FITIA AN- TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA ENINA)

 

  

Nisosa ilay minitra niomananay sy Benja kely dia lasa namonjy an' i Mahamasina izahay. Indro i Liva miaraka amin'ilay tovovavy kely miendrim-bazaha.

  - Neny an! Fa iza kay ireo olona ireo? Toa mijery an'i Neny be ery ilay lehilahy! Hoy i Benja mantsy ahy sady variana tokoa.

 - Olom-pantatry i Neny ireo ry Benja an! Hoy aho naniry sahady ny hiantsampy eny an-tsandrin'I Liva.

 - Ary toa fotsy be ry Neny ilay ankizy kely ! Ohatry ny hoe vazaha izany e!

 - Aoka  izay leisy an! Fa Tonga isika, sao henon-drizareo eo hoe miresaka azy isika e! Hoy aho mantsy an-janako, efa mahina sahady aho amin'izay ho afitsony.

 Nony tonga teo amin'izy mianaka izahay dia

 - Manao ahoana ialahy ry Benja hoy i Liva sady nanoroka azy izy

 - Manao ahoana tompoko! Hoy i Benja sady nandinika ity tovovavy kely ihany izy

 - Manao ahoana i Riana? Hoy indray i Liva mantsy ahy sady nanoroka mangina ireo takolako izy no nibitsika moramora teo ampoto-tsofiko hoe: "te hanoroka mafy andry aho izany"

 - Manao ahoana i Liva hoy aho namaly azy sady niteny tsy nahenoina feo taminy koa hoe: "tany aminao ihany koa ny saiko sady  te hanoroka mafy ireo molotrao ireo aho."

 - Manao ahoana tompoko! Hoy Ity tovovavy kely mantsy ahy sady niafina tao ambadiky ny fean-drainy izy.

 - Manao ahoana hoy aho sady novonjeko norohana izy. Iza no anaran-dry??

 - Tiana tompoko hoy izy menamenatra

 - Neny an! Toa miteny gasy ilay vazaha hoy i Benja sady nihomehy ihany izy.

 - Sshhh! Benja tsy fahalalam-pomba izany, mandehana ataovy bakely haingana i Tiana hoy aho mantsy azy.

 - Ry Neny koa manao izay maha-menatr'olona e! Hoy i Benja sady tsy mitsahatra ny mibanjina an'i Tiana kely hatrany.

 Rehefa  avy nifampiarahaba izahay dia niakatra tao anatin'ilay fiaran'I Liva. Izaho moa namonjy niditra teo anoloana dia I Benja sy i Tiana napetraka tao afara. Nisosa mora nivoaka ny renivohitra ilay fiara, nanaraka ny lalam-pirenena faha-fito dia nijanona tao amin'ilay toeram-pisakafoanana iray izahay avy eo. Nahafinaritra tokoa ilay toerana satria hita ao avokoa ny karazana fialaham-boly isan-karazany, na ho an'ny ankizy izany na ho an'olon-dehibe.

 "Mandrosoa tompoko" hoy ity ramatoa iray nanatona anay, "raha tianareo dia misy toerana azo hametrahana ny ankizy ato aminay raha toa ka misy toerana ho tsidihanareo mivady".

 Nifampijery izahay sy i Liva naheno ilay ramatoa nilaza hoe:" Mpivady" dia avy eo nihazakazaka namonjy ireo ankiizy nilalao izy mianadahy kely. Tapaka ny hevitra fa hapetraka ao amin'ilay sehatra natokana ho an'ny ankizy ry zareo. Rehefa avy nanoroka sy nametraka ireo zaza izahay dia nisitaka namonjy latabatra nisotro zava-pisotro manafaka hetaheta. Ny andro koa moa nahafinaritra ka napetraka teny an-jaridaina ny olona nankafy ny hazavan'ilay masoandro sy ny hamanagan'ilay habakabaka.

 - Riana an! Irery ihany isika ny farany, nahay nifanaraka kosa i Benja sy i Tiana an! Hoy i Liva sady nibanjina ny masoko sy nanararaotra nilalao ny voloko ihany izy.

 - Liva an! Sao misy mahatsikaritra eto isika? Hoy aho mahina sahady amin'ity fihetsik'i Liva tsy misy fatahorana ny manodidina.

 - Tsy misy mahatsikaritra izany re eo ry Riana an! Enao koa katahotra be! Raha tianao anefa dia handeha hitsangatsangana ery anaty ala ery isika, sady tsy misy manahirana intsony fa izy mianadahy efa eo am-pelatanan'ny hotely.

