Rado mbola nijaikojaiko hamonjy hijery izay miseho tao ala-trano, izaho kosa mbola toran-kovitry ny tahotra, voadonako tsinahy ilay seza ka nianjera niakarapoka mafy tery amin’ny tany. Taitra izy ka nitodika tany amiko.
- Rondro! Inona indray ity nataondry? Hoy izy nibanjina ahy sady namonjy nijery ahy sao naratra.
- Tsy fanahiniako re iny ry Rado ô! Maizina loatra ka tsy hitako ilay seza teo koa, azafady re e!
- Aoka izay! Henoy fa lasa ry zalahy, henonindry izany mikoropaka any izany? Hoy indray izy mantsy ahy.Tany ivelany kosa anefa
- Ô ry zalahy a! Miverena fa tsy misy fika intsony, ajanona ny “mission” ary miverena haingana ialahisany fa sao tratra eo hoy i Bema tamin’ ireo namany.
Dia lasa izy ireo namonjy niverina tany amin’ ilay toerana fitobiany.I mademozely mpaniraka kosa tsy maharitra fa sasatra foana ny mitsikilo sy mivezivezy eran’ ny trano sady tsy mitsahatra ny mipilolotra sigara.Efa misasaka ny alina, lasa ireo jiolahy, niverina tamin’ ny laony ny fahanginana. Na dia izany aza dia ela vao nahita tory aho fa i Rado kosa efa rendremana ka nanonjy fandriana.
- Rado ô! Hoy aho efa te hatory ve ianao? Tsy aleo ve aloha miresaka e!
- Fa ahoana kay e! Resak’ inona amin’ ity andro alina e! Hoy izy, matoria amin’izay moa ianao Rondro an! Efa haraina ange ny andro e!
- Ianao ve tsy tonga saina amin’ izao manjo antsika izao e! Hoy aho mahina amin’ ity zava-miseho.
- Aza alefa lavitra re ny saina ry Rondro an! Matoria amin’ izay ianao e! Hoy i Rado tsy te hihaino ahy intsony.
- Mba henoy moa aho e! Hoy aho niangoty, mikasa hisy hamono isika, jereo tsara! Tsy fifandrifinjavatra mihitsy izao.
- Inona ary ity? Hoy izy niarina nibanjina ahy no nilaza indray hoe:” tsy fifandrifianjavatra ahoana kay?”
- Iza ilay olona tazantsika nihazakazaka tany toliara teny akaikin’ ny tranoko indray alin’ ilay loza iny? Hoy aho mantsy azy sady natehiko teo amin’ny tehezako ny tanako roa.
- I Laingo hoy izy, aza miteniteny foana re ry Rondro an! Ekena fa sipa mitapy iny, nefa tsy mino aho fa hahavanona izany izy.
- Fa nahoana kosa? Hoy aho tezitra taminy. Ary iza ilay olona tazantsika tamin’ ny maraina avy nidina ilay “taxi brousse”? Hoy indray aho, moa ve tsy mbola izy ihany?
- Koa aiza koa anefa no ahalalanao fa olona saika hamono antsika ilay teo iny? Sao mba saka niady kosa.
- Eny e! Ianao ve moa tsy hiaro azy e! Ary iza koa ny mahalala raha efa niaraka tokoa ianareo e! Toa tsy hinoanao izay lazaiko nefa hita izao fa marina.
- Io indray ianao sy ny fahasarotampiaronao, efa im-piry aho milaza aminao fa ianao ihany no tiako, aoka aloha …. Hoy Rado nihankahana fa ……..
- Fa ahoana? Fa misy inona? Hono ho’aho Rado, hoy aho sady nanatona azy teny ampandriana.
- Mety ho marina tokoa izany lazainao izany ry Rondro? Satria indray alina iry, ilay isika tratrany teny amoron-dranomasina, tadidinao iny? Nanao vava be tamiko izy.
