ASA IZANY ( Tonokalon'i Dox novakian'i Maeva74)

ASA IZANY
Ny masonao no itiavako iny habakabaka iny
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga?
Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany
Anoloan'ny masonao sy ny lanitra mitranga

Ny tsikinao no itiavako fivelaram-boninkazo
Sa ny molotrao no tiako dia ny voninkazo ihany?
Asa izany fa ny foko tsy mitsahatra mivazo
Anoloan'ny tsikinao sy ny voninkazo hatrany!

Tia ny voro-mihira aho fa nandre anao nikalo
Sa ny vorona mikalo no hivetsoako anao mandalo
nitondra hira tamin fiainako
nangina hira taona maro!

Asa izany fa izao no hany zavatra tsaroako:
Hatramin'ny niarahantsika dia dia mientana ny foko
ka miventso ny fitiavana. ô ny antony , fantaro!


DOX

(16) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN-TSOKOSOKO FIZARANA FAHA SIVY

 

 

 

Tsy naharitra ny dohikan'I Andry aho ka nandroso tao an-trano nanomana an'I Benja kely mba hamonjy sasak'alina any ampiangonana. Tsinjoko efa velombelon'aina tokoa izy, ka namonjy nizotra tany ampiangonana izahay avy eo. Rehefa tonga dia:

- Andry!! Ary maninona ianao no mitanondrika tahak'ity? Hoy aho variana nijery azy.

- Tsy dia maninona aho ry Riana an! Fa somary mihodina kely fotsiny ny lohako, raha tsy mampaninona anao dia aleo aho hitsotsotra kely any an-trano !

- F'izay ange ry Andry no nilazako taminao hoe: " mbola reraka ianao ka tsy tokony ho nandeha taty isika ! Aleo ary samy hody daholo raha izany koa, hoy aho tsy nisalasala.

- An! an! Riana an! Efa nahazo ilay fanafana aho teo, fa mandehana mivavaka ianareo mianaka, dia aleo aho hody fa tsy maninona. Riana!! hoy indray izy mbola haveriko aminao indray e! Tsy fantatra mantsy izay mety hiseho eto amin'ity fiainana ity ka afatrafarako anao ihany ity zavatra ity sady nofihininy mafy ny tanako. Raha sanatria ka maty aho dia aza sokafakafana mihitsy ny vata-patiko fa tsy ho tiako, izany Riana an! Mahatoky anao aho.

- Andry an! Inona foana ary izany zava-dratsy eritreretinao izany? Sao dia misy manjo anao irery any ry Andry ka! Marina e! Avelao izahay mianaka hody hiaraka aminao!

- Inona ny hanjo ahy eo e! Izany Riana an! Aza adino izay hafatro izay. Mandehana ry Riana an! Mandehana ianareo mianaka fa sao tara eo e! Sady ho betsaka ny olona ho tonga ka sao tsy ahazo toerana eo ianareo. Hoy izy niangavy mafy ny hijanonanay sady:

- Etsy ho fihiniko mafy ny vady malalako no sady norohany teo amin'ny molotro aho. Benja!Avy leisy aty amin'I dada an! dia hendre tsara ialahy! Dia ambeno tsara I Neny e! Hoy izy tena nalahelo anay tokoa. Veloma ianareo mianaka hoy indray izy sady tazako nijohy teny amin'ny endriny ny ranomasony.

- Mandehana! Hoy ilay feony toa feno fahoriana sady nandao anay izy avy eo

- Veloma vetivety ianao !! Hoy aho no mbola nanaramaso azy izay tsy nitodika intson.Rehefa dify ilay kihon-dalana izy dia niditra tao am-piangonana izahay mianaka. Maro dia maro tokoa ny olona ka zara raha nahazo sisin-tseza teo an-tohatra izahay mianaka.

Teny an-dalana kosa.

Naneno ny anjombon'ilay fiara

- Andry!! Hoy ilay feo mikikika

- Narindra! Ary ela be anie ianareo izany e! Izaho efa sempotry ny adi-tsaiko eto, ianao toa tsy miraika akory.