 - 'Ndao ary e! Sady nitsangana aho no nilaza tamin' i Liva hoe: ' Ho ferintsika eny izany ireo sakafo nafarantsika?

 - Ie! Andao ary e! Hoy i Liva dia nitsangana koa izy nanaraka ahy avy ato aoriana.

 Nony tonga teo amin'ilay ony izahay dia nandray lakana niampitanay teny amin'ilay ala kininina. Rehefa tonga teo amorona izahay dia nizotra namakivaky ilay ala madio sy mangingina, nifampitantana tsy nahy ireo tananay dia nifampijery izahay avy eo.

 - Riana an! Efa ho andro vitsivitsy no nanofisaka izao ora izao, ny hiaona aminao ny hilalao ny volonao ny hanoroka ireo molotrao ireo, hoy i Liva sady nampiankariny ny tanany nilalao ireo voloko sy nanafosafo ireo takolako.

 - Liva! Alina maromaro tokoa izay no nanofisako anao, alina nitondra ahy tany amin'izay nisy anao, alina mangina natokako ho anao irery, alina tsy nisainako hafa tsy ianao irery hoy aho taminy no sady nibanjiny ireo masony ihany koa ireo dobo manga roa manganohanon'ny hafaliana tety amin'ny endriko.

 - Fantatro fa tsy mety izao ataon-tsika mifankatia an-tsokosoko izao, nefa mahery tsy laitra baikona ny ditran'ireo fontsika misary adala.

 - Eny ry Liva hoy indray aho. Maditra tokoa tsy laitra tenenina ka mikasa ny hamoa fady.

 Nihomehy izahay dia nifanantona tampoka ireo molotray, dia nifanakalo ireo orok'oroka tsy manan-tsiny izahay. Tsy tsaroanay intsony hoe : " voarara ilay fitiavanay". Nitsingevana teny ho eny izahay dia toy ny tsy nahare n' inon'inona hafa tsy ireo feom-boronkely sy ny topatopan'ireo ony mivadibadika. Tsy voabaiko intsony ireo fihetsikay ka lasa nifanafosafo sy nanaisotra ireo fitafiana teny an-kodotray izahay, ny rivodrivotra nitsoka no nanaitra ahy tampoka ka:

 - Liva an! Aoka izay, mbola tsy sahy aho. Na dia maniry fatratra aza ny vatako dia matahotra aho, sao lahy mamadika an'i Andry vadiko. Ekeko fa ny vatako maniry ny hiantsampy aminao, ny tanako maniry koa ny hanafosafo anao foana na dia ireo molotro ireo aza tsy mahalala tsiro hafa afa tsy ilay anao ihany. Tia anao aho, nefa ny tahotra no mibahana ato amiko ka manakana ahy ny tsy hihoatra sy hanohitra ny faka-panahy mahery vaika.

- Tsy maninona ry Riana an! Afaka miandry aho, na oviana na oviana izany. Sarobidy amiko ianao ka tsy tiako hafohy na dia fantatro fa tsy ho ahy aza. Fotoana maro, taona maro no niandrasako izao fotoana izao, isaky ny mijery ireo antontan-tsary voatahiry fahiny aho ka mahita ireo sarinao dia any aminao foana ny saiko. "Inona no ataonao? Aiza ianao? Efa nanambady ve ianao? Efa manan-janaka ve i? Ireo fanontaniana ireo no apetrako matetika.

- Rehefa nahita ireo sarin-tsika mpiray sekoly fahiny koa aho dia nahatsiaro anao, ilay ianao nangalatra nanoroka ahy iny no nitamberina voalohany tao an'eritreritro. Tovovavy kely aho tamin'izay ka tsy nahalala n'inon'inona akory. Fantatro fa nanam-paniriana tokoa aho ny hiaraka taminao tamin'ireny fotoana ireny, saingy tsy mbola takatry ny saiko ny vaikan'ny fitia sy ny tontolony ary ireo onja haterany.

 Nanondro tamin'ny roa atoandro ny famataran'andro, koa lasa izahay avy eo niverina nitaingina ilay lakana nitampody  tany amin'ilay hotely. Nisosa ny fotoana. Alatsinainy rahampitso ka tsy maintsy hizotra hamonjy aloha ny renivohitra izahay satria mbola mianatra ny mpianatra. Toy ireny efa nifankahita ela be ireny i Benja sy Tiana, tena fitiavan-jaza tokoa.