- Dia ahoana hoy aho nitsatsaingoka ny teniny, inona no nolazainy taminao kay?
- Hoy i Laingo mantsy ahy tamin’ iny “Ho hitanao tsara ny valin’izay ry Ramose fa tsy hataoko vita mora akory, tadidio fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy miaraka isika”
- Hitanao amin’ izany! Sady lasa aho nihodinkodina eran’ ny trano sady nangovitra mafy ery.
- Ndao amin’ izay hatory re ry Rondro an! Efa amin’ ny iray maraina ange izao e! Aleo rahampitso tohizana ny resaka.
- Ho hitanao tsara fa hotadiaviko eran’ i Sakaraha iny rahampitso de ho teneniko. Hoy aho nisavoamboan' ny hatezerana.
- Aza manao hevitra taingina ohatr’ izany re e! Tsy manana porofo mazava isika ka tsy afaka hanendrikendrika olona amin’ izany. Ary raha sendra mifanena aminy ianao dia modio fanina ary hevero ho toy ny tsy misy izay niseho teo, ary aza ovaina ny fihetsikao sao mailo izy.
- Eny ary e! Ary andao amin’izay ary hatory fa efa amin’ ny roa maraina tokoa izao. Tafandria mandry Rado! Hoy aho sady nanoroka azy.
- Tafandria mandry indry! Hoy i Rado namaly ahy dia raiki-tory izahay.
Nandritra izay fotoana izay kosa dia efa sasa-miandry ireo iraka nalefany i mademozely ka sasatra ihany ny mihodinkodina eran’ ny trano satria tsy tafatombina intsony izy maminaviana izay niseho.
Tampoka teo tonga ireo Jiolahy.
- Nanao ahoana? Hoy izy vita ve ? Tantarao aloha ny rehetra ry zalahy an!
- Tsy raikitra ilay izy ry mademozely fa kobon’ ndry zareo izahay an! Dia tsy maintsy nitsoaka.
- Sendra izay vendrana foana ho’aho. Lasa ialahisany mandeha any fa manirikiry. Aleo mihitsy izaho no hanantanteraka ny “mission”. Hovitaiko amin’ ny fomba tsotra io e!
- Shh! Hoy i Bema sao heverinao kilalao ary ity izy no amin’ ny fomba tsotra angaha, sady lasa izy nandao ny efitranon-dramatoa kely.
Mba lasa namonjy fandriana ihany koa ireo jiolahy. I mademozely kosa mbola nandrehitra sigara iray ka nipololotra an’ iny mangingina teo andavarangana no sady nandinika izay ho tetika mety. Nisosa tsy nahitana korontana intsony ny alina, nanomboka naneno ny akoho sy ny omby. Ora iray sisa dia hanomboka hifoha ireo tantsaha.
-Kokoriko ô! kokoriko ô! Hoy ny akoholahy.
- Koukoukoukou! Koukoukoukou! Hoy ny akohovavy.
Taitra mafy aho ka tafatsangana teo ampandriana, i Rado kosa mbola tena nilomano tao anatin’ny torimasony. Norohako moramora izy dia nandao azy aho ka lasa nitsaitsaika namonjy ny efitranoko sao tratran’ i Dada eo ka hahita angano. Tonga soa amantsara tao anefitranoko aho dia niverina namonjy ilay torimaso tapaka.
- Rainy ô! Andeha hijery mofo gasy ery andrefana aho ho an’ ireo ankizy e! Dia mba jerijereo eo io rano nantaingiko eo am-pantana io, hoy i Neny reko miantsoantso an’ i Dada.
- Eny re Ramatoa ô! Hoy i Dada. Ary aza dia variana mitati-dresaka any fa izay ilaina tadiavina dia miverena. Satria efa diso fantatry Dada i Neny rehefa mahazo resaka izay, mandany ora vitsy mihitsy any an-tsena mitakoritsika amin’ ireo namany.