- Ahoana ? Vita ny fanaovam-belona an! Hoy I Narindra

- 'Ndao handeha fa mahasosotra ahy na ny mandinika anao ry Narindra. Tia anao loatra aho ka jamba eo anatrehan'ny fitiavako anao.

- Inona ary ity e! Aza be resaka eo ianao fa efa nanompy maso tany an-trano aho fa tsy misy olona eny amin'ny manodidina, fa lasa namonjy lamesa avokoa angamba.

Nony tafidina ny fiara I Andry dia nizotra moramora sy kaodikaody niditra ilay trano nisy azy

- Ramose!! hoy ilay rangaha niantso

- Ahoana izay hoy izy taitra mafy ery

- Saika hilaza aminao aho fa hivoaka kely aloha, aleo tonga dia ampidiriko eny amin'ny "garage" ny fiaranao e!

Tsy maninona! Hoy izy, dia mandehana amin'izay sao tara eo ianao e!

Nony lasa ilay mpiandry tanana dia niditra nanaraka azy I Narindra avy eo sady mailo ihany mandinika ny manodidina sao misy mahita

- Minitra vitsy sisa no hananantsika ry Andry ka mandehana mitsotra etsy ambonin'ny seza lava ery ianao fa izaho hanidrona anao hoy I Narindra sady natsofiny ilay fonon-tanana efa voahomany tany aminy mba tsy ahafantaran'olona ny fahatongavany.

- Avelao aloha Narindra fa matahotra aho izany ka!

Nahifik'I Narindra ny tanan'I Andry dia tonga dia notsondroniny izy avy eo. Nitsitra avy hatrany afaka minitra vitsy izy, toy ireny olona maty ireny tokoa. Rehefa avy eo dia nofafan'I Narindra daholo ny manodidina rehetra ka tsy nahitana faritra na kely sy bitika aza  ny marika nolalovany, noharonony ny paosin'I Andry dia nalainy ilay findain'I Andry sy ilay boky kely fitahirizany naoty.

Tany am-piangonana kosa nandritr'izay fotoana izay

Tsy niditry ny saiko izay zava-niseho tao am-piangonana fa tany amin'I Andry foana ny saiko, inona ny dikan'izao fiovana be taminy izao. Toa lasa nalemy fanahy teo izy no lasa nalefaka tamiko.

- Benja an! Andao isika mianaka hody fa tena tsy mandry ny saiko ka!

- Fa misy inona ry Neny? Hoy ity zanako mantsy ahy

- Andao isika zanako hody fa misy zavatra ataon'I Neny any an-trano hoy aho nandainga taminy

- Sady mampatahotra be ry Neny ilay devoly mena sofina be ka ! sady izaho koa te hatory be! hoy i Benja namaly ahy

- Ndao ary e! Hoy aho dia lasa naka fiara karetsaka sendra nandalo izahay ka nitodi-doha nandeha nody. Tazako misy jiro ao an'efitra , efa matory ao angamba i Andry.

Tao an'efitra kosa.

Mbola eo ampamadibadihana ilay boky kely I Narindra no injay henony misy olona miditra

- Iza izany marina???

- Andry an! Efa tonga anga ianao e!

- Riana marina! Inona no ataoko ary matory angamba I Benja izany fa toa trotroiny.

- Neny an! Te hatory be aho izany ka!

Mandehana ! Tonga dia miditra any amin'i dada izany zanako izany fa izaho hamana rano aty andakozia vetivety.

- Eny ary e! Hoy I Benja

Efa babon'ny torimaso I Benja ka tsy nahatsikaritra n'in'inona intsony

- Izay vao ho tratra marina hoy I Narindra

Novohain'I Benja ny efitra ka avy hatrany izy dia nitsofoka, tsy hitany I Narindra fa namonjy an-drainy teny ambony seza izy. Toy ny tadio no nandaozan'I Narindra ilay efitra. Dia nitsoriaka namonjy ilay fiara nafeniny tao alatrano izy mba hody haingana.

