FITIA AN-TSOKOSOKO ( FIZARANA FAHA IRAIKA AMBIN` NY FOLO)

Nisosa ny fiara nitondra an´i Narindra namonjy an´í “SainteMarie” ilay toerana misy an´i Andry. Nony
- Andry! Andry! Hoy ny feon´i Narindra niantsoantso azy.
- Narindra! Tena tsy tafandrimandry mihitsyaho nieritreritra an´izy mianaka, sy izay niseho tany. Tantarao aloha ny tany e ! Nanao ahoana izy mianaka sy i Neny?
- Vita soa aman-tsara ny fandevenana anao ryAndry an! I lucie reninao aloha saika nanahirana ihany !
- Fa nahoana? Hoy i Andry naniry mafy ny te hahafantatra ny zava-niseho tany Iarivo
- Tsy nanaiky mihintsy izy raha tsy hoe : " Sokafana hono ilay vata e!!" Soa ihany fa nitsindroniko fampatoriana haingana, fa saika nahitana angano teo.
- Narindra an! Tena tsy nety ireny nataoko ireny e!! Ilay zanako, ilay reniko e!! Hoy indray Andry noketohin´ ilay nenina nanenjika azy mafy.
- Shhhh! Vita aloha ny amin´iny fa izao e! Tsy maintsy miala eto Madagasikara faran´izay haingana ianao.
- Dia ho aiza aho no handeha ry Narindra?
- Makany “Bresil” ianao. Efa vita daholo ny momban´ny taratasinao rehetra, ary efa misy olona handray anao any !
- Olona iza! Any alavitra any ve ry Narindra an! Maninona raha any frantsa ohatra e!
- Ianao ve adala e! Ny isan´ireo Malagasy any ary efa tsy hita hisaina intsony, ary mety hisy ahatsikaritra anao any ! Fa any “
- Mba nahitanao hevitra ny handefa ahy any ankodahoda any ry Narindra an! Hoy IAndry narahin- tahotra.
- Misy dokotera izay any “Ricardo”! izay noanarany. Io dokotera io no hikarakara anao.
- Karakaraina amin´ny ahoana e!
- Hovaina ny endrikao, mba tsy ahalalan´nyolona anao intsony .
- Lalina izany ry Narindra! Diso natoky anao loatra aho ka nanjary nanao ny tsy fanao marina. Dia rehefa avy eo dia ahoana ! Ary taiza no nahalalanao io dokotera io?
- Naira- nianatra tamin´ilay naman´i dada nolazaiko anao io e! Ilay nampianatra ahy. Hoy i Narindra tsy rotitra akory.
- Tsy ho lafo be ve izany !
- Tsy misy atahoranao ny amin´izany e! Efa maty paika daholo ny rehetra. Raha vao vita ny fandidina atao anao dia miverina ianao. Ary i Hery no anaranao vaovao.
- Loza izany marina! Koa raha tsy mandaitra izany fandidina izany dia ahoana? Dia raha mivadika biby amin´izany aho dia ahoana koa!
- Olona efa za-draharaha ny momba izany izye! Sady asany izany ka tsy misy tokony atahorana. Hoy i Narindra nanome toky an´i Andry.
- Dia rahoviana aho no tokony hihainga ryNarindra?
- Tsy maintsy mihainga rahampitso dia rahampitso ianao mankany Ivato.
- Koa raha tratra any aho dia ahoana?
- Tsy misy tsy vitan´ny vola ry Andry an! Voavidy ny rehetra ! Rehefa ravola no misy dia misosa ny fianana e!
- Eny ary koa! Inona intsony moa no ambarako eo, fa dia efa manantanteraka ny baikonao sisa no azoko atao.
Rehefa vita soa aman-tsara ny resak´i Narindra sy Andry dia natory ry zareo.
Fa iza koa io olona miresaka amin´i Liva io hoy aho an´eritreritra. Tampoka teo iny izy namonjy nizotra taty amiko.
- Riana an! Mamangy ny fahoriana! Aza misosoka alahelo intsony. Hoy izy sady nanoroka ireo takolako.
- Misaotra indrindra ry Liva an! Sady latsaka nikoriana namonto ny tavako ny ranomasoko. Dia tsy naharitra izy ka nisintona ahy avy hatrany ka namihina ahy mafy teo an-tratrany avy eo.