- Ny anao koa dia izany ihany! Lasa aho e! Dia aza hadinoina ilay ranon-kafé ary e!
Tsy nahita torimaso intsony aho fa ny nivadibadika teo am-pandriana sisa no nataoko, leo aho ka lasa nidina nanampy an’ izy mivady.
- Taitra sahady angaha izato zanako vavy? Hoy i Dada mantsy ahy
- Manao ahoana i Dada? Sady nanoroka azy aho, ary efa lasa angaha i Neny teo?
- Salama tsara anaka hoy izy namaly ahy. Ie efa lasa izy e! Mandehana retsy tatazo ilay kafé ao dia velaro ny latabatra fa izaho hijery ilay zanak’ ikalamara sy hitery ny rononony vetivety (Ikalamara dia ny iray amin’ ireo omby vavin’ i Dada).Teo ampanaovana kafé aho no iny eny i Rado tonga.
- Manao ahoana ny malalako! Ary tsy reko ny nandehanandry teo an! Hoy izy sady norohany aho. Nanao ahoana tsy tratran’ i Dada ve indry? Niantso "Dada" an’ i Dada sahady izy.
- Vao henoko naneno ny omby sy ny vorona dia nitsaitsaika moramora aho, sady ianao koa mbola natory be dia tsy te hanaitra anao aho sady novonjen’ ilay molotro indray ny molony. Tampoka teo, iny eny i Neny tonga.
- Manao ahoana ianareo roa? Hoy i Neny, mandrosoa retsy ry Laingo an! Hoy indray izy.
- Laingo! Hoy aho gaga sy talanjona, f’angaha mifankahalala ianareo ry Neny?
- Ndry! Hoy i Neny mifankahalala angaha ianareo mirahavavy ry Rondro? Hoy i Neny gaga koa sady nandinika ahy sy i Rado mbola nifampitantana.
- Hay ve akia zanaky Ramatoa Ranivo indry e! Mahavariana ity fiainana ity an! Hoy i Laingo.
- Tena mahavariana tokoa hoy aho nandinika azy, sady tsy mitsahatra hatrany ity masony mitsipalotra mandinika an-dRado.
- Fa taiza no nahalalan’ i Neny an’ i Laingo e! Hoy aho liana dia liana tokoa.
- Zana-dralahan’ ingahy lehibe mpanangom- bokatra ange izy ry Rondro e! Hoy indray Neny mibaiko ahy amin’ ny masony handrava ny tananay sy I Rado mifampitantana.
- Hay ve ka dadatoandry i Ratrema e! Hoy aho nidanaka sy nitsiky tsy ravo. I Rado moa dia variana nandinika izay ho fihetsiko ka tsy nandray fitenenana mihitsy.
- Eny aky! Hoy i Laingo, izay indrindra, hilaozako kely ianareo ry Neny Ranivo a!
- Tsy hijanona hisotro ronona angaha indriko hoy i Neny mantsy azy.
- Aleo re ho zokin’ny any aoriana ry maman’ i Rondro ô! Handao kely anareo aho. Veloma i Ramose Rado hoy i Laingo sady norohany teo amin’ ny takolany i Rado no sady nangala-pijery tany amiko ihany izy.
- Veloma aky ry Rondro a! Hoy indray izy mody mba nanoroka ahy koa
- Veloma aky ry Laingo hoy aho mody nitsiky, nefa ny tao am-poko tsy faly taminy akory.
Tonga i Dada nivimbina ilay ronono avy notereny dia avy eo niaraka nisakafo maraina izahay.
- Nahita tory tsara ve ny vahiny? Hoy i Dada mantsy an-dRado.
- Ie! Natory tsara ka, ary tena lava iny alina iny an! Hoy izy sady nangalam-pijery tany amiko ihany.