- Dada an! Dada an! Mifohaza ho' aho I Dada an! Dada an! Fa maninona I dada ry Neny no toa tsy mihetsika intsony an! Hoy I Benja mikikika mafy be! Neny an! Neny ho'aho e! Maninona i Dada an!

- Fa misy inona ry Benja an! Hoy aho nihazakazaka mafy namonjy azy.

Ny tanan'I Benja manifikifika an-drainy no tazako

- Fa maninona i dada ry Benja! Sady tonga aho dia nivoretaka teo akaikin'ilay seza nisy an'I Andry, tsy nino izay nolazain'I Benja aho fa nanifika sy niantsoantso an'I Andry koa no nataoko:

- Andry an! Mifohaza ianao fa inona ary ity manao sangy ratsy ity e! Omeo aty iry finday iry ry Benja an! Hoy aho nangovitra.

Tany amin'I Narindra

Nikiririoka ny antso tao aminy

- Allo!

- Dokotera o! Tongava haingana ianao fa tsy fantatro izay manjo an'i Andry

- Moramora aloha ianao dia mitenena miadana. Fa misy inona??

- Tsy fantatro izay manjo an'I Andry fa tsy mihetsika intsony izy ato e!

Ho avy tsy ho ela aho hoy I dokotera, fotoana vitsy taty aoriana tokoa dia tonga izy.

- Fa misy inona?? Ary maninona ianao ry Riana no mangovitra tahaka ity?

- Tsy fantaro izay manjo an'I Andry fa hafahafa be izy ao tena tsy mihetsika mihitsy e!

Notsapain'I dokotera I Andry dia hoy izy.

- Nandao antsika I Andry vadinao ry Riana.

Kenda tsy nahaloam-peo aho nandritry ny minitra vitsy no sady nangovitry ny tahotra, nitamberina tao an-tasiko ilay ora iray nahitako an'i Andry, ilay andron'ny fanambadianay.

-  Fa misy inona ry Neny? Maninona I Dada? Hoy ilay feon-janako mitalaho nanaitra ahy variana

- Lasan'ny anjely any an-danitra I dada hoy aho mantsy an'I Benja kely sady lasa aho namihina an'ilay vady andefomandriko

- Andry! Andry! Dia izay aho ity vao tena nilaozanao e! inona loatra ny nataoko no dia izaho sahady aho de ho vady mananon-tena miaraka amin'ny zaza, dia ho kamboty sahady ve i Benja kely e! Hoy aho nitomany nigogogogo mafy

- Lasan'ny anjely ahoana ry Neny? Lasa any an-danitra ve? Dia tsy nentiny ve isika sy Neny e! Ary maninona koa I Neny no mitomany e! Hono ho aho ry Neny? Maninona I Neny e?

- Benja an! Lasa I Dada e! Nandao antsika izy, tsy hiverina intsony sniff hoy aho nanafosafo ny lohan'ito zanako tsy mahalala n'ininona no mbola mifokofoko ihany

- Riana an! Ho karakaraina ny razana dia antsoina ny toby sy ny fianakaviana rehetra dia avy eo ho entina hiakatra any Iarivo.

- Dokotera!! Tena mbola miala tsiny aminao aho fa raha tsy nisy anao tokoa angamba dia asa izay nanjoanay mianaka kely taty e!

- Shhhh! Aza misahirana ianao ry Riana fa izaho no hikarakara ny rehetra an!

- Aiza izao no ahitana mpandrafitra vata eto Toamasina Dokotera? Hoy aho nahatsiaro ilay hafatr'I Andry.

- Mahita aho fa hiantso azy mihitsy aho izao fa raha toa ka mbola manana hery ianao dia ampirimo ny rehetra dia aleo matory ianareo mianaka fa izaho hiantso ireo olona hanampy ahy amin'ny fikarakarana ny razana. Hoy ity dokotera tena tsy te hanome ahy andraikitra mihitsy.

Tsy laitra nampanginina I Benja kely dia nomen'I dokotera Narindra fampatoriana dia avy eo nisy tovolahy roalahy tonga nitondra vata-paty roa samy samy hafa.