 - Nanao ahoana ry izy dahy ny kilalaonareo tao? Hoy aho

 - Nahafinaritra be ry Neny an! Hoy i Benja sady naka toky tamin'i Tiana hoe: "izany moa ry Tiana o!"

 - Eny tompoko! Tena nahafinaritra tokoa sady matsiro be moa ilay laoka ry Benja o! Hoy ity zazavavy kely sady nijery an' i Benja izy


- Ie! Saosisy tsy tsaramaso ny laokanay sady mbola nisy lasary karoty koa hoy i Benja mbola nahatsiaro ireo tsiron-tsakafo.

 Tamin-kafaliana lehibe no nandaozanay efa-mianaka ilay toerana nahafinaritra nitondra fahatsiarovana. Saingy alahelo kosa no nisarahanay satria na dia izy mianadahy kely aza dia efa nifankahazo am-po sahady.

Toamasina

 Efa namonjy fodiana ilay masoandro bean'ny fenoarivo, efa mitsiotsioka sahady ny rivo-dranomasina, mbola tsy ao ihany ny sain'i Andry.

 - Narindra an! Marary ahy mafy izany lohako izany marina e! Tena tsy azoko mihitsy ny tianao hambara amiko, ilay hoe maty aho no mahalasa ny saiko. Hoy i Andry tena efa rera-tsaina tokoa.

 - Izao re ry Andry an! Hatao izay hinoan'ny havanao sy ny zandary fa maty ianao. Tsy mila miala amin'ny asanao ianao satria ny olona maty tsy miala amin'ny asany "maty am-perin'asa" ianao izany no marina kokoa. Hoy i Narindra tsy misalasala akory sy tsy misaina izay ho fiantraikan' izay hiseho.

 - Dia ahoana raha tratra amin'izany? Ary raha tsy adala ny olona ka tsy hijery izay ho razana.

 - Koa ianao ange ilay razana e! Ary misy tokoa io, ary hino daholo ny olona rehetra fa maty ianao.

 - Izao aloha! Mandehana antsoy i Riana dia ataovy izay handehanany aty toamasina.

 - I Benja anie mbola amin'ny herinandro vao vakansy e! Ary misy kilalao hataony any ampianarana amin'ny sabotsy izao. Hoy i Andry.

 - Tsy olana ny amin'izany ry Andry an! Rehefa vita ny kilalao dia miainga ho aty ry zareo, ary izao anefa!! Tambatambazo tsara i Riana, lazao azy fa mbola tia azy ianao ary tsy misy vehivavy atakalonao azy na iray aza.

 - Koa raha tsy mino ahy izy dia ahoana??

 - Vadiny ianao, ary izahay vehivavy dia mila tambitamby sy fampanantenana mahomby.

 - Eny ary e! Dia ahoana anefa ilay paikanao ry Narindra??

 - Efa misy olona voakarama hanantateraka ny baikoko momba ny tetika rehetra.

 - Dia ahoana ny momba antsika rehefa tonga izy mianaka??

 - Tsy olana izany e! Afaka miaritra kely fotsiny aho satria efa ho ahy mandrakizay ianao.

 - Eny ary e! Hiantso azy aho rahampitso maraina.

- Aza atao tara ny rahampitso ry Andry fa tsy maintsy miakatra any Toamasina isika. Sady mila manomana ny trano hivatanan'izy mianaka e!

Antananarivo

Reraky ny havizanana sy ny halavan'ny lalana i Benja ka natory aloha rehefa avy namerin-desona kely sy nanomana ny tokony hatao any am-pianarana rahampitso. Izaho kosa mbola nanembonembona an'i Liva. Ny mahagaga ahy dia tsy nitselika tao an-tsaiko intsony i Andry, adinoko tanteraka ny momba azy rehetra. Tsy misy mahasitrana ny ratram-pitia tokoa hafa tsy ilay fitia ihany. Tsy aritro raha tsy niantso kely an'i Liva aho.

 -Allo! Allo! Liva! Azafady raha nanelingelina anao aho. Hoy aho tamin'ilay feo nangovitra.

 - Tena saika hiantso anao mihitsy aho teo saingy vahotra ny tanako e! Noheveriko efa natory ianao.

