé hoy ilay Ramatoa

-  Misaotse anao zaho Neny! Hoy i Rado, zaho vao avy nino tamin’ ny “staion” teny, fa i mademozely angamba mety hisotro.

- Tsy mino kafé aho hoy aho mantsy an-dRakemba dia lasa izy sy nanao veloma anay

-  Engako eky nareo lahy fa ‘zaho koa.mbo maro raha atao e!

- Eny ty aminareo lahy hoy indray ity Ramatoa be.

Dia lasa nandao anay ilay Ramatoa. Nanondro tamin’ny 12 ora ny famataranandro dia nisakafo izahay sy i Rado, avy eo izahay nitsotsotra teo ambony fandriana satria hitako fa reradreraky ny “voyage” izy.

 - Rondro ô! Tena nalahelo ahy tokoa ve indry? Hoy izy.

 - Dia izany koa ve dia anontanianao ry Rado hoy aho, ilay iray minitra tsy teo anilanao dia toy ny zato taona tamiko, indrindra rehefa manondro ilay ora fitsangatsanganan-tsika eny amoron-dranomasina iny no tena tsy laitrako.  

- Fa tena nalahelo mafy anao aho.

- Izany ve? Hoy indray izy nanadala ahy.

Dia nisangisangy izahay dia nibanjina ahy nitsiky izy. Dia hoy izy hoe:

- “Iny ilay tsikinao iny indrindra ry Rondro no tsy afaka tato antsaiko ka izay no niverenako haingana hamonjy anao.

          Dia nihomehy izahay dia nifanorokoroka indray, dia nitohy sy nifandimby ireo safosafo sy teny mamy madinidinika, nanomboka efa nahazatra ahy ilay safosafon-dRado sy ireo orokorony ka tsy aritro intsony ny tsy akafy ilay tsiron’ilay oroka mamy natolony ahy. Dia niara- natory izahay avy eo satria tsy nanana fotoana ho

vonjena moa ny andro koa asabotsy raha teo, dia nakafy nilalao fitia ilay tsy hita elaela iny izahay. 

-Tsy alehonao ve hoy izy mijanona aty androany fa rahampitso maraina isika hitsangatsangana any “Ankilibe”. 

-Tsy maninona hoy aho, satria izaho tsy nisy Ray amandreny niteny, no fantatro koa ny tokony nataoko dia niara- natory izahay.

Sambako izany niala mandry izany ka hafahafa ihany na dia izany aza, dia efa nampoiziko sy niriako ity zava-niseho ka efa niomana ny amin’izany aho. Mandrampahatongan’ilay rahampitso alahady nitsangatsangananay dia nilalao fitia indray izahay, ka tsy mbola lafatra toy izany ny fiainako hatrizay, tsy nieritreritr’izay ho mety ho havoaky ny ampitso aho, ary tsy te hametram-panontaniana akory, fa ny anio aloha no niainako ka dia nakafy izay fotoana mamy niarahako taminy aho......  

 

 

 








(50) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)