- Fa atao inona daholo ireo vata ireo Dokotera hoy aho gaga, ary amin'izay tena voarafitra tsara tokoa ireto izy. Ora iray monja dia voakarakaran'I Narindra ny antso sy ny fampandrenesana ireo fianakaviana rehetra.

- Tena tsy haiko ny hisaotra anao amin'ireo zava-bitanao taminay mianaka dokotera fa dia Andriamanitra ao an-tampon'ny loha hiaro anao amin'ireo zava-kinendrinao e!

- Tsy misy fisaorana ry Riana fa iza no tianao hasiana an'I Andry amin'ireo vata ireo e! Hoy izy

- Izay fantatrao fa mety re ry Narindra an! Tsy fantatro sy tsy hitako izay hatao toa vaovao amiko izao manjo ahy izao marina e! tsy aleo ve aho hampandro am-badiko e!

- Aza misahirana ianao fa izy roalahy ireo efa voakarama, ny hikarakara faty no asany e! Hoy izy

Tsy nisy nahitana olana ny raharaha rehetra iny alina iny nampandrenesina ny tobin'ny zandary teo toamasina dia izy ireo no nampandre ny tany amin'ny tobon'ny Ratsimandrava Antananarivo. Natao vonjy maika ny famoahana ny faty. Izany rehetra izany dia I Narindra avokoa no tompon'andraikitra miaraka amin'ilay "commandant" lehiben'ny zandary teto Toamasina sy Dokotera iray teo amin'ny hopitaly. Izaho moa nohon'ny alaheloko be loatra sy ny fiandrasana an'I Benja kely dia navelako izy nanantanteraka ny asa rehetra.

Nisosa tsy nahitana sampona ny dia mandram-pahatonga tany aminay olona efa miakanjo maity avokoa no tazako tao an-tranio I Mama no namonjy ahy sy namihina ahy mafy no nanao hoe:

- Fiainana izao retsy e! Mitraka izany zanako izany dia mahereza.

- Misaotra ry Mama an! Hoy aho mbola voton-dranomaso sy mifokofoko ihany

Nomeko an'I Mama I Benja kely dia izaho namonjy nisolo akanjo mainty tany an'efitra. Rehefa nivory avokoa ny olona dia indro Ramatoa Lucie maman'i Andry nigogogogo toa adala sady nikikika mafy teny ianivon'ny olona mpanotrona.

- Aiza ny zanako e! Aiza ny zanako e! Tsy manaiky aho hoy izy namonjy ilay vata-paty efa voarakotra lamba fotsy manify sy voahodididna voninkazo isankarazany. Vohay io vata io hijereko sy hanorohako ny zanako e! tsy rariny kosa izao ry Riana an! Vehivavy tsy vanona raha ianao e! Vohay ho'aho io vata io e! aiza ny zanako e! hoy ihany rafotsy nikikika nitomany sy mbola naniratsira ahy teo imason'olona marobe.

MBOLA HITOHY










(11) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

OHABOLANA nosoratan'ny Kintana ( Novakian'i Maeva74)

 

 

 

 

OHABOLANA

Ny mason' ny olona tia zahazaha
Fa be randram-bao eto ambonin ny tany
Nolalondalovan' ny sasany angaha
No be vetsovetso rahavako izany

Rehefa tsy tiana ralala, dia tsory
Raha tofoka, hono, tsy fondro na tsiny
Tsy atao lolom- po enti- maty tsy akory
Satria ny fitiavana rano an- tsiny

Tovozan ny ora segondra minitra
Tanterin ny andro ka farany ritra
Mba disaka, hono, satria ela ny ela
Ka faikam- pitiavana sisa tavela

Veloma ralala raha tsy ho tamana
Fa manana ny elany izany tsiriry
Manifika rano, dia miova fitana
Vahiny mandalo tsy monina firy

Masoandro ririnina mantsy ny saina
Ary koa tandrok' ondry ny fo sy fanahy
Ka ratsy hariva izay tsara maraina
Satria miova lava ny fon- dehilahy