 - Nahafinaritra kosa ny androany an! Tena nahay nifanaraka izy mianadahy kely, i Tiana ato tena efa renoka tanteraka tokoa

 - I Benja koa torak'izany, amin'ny asabotsy ho avy izao ny kilalaon-dry zareo any ampianarana ka mety ho afaka ve ianareo mianaka kely amin'io fotoana io?

 - Mino aho fa i Tiana no ho ravo voalohany raha maheno izany e! tsy manana fandaharam-potoana matotra aho amin'io ka tsy maninona fa ho avy izahay mianaka e! Tena sariaka sy mahafinaritra mihitsy i Benja an! Toa an-dreniny ihany. Hoy i Liva sady nihomehy izy.

 - Liva an! Hanoroka sy hirary torimaso mamy ho anao no anton'ny antsoko koa dia manoroka anao aho. Mmmmtss ba mamy be

 - Mamy ange izy izany e! Tafandria mandry koa ary ianao dia ba mamy be koa dia …..Riana an! Tia anao aho

- Liva an! Tia anao koa aho.

 Na dia tsy foy ary  ny ahatapak'ilay antso dia notapahina ihany satria mbola hifoha maraina rahampitso. Oroka mamy no nisarahanay sy i Liva dia natory aho avy eo.

Nofy mamy tsy nisy ohatr'izany no nandravak'ilay aliko. Nofy nitondra ahy tany amin'i Liva. Nilalao fitia hono izahay ka tonga lafatra ery sady noravahan'ireo safosafo sy orok'oroka isan-karazany. Teo amin'ilay fotoana lafatra iny indrindra sy nakafiziko tanteraka no injay naneno ilay antso an-tariby,  niatsamboatra mafy avy teo am-pandriana aho hamonjy ity antso…
 

Mbola Hitohy

 

 

 

 

 

(15) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

CES MOTS STUPIDES

 Faly manolotra anareo ny hira sy ny tontolony i Maeva, izy dia anisan'ny mpakafy ny " kalon'ny fahiny" koa dia manasa anao ary hakafy ireo kalo arosony.

 

CES MOTS STUPIDES

Je sais que tôt ou tard
Tu voudras bien sortir un soir en camarade avec moi.
J'essaierai d'être gai pour te faire rire
Mais je sais que je ne verrai que toi.
Et quand nous seront las d'avoir dansé
Nous irons prendre un dernier verre quand même.
C'est là que je gacherai tout
En te disant ces mots stupides :
Je t'aime

Et dans tes yeux je lirai
Que j'ai trahi notre amitié,
Que je suis comme les autres.
Bien vite je m'en irai,
Sans même te dire que si je t'aime
Ce n'est pas de ma faute

Cela fait si longtemps
Que je suis là le coeur battant
A ne plus penser qu'à toi.
A guetter ton regard
En espérant toujours y voir
Un peu de tendresse pour moi
Et si à cet instant, très doucement
Je sens ta main se poser sur la mienne
De joie, je crois, je pleurerai
En répétant ces mots stupides :
Je t'aime ...

Et si à cet instant, très doucement
Je sens ta main se poser sur la mienne
De joie, je crois, je pleurerai
En répétant ces mots stupides :
Je t'aime ...
je t'aime...
je t'aime...
Je t'aime ...

(9) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN- TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA FITO)

 

Toamasina

Tsy nahita tory i Andry ny alina tontolo, nitamberina tao an-tsainy ilay fahiny; ny fanambadiany, ny nazahoany an'i Benja kely. Lava loatra taminy ny alina, fanontaniana maro no nifamahofaho tao an-tsainy.

- Inona ary ity mampivadibadika anao ry Andry an?

- Tsy vitako ry Narindra an! Tsy vitako e! Sarotra amiko ny handainga amin'izy mianaka, indrindra fa hoe resaka faty izany e! Marina e! Tsy vitako ho aho

- Sshhhh mangina aloha ianao e! Tsy misy tokony atahoranao ny amin'izany, rehefa tsy sahy ianao dia izaho no hiresaka aminy.

- Dia inona no ho lazainao azy? Tsy aminao tokoa mantsy ny toerana ka moramora aminao tokoa ny rehetra an!

- Ho hita eo izany e! Matoria aloha fa mbola maizina be ny andro, rehefa mazava dia hiantso an'i Riana isika. Sotroy ity rano ity dia matoria amin'izay ianao.

- Eny ary e! Ndao ary hatory aloha dia ho hita eo izany.