Nisosa tsara ny maraina niarahanay efa-mianaka nisakafo, dia avy eo nasain’i Dada hamonjy azy eny an-tsaha i Rado rehefa avy miomana, satria mbola tazany teny antongotr’i Rado ilay kapa volotany fitenany ao an-trano ary mbola teny ankodiny koa ilay akanjo ba efa resin’ ny taona fitondrany matory. Raha ny fahafantarako azy dia te hiresaka mangingina amin-dRado izy mikasika ilay fikasanay ny hivady. Izaho kosa nijanona tao an-trano fa tena tsy azokazoko ny tenako toa malaindaina aho toa maloloy ihany koa.
Nezahako nafenina an’i Neny satria tsy tiako ny hieritreretany zavatra hafa eo. Tampoka teo anefa miha-mavesatra ny lohako, naloiloy be aho dia niakatra tany ambony rihana namonjy efitrano fidiovana. Avy hatrany dia nihoaka mafy aho. Ren’i Neny angamba ka nanontany izy
- Fa misy inona e! Indry ve izany ry Rondro ô!
- Ie ! Nanotsambava re aho e ! Hoy aho nanafina ity nanjo ahy.Nampiditra akanjo mafana aho dia nidina tany ambany, tsy azoazoko mihitsy ny aiko ka lasa aho namonjy dokotera nefa saika hijanona ao an-trano.
- Fa ho aiza indry izany! No mailamailaka ny hivoaka hoy i Neny mantsy ahy.
- Hivoaka kely haka rivotra aho ry Neny a ! Hoy aho nandainga taminy
- Ary aza maharitra ela any indry fa hikarakara sakafo isika avy eo
- Eny tompoko ! Hoy aho tsy haharitra ela aho ka! Ny nivoahako ny trano no ela fa vao dify kely ny vavavahady aho dia nihoaka indray, soa fa tsy nisy nahita.
Tonga soa amantsara teo amin’ ilay toeram-pitsaboana aho ka lasa namonjy ilay dokotera efa nahazatra anay mianakavy. Tampoka teo anefa iny tokoa Radoko nahatazana ahy.
- Rondro kely ! Hoy izy arahabaina retsy fa afa-panadinana a ! Faly ery izao Raindry sy Ranivo amin’ izany fahafahandry izany e ! Henoko koa tamin-dRasendra (Rasendra dia vadin-dRadoko) aninkeho fa hanambady mpampianatra hono indry!
- Mba vetivety koa ry Neny izany, hoy aho sady menamenatra azy.
- Inona izato aton-dia retsy e ! Hoy i Radoko. Tsy salamalama angaha?
- Ie tsy metimety mihitsy aho ity dokotera, efa ho andro vitsivitsy izay, noheveriko fa mandalo ihany kay vao maika nitohy koa.
- Soa fa tsy dia misy olona androany ka afaka mandray andry tsara aho anio hoy i Radoko sady notsapatsapainy teo aho no nalainy ny hafanako sy ny fitempon’ ny foko, avy eo dia nasainy naka rà aho.
- Mety haharitra angaha ny ho valiny dokotera ô! Hoy aho liana te hahalala izay ho manjo ahy.
- Miverena afaka ora iray raha tsy sahirana indry hoy izy
- Eny ary tompoko ô ! Hiodina kely eny an-tsena aho dia miverina eo ary ! Veloma vetivety ary ianao.
Dia lasa aho nihodinkodina tao an-tsena nandritry ny ora iray, efa tsy andriko intsony ny haheno izay ho valiny ka nandeha aho niverina teny amin’ ny toby fitsaboana. Tampoka teo, iny eny tovovavy iray toa kaodikaody nanaraka ahy, tsy tazako izay endriny satria manao satroka mainty izy no manao fono tenda menamena, somary nijanona aho dia mba nijanona koa izy, nihazakazaka mafy aho namonjy an-dRadoko.
- Hay tonga indry hoy i Radoko mipetrapetraha ary e !