Ny raviny akory tsy mbola nalazo
Dia lasa vovohina mantsy ny hazo
Ny voady natao vao omaly no omaly
Dia niova ho angidina izany voangaly

Ry lamba natao hifonosako maty
Ka vao nosasaina dia rovitra ho azy
Fitiavana fotsy fa mainty ao anaty
Nataoko hitokiana ka hay vazivazy

Horirika mantsy, ka nataoko hapinga
Harefo ka nataoko tehina indrisy
Sodokam- pitia aho ka nino lainga
Nangaina satria nanantena tsy nisy

Veloma ry vato natao hiantefana
Fa hay honahona nandedika kosa
Nataoko ho mpiambina akoho na- tananá
Kanefa papango nanampy ny fosa

Nataoko hanorina kanjo nandrava
Natao ho fanafana kanjo namono
Nataoko soa nampidirina am- bava
Kinanjo dia poizina fa tsy ronono

Nataoko ho tanan ny mpanafosafo
Ka hay lefom- pohy nandratra ny foko
Ny rano tokoa mantsy no nivadika ho afo
Matoa izany tsiky manjary toloko

Veloma tsy fidiny hono ralala
Fa ho afaka ho aiza ity ikala tsy tiana
Misaotra mivavaka anie ikala adala
Fa miantso ny fasana fará- fodiana

Ry fahafatesana mpamonjy irina
Ry lavaka mainty, ry fasa- mangina
Raha toa niely patrana izay efa vory
Tsy fahasambarana vê ny matory

Lazão an idada ny feoko ho reny
Fa satriko ihany tsy hiandry fotoana
Tsy aleo vê mandry eo akaikin i neny
Toy izay mitomany fitia efa foana??


NY KINTANA

(5) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN-TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA FOLO)

 

 

Toamasina

Rehafa avy nampatory an'I Benja aho iny alina iny dia nivoaka moramora tao an'efitra nisy ilay razana I Narindra.

- Ahoana no atao ry Madame? Fa efa nosesefanay ilay vata-kazo mitovy lanja amin'I ramose, sady efa mifono lamba ilay vata iray. Hoy ireto tovolahy voakarama mantsy an'I Narindra

- Tsara izany rehefa vitanareo madio tsara ny rehetra, dia jereo tsara sao dia misy piti-javatra mipetraka eny amin'ny manodidina eny.

- Aza matahotra ianao madama fa efa zatr'ady ny aty ka tsy misy tokony atahoranao e! Hoy ny iray tamin'izy roalahy.

- Ataovy amin'izay ary ny takalo r'izy roalahy dia ilay misy ilay hazo no apetraho eto, dia ilay misy an-dramose ampidiro ary anatin'ilay fiara efa nafeniko atsy ala-trano, hoy I Narindra. Tandremo dia tendremo sao dia misy mahatsikaritra izany rehetra izany. Mazava aminareo roalahy ve izany e! hoy indray izy.

- Eny tompoko! Tena mazava be tokoa. Eny ary fa lasa izahay e!

Rehefa lasa nitondra ilay vata nisy an'I Andry tany amin'ilay fiara Izy roalahy dia niantso olona I Narindra.

- Allo!" Commandant" Rahaja ve izao e!

- Izy indrindra ity e!

- Vita ny rehetra fa tongava amin'izay ianao e!

- Minitra vitsy monja aho dia mitontona any ary e!

Minitra vitsy marina dia tonga Ilay"commandant". Tonga dia nandroso tsy nisalasala izy avy eo.

- Riana an! Hay taitra ianao! Hoy I Narindra nahita ahy

- Manao ahoana ianao "mon commandant" hoy aho tamin'ity rangahy lehiben'ny zandary eto Toamasina.

- Mamangy amin'ny fahoriana madama an! Hoy izy mantsy ahy, tena misitery marina ny fiainan-janak'olombelona an! Aiza ve ka tovolahy mbola matanjaka tsara toa an'I "lieutenant" ireny no nandao antsika sahady e!