Nony tonga ny maraina dia i Narindra no niantso satria tsy nanankery ny hilaza sy hiresaka amin'izy mianaka ny teti-dratsin'izy ireo i Andry.

Antananarivo

Na dia tsy foy ary ny ahatapak'ilay antso dia notapahina satria mbola hifoha maraina rahampitso. Horoka mamy no nisarahanay sy i Liva dia natory aho avy eo. Nofy mamy tsy nisy ohatr'izany no nandravak'ilay aliko. Nofy nitondra ahy tany amin'i Liva. Nilalao fitia hono izahay ka tonga lafatra ery sady noravahan'ireo safosafo sy orok'oroka isan-karazany teo amin'ilay fotoana lafatra iny indrindra sy nankafiziko tanteraka no injay naneno ilay antso an-tariby ka niatsamboatra mafy avy teo am-pandriana aho…

- Allo! Allo!

- Allo! Saika hitady kely an'i Madama Riana tompoko azafady

- Izy indrindra ity tompoko, raha tsy mahadiso inona no anton'ny antsonao azafady?

- Miala tsiny raha manelingelina vao maraina re madama an! Hiraka avy any amin'ny vadinao aho

Somary gaga sy talanjona aho amin'ity antso vao maraina sady amin'izay olona tsy fantatra no miantso, no avy any amin'i Andry koa hono.

- Avy any amin'i Andry hoe azafady!!! Fa maninona ny vadiko tompoko! Hoy aho natahotra mafy.

 Tsy fanaon'i Andry ny tahak'izao, misy antony ao matoa naniraka olona mihitsy izy hiantso ahy.

- Nanafatra izy ny ahatongavanareo mianaka haingana aty Toamasina satria somary tsy salama izy ato e!

- An! Marary hoy ianao!!!Fa hono ho'aho azafady? Fa iza kay ianao ary maninona no tsy izy no miantso fa ianao??

- Azafady indrindra Madama Riana an! Dokotera Narindra tompoko! Somary reraka ny vadinao ka nasaiko nampiantso anao izy, indrindra koa moa ny andro fety rahateo.

- Hay ve ianao dokotera e! Dia manao ahoana izy ao dokotera? Fa inona loatra ny manjo azy?? Hoy aho zendana dia zendana amin'ity resaka.

- Ny fony no nisy tsy nety kely ka mila mipetrapetraka izy aloha, nefa efa noresahany ahy ny fetin-janakareo ka efa misy olona mikarakara azy aty mandram-pahatonganareo fa aza manahy ny amin'izany ianao.

- Misaotra indrindra anao dokotera amin'izany fandavan-tenanao izany, eny ary fa hiomana izahay mianaka dia hanainga ny asabotsy hariva avy manatrika ny kilalaon'i Benja e! Mampamangy any amin'i Andry any ary tompoko.

- Tsy misy fisaorana re madama fa miandry anareo izany izy ato. Izy koa mbola matory fa somary reradreraka kely, fa raha tianao dia aleo ho fohaziko izy e!

- Aza fohazina izy ka, avelao izy hiala sasatra fa tsy maninona.

- Veloma ary ianao madama dia miandry anareo izany dia tongava soa e!

- Veloma i dokotera, hihaona tsy ho ela izany isika e! Misaotra indrindra.

Tsy tafandry ny saiko tamin'iny alatsinainy maraina iny, nikorontana ny tao an-dohako tao,tsy mbola naheno na nahita aho fa marary fo i Andry. Nisosa ny fotoana, nahalana aho no niantso an'i Liva, nandeha ny eritreritro sao dia sazy ho ahy izao mitia an-tsokosoko an'i Liva izao. Tia azy aho ary tena tia tokoa saingy malahelo an'i Andry aho nohon'ny maha rain-janako azy, raha sanatria ka maninomaninona any an-tanin'olona any tokoa moa izy!! Inona no ataoko ry lanitra?? Nandritra izay fotoana izay anefa dia tsy nahazo antso mihitsy aho avy any amin'ilay dokotera,lasa ny saiko.Tonga ilay asabotsy maraina, niantso ahy i Liva.

-  Allo! Riana an! Amin'ny firy ny fotoana?? Alainay ve ianareo mianaka sa any an-tsekoly no mihaona isika?

- Allo! Liva an! Aleo any an-tsekoly ary isika no mihaona e! Amin'ny roa ora izany, izay ary fa tsy afaka ny hiresaka ela be aminao aho anio fa misy zavatra manahirana kely ahy. Ra-atoandro mihaona izany.Veloma i Liva.