- Ary toa efa voakarakaranao daholo anie dokotera ny rehetra e! Voafono hatramin'ny vata-paty misy an'I Andry. Ary efa lasa angaha izy roalahy teo e! Hoy aho gaga sy talanjona nahita ny trano nilamina sy ilay vata efa mandry eo ambony latabatra.

- Efa vita hatramin'nny "autopsie" madama an! Nijanona tampoka ny fon'ny vadinao ka izany no nahafaty azy, mbola be asa ilay dokotera teny amin'ny hopitaly ka tsy maintsy nandeha izy fa mbola manana adidy tsy maintsy atao koa mantsy e!

- Inona moa izany sisa hiandrasantsika fa efa vita daholo ny rehetra hatramin'ny antontan-taratasy. Hoy aho dia lasa izahay.

Antananarivo

- Aiza ny zanako e! Aiza ny zanako e! Tsy manaiky aho! Hoy izy namonjy ilay vata-paty efa voarakotra lamba fotsy manify sy voahodididna voninkazo isankarazany. Vohay io vata io hijereko sy hanorohako ny zanako e! Tsy rariny kosa izao ry Riana an! Vehivavy tsy vanona raha ianao e! Vohay ho'aho io vata io e! Aiza ny zanako e! Hoy ihany rafotsy nikikika nitomany sady nanevateva ahy teny imason'olona...

Gaga daholo ny iray trano nahita an'I Neny Lucie nikikika eran'ny trano.

- Miala tsiny aminareo rehetra aho! Hoy aho, fa hafatry ny maty dia ny tsy hamoahana ny vata misy azy.

- Ahoana koa izany! Hoy ny bitsibitsika nameno ny trano, jereo ange I ramatoa renin'I Andry fa mampalahelo ery! Hoy ny iray amin'ireo mpanatrika.

- Tsy manaiky an'izany aho ry Riana an! Zanako io ka tsy maintsy sokafana io vata io! Hoy indray rafotsy sady nanatona ilay vata miaraka amin'ny bara vy iray izy.

- Izaho no vadin'I Andry ry Neny Lucie an! Hoy aho ary manana andraikitra eo anatrehan'ny lalana aho momba azy. Tsy sokafana ny vata hoy ny hafatra napetrany ka tsy ho sokafako io n'inon'inona ataonao.

- I tena mihitsy no namono an-janako r'ikala mpamosavy ity an! Raha tsy nanambady an-tena izy izao tsy maty toy izao hoy indray ity rafozam-baviko.

Tsy nijanona nikikika I Neny Lucie ka nosamborin'I Narindra dia nomeny fanafody mampitony dia raiki-tory izy avy eo. Tsy nahenoina tabataba intsony ny trano ka nisosa ho azy ny fiandrasam-paty. Nony tonga ny ampitso dia nentina tany ampiangonana teny fiadanana ny razana dia avy eo nentina nizotra namonjy an' Ambohimalaza, ilay tanana  nisy ny fasan-drazana. Teo am-pandevenana indro tazako I Liva. Nidoboka tsy nisy ohatr'izany ny ambava-foko.

Toamasina

Novohain ' ireo tovolahy ny vata iray dia

- Efa lasa any Antananarivo ny fatinao sy ny vady amanjanakao ramose an! Hoy ilay tovolahy iray nihomehy sy naneso an'I Andry.

- Aza miteniteny foana eo leisy lisany fa mandreraka an! Ary aiza I Narindra?

- F'angaha tsy ao anatin'ny programanareo mitsamy hoe: "Mijanona miaraka aminareo madamanao faharoa e!" Hoy ity tovolahy iray nitsatsaingoka

- Izao no hafatra e! Ity misy antso finday iray napetraky madamanao faharoa ho anao, dia hiantso anao hono izy rehefa milamina daholo ny any Antananarivo.

- Eny ary e! Dia inona no hafatra napetrany ankoatr'izay? Hoy I Andry

- Misy tranon'ny rain'i Narindra any "sainte Marie" ka any ianao no mipetraka aloha mandram-pahatongany, ary nanafatra mihitsy izy ny tsy hivoahanao ny trano hono sao dia hanahirana eo avy eo.