Veloma i Riana hoy izy dia notapahako ilay antso, tsapako fa nangatsiaka ny fandraisako ny antson'i Liva satria tena manameloka ny tenako aho noho izao manjo an'i Andry izao. Diso ve aho raha nanao izany e! ny foko dia mitempo ho an'i Liva saingy ny feon'ny fieritreretako manameloka ahy mafy. Nisosa ny ora dia:

- Manao ahoana ianareo mianaka kely? Hoy i Liva mantsy anay.

- Manao ahoana ianareo mianaka koa? Faly ve indry ry Tiana hijery an'i Benja androany e!

- Eny tompoko faly be tokoa aho hoy ity zazavavy kely.

            Rehefa avy nijery ny kilalaon-dry Benja izahay dia Tsy naharitra i Liva ka nanontany ahy.

- Riana an! Nisy zavatra nataoko anao angaha no hafahafa amiko toy izao ianao e?

- Tsia ry Andry an! Tsy misy n'in'inona ka! Hoy aho sady naganohano ny masoko ka niniako nafenina azy tsy ho hitany.

- Tsy zazakely aho ry Riana ka hamarotanao saka be loha eo a!

- Eny e! Ialako tsiny tokoa raha niavona sy nangatsiaka taminao aho ry Liva an! Marary mafy any Toamasina ny vadiko ka tsy maintsy hidina ho any izahay mianaka androany hariva. Matahotra aho ry Liva an! Manenjika ahy ny eritreritro. Sanatria ve ho fahadisoako izao e? Famaizan'Andriamanitra ahy ve?

- Tsy misy fahadisoanao ny amin'izany e! Mirary fahasalamana ho an'ny vadinao aho. Te hilaza aminao aho hoe aleo hateriko any Toamasina ianareo mianaka nefa fantatro fa tsy azoko atao izany.

- Tena sarotra be izany ry Liva an! Aleo handeha izahay fa efa nentiko ireto ireo entan-kelinay mianaka, malahelo anao aho, te ho eo anilanao aho nefa tsy azoko atao izany. Tsy maintsy mitodi-doha mankany amin'i Andry aho ry Liva malalako. Sady latsaka sahady ireo ranomasoko ka niniako nafenina ihany sao ho tsikaritry ny mpahafantatra.
Misaotra anao lehibe aho noho ireo rehetra vitanao tamiko, tsy namela ahy irery hatrizay nanampy ahy araka izay tratranao.tsy ho fantaro izay mety  hiseho any. Matahotra aho ry Liva an!

- Aza manao izao ianao fa hamafiso ny saina. Aleo aterinay mianaka eny ambodivoana ianareo mianaka kely e! Izay angamba no azoko atao. Hoy i Liva nalahelo anay sahady koa.

            Nisosa ilay fotoana dia nifamihina mafy izahay sy i Liva, na tsy nifanoroka aza izahay dia efa nataoko naha-ampy ahy ny fanaterany anay teny amin'ny tobim-pitanterana. Tonga ara-potoana izahay mianakadia avy hatrany dia niakatra tao anatin'ilay fiarabe mpitatitr'olona. Kopakopa-tanana sisa no hany nifanaovanay efa-mianaka. Efa teo ampototr'ilay masoko ireo rano mikoriana ka nofafako haingana sao hanontany ahy izay ho antony i Benja kely.Nafeniko azy mantsy ny ilay antso avy any Toamasina sy ny aretin-drainy.

- Neny an! Tena efa tsy andriko mihitsy izany hihaona amin'ny dada izany marina! Malahelo azy aho Neny an!

- Ho hitanao tsy ho ela izy ry Benja an!

Toamasina

- Inona ity mampiodikodina anao eran'ny trano ry Andry an! Efa ora vitsy sisa dia ho tonga ry zareo ary mba mitonia amin'izay ianao sao dia hahita angano eo isika

- Eny re ry Narindra an!Aza matahotra ianao fa efa tongotra ambian-dakana ny antsika ka tsy maintsy miroso e! Ry raiko any ambony mamela ahy fa tsy mety izao ataoko izao. Hoy i Andry nivavaka satria tena fantany tokoa fa tsy mety ny nataony.

- Tsy mahazo mihetsika ato an-trano ianao fa manjary fantatry i Riana eo hoe:" milalao azy ianao" hirahako ireo tovolahy nokaramaiko hanantanteraka ireo tetika no hitsena an'izy mianaka rehefa avy eo, izaho kosa handeha hiala ato amin'izay sao dia ho tratra eo ny paika ka ho herim-po very maina fotsiny.

Teny amin'ny tobim-pitanterana kosa…

- Benja an! Tonga isika mianaka dia mifohaza amin'izay ialahy. Andao amin'izay hidina ny fiara hoy aho mbola mibitaky ny tahotra ihany.

- Tonga ve ry Neny isika?? Ary inona ireny zavatra boribory be amidin'ny olona ireny ry Neny?? Hoy i Benja

- Soanambo leisy ireny an!

- Dia atao inona ireny ry Neny??

- Andrahoina re ry Benja ireny an! Toy ny mangahazo sy vomanga e!

- hay ve e!

- Madama Riana! Madama Riana! Hoy ilay feo

- Manao ahoana ianareo ryTovolahy ?? Fa ahoana misy hoy aho niankahana tsy nahaloa-peo.

- Tsy misy inona re Madama fa izahay ireo voahirak'i "Lieutnant Andry" hitsena anareo mianaka. Hoy ireto tovolahy

- Eny ary e! Hoy aho avy eo.

 Nentin'ireo tovolahy ny entanay mianaka dia niakatra tao anaty posiposy izahay avy eo nizotra namonjy an' i Andry. Nony tonga tao an-trano. Indro i Andry efa tena reraka tokoa miandry anay mianaka.Hazakazaka tsy nisy ohatr'izany no nataon'i Benja namonjy an-drainy, nifamihina mafy izy mianaka. Toa hafahafa ny fihetsik'i Andry namihina ito zanany, toa fihetsika milaza zavatra , toa midika fitiavana lehibe. Rehefa avy namihina an-janany i Andry dia nitsangana moramora teo am-pandriana namonjy ahy.

- Riana! Riana vady malalako hoy izy.

Gaga tsy nahateny aho nandinika an'i Andry, tsy hitako izay atao, hiantsampy eny an-tsorony ve sa hanoroka ireo molony.

- Andry! Nanao ahoana ianao izay? hoy aho nibanjina azy, tsy hitako izay atao, efa volana maro aho no tsy naheno an'i Andry niantso ahy hoe:"vady malalako" raha tsy androany indray.

- Tsy dia maninona aho androany fa faly loatra nahita anareo mianaka kely. Efa avy nisakafo angahaianareo mianaka? Hoy indray izy.

- Ie efa avy nisakafo maivana tao Moramanga izahay sady i Benja tsy nitsahatra nitsako mihitsy taoanaty fiara.

Efa somary reraky ny lalana i Benja ka natory ho azy teo ambonin'ilay seza lava miendrika fandriana. Namonjy trano fidiovana aho dia nizotra namonjy an'i Andry teo am-pandriana. Tsy hitako intsony izay ho fihetsika ataoko an'i Andry, ny tanany tsy mitsahatra ny manafosafo ahy, toa variana mafy izy nandinika ny fiovako.

- Notapahina angaha  ny volon'ialahy ry Riana?? Metimety anie ialahy izany e! Hoy  izy mantsy ahy.

- Ie notapahako tokoa ny voloko fa nandreraka ahy loatra ilay teo e! Hoy aho niezaka nisitaka azy, toa hafahafa amiko izao fihetsik'i Andry  izao, lasa tany amin'i Liva ny saiko. Toa mamitaka an'i Liva indray aho raha hiaraka amin'i Andry, tsy manam-paniriana ny handry amin'i Andry intsony aho. Tsapako ankehitriny fa tsy tia azy intsony ny foko. Ny endrik'i Liva no mivezivezy ao an-tsaiko, ny feony no mifamaofao ao an-tsofiko. Tampoka teo:

- Riana an! Tia anao aho. Hoy i Andry mantsy ahy

Mbola hitohy

 

 

 

(15) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

LETTRE A MON AMANT

 

 (Sady makafy mamaky ilay taratasy ho an'ilay malalany ianao no mihaino hirahira handrotsirotsy anao)