- Dia hanainga izao izany isika, dia vita hatreo izany ny lalantsika telo lahy avy eo hoy I Andry.

- Ie! Hoy indray ity tovolahy petsana.

- 'ndao ary r'izy roalahy fa tena natory marina aho teo e!

- Tena naharitra tokoa I ramose tao anaty vata tao an! Mafy izany Tia izany marina e! Tena mahavita aloha ianareo e!

- Mangina ialahy! Hoy ity namany no sady nikitika azy.

Rehefa tonga tany "Sainte marie" ry Andry dia nandao azy ireo tovolahy nanara-dia azy. Izy irery sisa no nihanohaino tao anatin'ity nosy kely ity, nivadibadika teny ny ora fa mbola tsy nisy antson'I Narindra ihany. Teo I Andry niketohan'ny nenina, nalahelo ireo vady aman-janany. Indrisy tsy afaka miverina intsony anefa.

Antananarivo

Toa tena I Liva izany tazako izany marina! Inona no alehany aty am-pasana ary an'inona aty izy izany? Tsy nahajery azy aho fa nahondriko ny lohako.

Rehefa vita ny fandevenana an'I Andry dia nandray ny tananay fianakaviana avokoa ny olona rehetra, ny feon'I Liva nibitsika teo ampototsofoko no nanaitra ahy; hoy izy:

- Aza misosoka alahelo intsony rahavako dia atrakao ny loha fa fiainana izao!

Dia lasa izy avy eo, fo nidobodoboka tsy nisy ohatr'izany no nameno ny tratrako, mahina tamin'ireo zava-nisy teo aminay sy I Liva aho. Tia azy aho, sarotra tamiko mihitsy ny nisaraka taminy nandritra izay fotoana izay nefa toa tsy sahy ny hanohy intsony aho, ho vitaiko hatreo ny aminay sy Liva.

- Riana an! Efa lasa daholo ny mpandevina f'aleo amin'izay aho hanainga ho any Toamasina hamonjy ny asako. Hoy I Narindra.

- Misaotra be dia be anao tokoa aho ry Dokotera fa raha tsy teo mantsy ianao asa angamba izay niseho teo e! tena saika nahita angano tamin'ilay fihetsik'I maman''itompokolahy teo aho . Hoy aho mantsy azy.

- Tena tsy nahamenatra azy mihintsy ny niapanga anao ho namono ny zanany.

- Soa fa nahazo fampatoriana avy any aminao izy teo f'angamba dia asa fotsiny izay niseho!

- Mbola misaotra anao ihany aho e! Nafoinao hatramin'ny asanao nohon'ny amin'Itompokolahy Andry.

- Aoka izay Riana an! Ampiripirina ny entan-keliko aho dia handeha anio dia anio ihany.

- Tsy aleonao ve hijanona hatory e!  Tena lava tokoa iny andro omaly iny. Hoy aho niangavy an'I dokotera Narindra.

- Tena mbola betsaka ny zavatra henjehako ka aleo mihitsy aho hanainga. Izay fa dia mahereza fa fiainana daholo izany e! Dia mampamangy any amin'ny olona rehetra any.

Efa nanomboka lasa daholo ny olona I Mama sy I Benja kely efa lasa namonjy ireo fiara mpitatitra, fa izaho kosa mbola tafajanona farany mba hanao veloma an'I Andry vadiko.

Namonjy nipetraka teo ambaravaran'ilay fasana aho dia:

- Lasa tokoa mantsy ianao ry Andry, fahoriana no nampitondrainao ahy. Tsy fantatro intsony na tokony alahelo sy hitomany aho amin'izao ora izao na hifaly sy hisaotra ny avo fa lasa ianao. Tsoriko aminao fa nitia olon-kafa an-tsokosoko ny foko nandritra izay fotoana nandehananao izay, tiako izy ary tsapako fa mihoatra lavitra nohon'ny fitiavako anao ny fitiavako azy. Na dia izany aza dia vadiko ianao ka sarotra amiko ny hanadino ireo lasa sy hanafoana vetivety ato an-tsaiko ny fahiny. Matokia ianao fa ho veloko ny zanako satria mbola nomen'Andriamanitra tanana roa aho ny hamelona azy. Izay fa dia veloma ianao ary mandria am-piadanana.

Dia lasa aho avy eo namonjy ny fianakaviana.

Rehefa nizotra namonjy an'I Mama sy I Benja kely aho no iny eny tazako I Liva toa hamonjy ahy nefa tafa-janona avy eo.

- Narindra!

- Liva! Fa maninona aty Ambohimalaza ianao?

MBOLA HITOHY!

Ialako tsiny mialoha raha toa ka tsy afaka ny handefa ny tohin'ny tantara aho ny alatsinainy manaraka nohon'ny antony izay tsy azoko hanoharana. Kanefa na dia izany aza dia efa misy zavatra azo haroso anareo ho solon'izany, ataovy hoe tsy tonga ilay alatsinainy.

Misaotra indrindra!

 

 

 

(13) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

IZA MOA HIANAO ( Novakian´i Maeva74)

IZA MOA HIANAO

Iza moa hianao, ry minia misetrasetra. ´zay miteny farimparina

Ka manonona ny anarako, Amim-peo mamelovalo sady sarotra fantarina,

Ary sahy manao ankaso,ka nanaitra ahy natory, dia nikapoka ny tanako

Tsy mba nihambahamba akory, ka namafifafy rano, dia nandena izany tavako;

Eny! zovy moa hianao, ry mpanao fanahy iniana

Ka sahy misetrasetra ny saiko izay variana?

Iza moa hianao, ry minia miraparapa, toy ny olona torovana

Mamindra maizim-bolana, antsoina tsy mamaly, tsy miraika tsy mivolana

Nefa kosa toa minia mibaiko´zato foko, sy ny nofo tsy matanjaka

Mba hanao Asaramanitra eny anivon-drahona eny, ety atsefatsefan-kabakabaka

Eny! Zovy moa hianao ry mpitosy vahobahotra

Mamindra sasak´alina Amim-pomba tsy matahotra?

 

 

Iza moa hianao ry mpisosy mila kisa, Ary faly misahirana

Mikopaka mosoara, sy minia manofa lamba, nefa ery ankodi-mirana

Nony injay arahi-maso, dia miroso ka milefa, toy ny aloka miserana,

Ary zary toa tsy nisy , fa antsoina tsy miraika, eny, tsy azo itenenana

Ka zovy moa hianao, ry mpandeha miselontselona

Tandindona mijoro, sa mba tena olombelona?

 

 

Iza moa hianao, ry minia misetrasetra , ka mandeha mamaton´alina

Ary sahy miriaria amin-dakakely hovotra eny amoron-drano lalina

Toa manonona ny anarako, tsy fantatro mazava , toa avelo, toa fanahy

Ka manery izany foko, mba hamboraka aminao ireo karazan´ahiahy

Eny e! Zovy moa ianao ry mpisosy tsy mitsahatra

Ka manorika ny lakana handositra ny zahatra? 


Iza moa hianao, ry minia miolonolona, eto an-tany fandalovana,

Toy ny vato izay mijoro eny anivon- dranomamy, tsy handia ny fahalovana

Nefa sahy misetrasetra, ka mandona sy mandrendrika ny lakam-pamory

Amin´ilay fotoana farany, hisintonany ny haratony, tsy hanihany akory!

Eny zovy moa hianao, ry mpisosy te-hialona

Ka sahy mitety ony manonja sy manalona?


Iza moa hianao, izay mamindra tsy manahy sahy manaitra ny mpiambina

Nosintonin-torimaso, f´efa valaka sy ana, sady reraka nibanjina

Ary sahymanavatsava, hanakaiky ny kamory, te- handavo ireo zozoro

Ry mpisosy miverena, fa ny lalana mankany rako- bero sy antsora.

Eny! Zovy moa hianao ry mpanao an-kasomparana?

Iza ka avy aiza ...? Tonony izay anarana

 

Lala Rosat (Tanamasoandro nº 1577, 11 novambra 1938)

   









(10) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)