Mon Cher Amant,
Voilà plusieurs jours que tu es parti avec ta moitié pour un voyage sous les tropiques, voyage prévu de longue date.
Je suis revenue dans ta vie un peu par hasard, tu es retombée dans la mienne avec bonheur.
Il y a déjà 2 semaines nous étions l'un contre l'autre cachés dans un hôtel, nous faisions l'amour avec douceur, volupté, complétement déconnectés du monde qui nous entoure. Il me faut attendre encore autant avant de te revoir.
Nous sommes convenus que nous nous verrions à l'envi, juste un petit mail pour un rendez-vous, que nous ne parlerions pas de nos vies, que nous vivrions l'instant présent c'est tout.
Nos retrouvailles m'ont redonné le goût de vivre, de m'occuper de moi, de me refaire belle. Je cherche le regard des autres, je souris, je parle, je m'éveille.
Qu'en est-il de Toi à cette heure-ci ? Penses-tu un peu à nous et à nos moments torrides ? J'ose espèrer que oui. Moi je ne fais qu'y penser car c'est ma seule façon de garder la tête hors de l'eau, mais tu ne le sauras sûrement jamais.
Est-ce que je pense à un avenir pour nous deux ? Non, il faut que je pense au mien et à me défaire de ce qui m'entoure. Je pense trés égoïstement que notre relation va me donner l'impulsion pour m'imposer face au reste et que je vais pouvoir m'échapper pour me re poser ailleurs mais sans toi, car toi, tu as ta vie, bien que je sache qu'elle ne brille pas non plus. Mais toi, contrairement à moi, tu es poltron et lâche, tu rampes et glisses au bon vouloir de ta femme. Je te connais depuis si longtemps. Je me souviens à l'époque où nous travaillions ensemble, tes façons de faire avec elle me faisaient rire. Il en est ainsi, je ne veux surtout rien changer. Tu es là, ça m'arrange, et qui sait peut-être, sûrement même, que tu penses la même chose pour moi.
Nous nous utilisons mutuellement et ça nous arrange bien. Nous sommes sans nous le dire nos bouées de sauvetage.
Alors j'attends impatiemment le jour où nous nous retrouverons, dans un hôtel certainement, nous n'avons pas de point de chute autre, nous ferons l'amour comme des fous, puis nous nous quitterons et j'attendrai encore le prochain rendez-vous que je te demanderai peut-être cette fois-ci, tout en relisant tes mails m'affirmant que c'était super.
J'espère que notre relation t'apportera le bien-être dans ta tête, tu es si tendu, si stressé.
J'essaie de t'apporter la sérénité, je t'apprends à laisser à la porte tous tes bagages de soucis et de tensions, je t'ai fais découvrir les bienfaits du massage au son d'une musique douce, je suis certaine que tu n'as jamais connu ça. J'aimerai que tout cela te donne envie de recommencer plus souvent.
Voilà mon bel Amant, tu ne liras jamais cette lettre, mais si tu savais combien il m'a été doux de te l'écrire.
A bientôt j'espère ?

 


 

(4) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

JOYEUX NOEL ET BONNE ANNEE MES AMIS

 

 

Elvis:

I'll have a blue christmas without you
I'll be so blue just thinking about you
Decorations of read on a green christmas tree
Won't be the same dear if you're not here with me

Martina mcbride:

And when those blue snowflakes start falling
That's when those blue memories start calling
You'll be doing allright with your christmas of white
But i'll have a blue, blue, blue, blue christmas

Elvis:

I'll have a blue christmas without you
I'll be so blue just thinking about you

Martina mcbride:

You'll be doing allright with your christmas of white

Elvis and martina mcbride:

But i'll have a blue, blue, blue, blue christmas
But i'll have a blue, blue, blue, blue christmas

 

Chaque fois, quelque soit l'heure,

 


_____****__________ ****
___***____***____***__ *** j'allume mon ordinateur.
__***________****_______*** ce n'est qu'une boite de métal
_***__________**_________*** et même si je râle parfois
_***_______ BISOUS ______*** parce qu'il me fait attendre
_***________ DE___________*** mais il a le coeur tendre,
_***_______ MOI _______ __***

__***_____POUR___________*** il vous envoie mes messages
____***_______vous_____*** sans jamais se fâcher
______***____________*** il affiche mes mots sans me dire c'est trop
________***_________***il m' apporte vos encouragements
__________***_____*** et maintenant il vous envoie mes doux bisous
_____________*****
_____________ *** à travers les ondes de l'amitié

 

JOYEUX NOEL ET BONNE ANNÉE MES AMIS

 Que la paix soit avec notre pays bien aimé

 


 















(8) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)