- Ataoko fa mbola tsy vonona ianao ny hiresaka amiko amin´izao ora izao, ka aleo aho handeha. Fa rehefa vonona ianao dia antsoy aho. Fa eo foana aho miandry anao.
- Eny ry Liva! Misaotra anao
- Nandalo teny aminareo aho fa tena tsyandriko loatra ilay ora ahatongavanao, ka tsy naharitra aho ka nanontany olona.
- Hay ve e! Hoy aho gaga
- Dia tazako misy olona nitsofoka tao aminareo, ilay ramatoa efa zokinjokiny iny, dia izy no narahiko moramora avy aty ahoriana. Diso ve aho ry Riana?
- Tsia an! Tsy diso ianao ka. I mama izay . Te hanoroka anao mafy tokoa aho ry Liva, saingy tsy azoko atao! Aleo aho hamonjy ny fianakaviana sao hanaitra ny mason´ny mpitazana eto isika. Miantso anao aho rehefa tonitony iny. Izany an! Veloma i Liva malalako. Hoy ilay vavako tsy nisalasala.
- Veloma I Riana. Hoy izy mbola nanara-maso ahy hatrany.
Tsy nisy nahitana teny ny olona tao anaty fiara fasamy nangingina avokoa.i Benja natory teo ampofoin´i Mama. I Fanja namako kosa no nanatona teny amiko no nibitsika moramora hoe:
- Riana an! Azafady aky fa tena tampoka be ity zava- nitranga ity. Tsy nanana fotoana loatra isika roa mirahavavy nifampiresahana teo.
- Tsy maninona aky ry Fanja an!
- Fa hono ho´aho e! Fa iza ity tovovavy niaraka taminareo sy i Benja kely iny?
- Narindra aky iny an! Dokotera nitsaboan´i Andry tany Toamasina.
- Toa hafahafa ny fahitako azy teo aky ryRiana.
- Fa maninona aky! Hoy aho gaga amin´ity lazain´i Fanja.
- An an! Tsy dia hoe misy inona akory fa toa hafahafa ihany izy ka! Toa tsy mitsahatra ny miantso amin´iny findainy iny izy, sady toa mahimahina izany.
- E! E! Te hibitsika kosa angamba izy ry Fanja an! Mba fantandry moa fa raha tsy izy dia asa angamba aky izay nanjo anaytany an!
- Diso marina ny eritreritro ! Raha toa kasahirana indry, dia avelao aloha I Benja kely ho any amiko e!
- Misaotra aky ry Fanja an! Namana tokoa indry. Saingy efa halain´ny mama izy hitoetra any aminy mandram-paha aloha ! Sady fantatro fa tsy ho ela akory dia tsy maintsy handao io trano misy anay io aho.
- Hay tokoa moa ka tranom-panjakana marina aky io misy anareo io. Raharaha koa ity marina. Hoy i Fanja mantsy ahy no sady tena nalahelo tokoa izy.
Rehefa avy eo dia nisaraka izahay sy i Fanja. Nony
Sainte Marie
Somambisamby ny diavolan´ilay nosy kely “Sainte Marie”. Toerana nitobian´i Andry nandritry ny andro vitsivitsy. Tapaka ny hevitra fa hiainga anio ry zareo, hamonjy an´i Ivato, hizotra ho any amin´ ilay hoe ampitan-drano masina dia i “Bresil”.
- Tongotra ambian-dakana ity ry Narindra koa tsy maintsy miroso izany aho fa tsy afaka mihemotra toa lelo-jaza intsony.
- Hihemotra ho aiza intsony moa ianao e! Tokony ataonao ao an-tsainao ao amin´izay fa olom-baovao ianao, fa tsy ilay Andry fahiny intsony. Rehefa vita soa aman-tsara ny fandidina anao dia atao makotrokotroka ny mariazintsika. Hasaina daholo ny mpanefoefo rehetra naman´i Dada. Ary ianao no hitonda ny orinasa aty Toamasina.
- Efa maty paika mihintsy ange izany tetikao izany ry Narindra e!
- Ireny “risque” be natao ireny ve dia tsy hisy vidiny e!
- Dia tsy mba manana fo mitempo mihitsy ianao fa angamba rano mainty no mikoriana ao anatinao fa tsy ra toy ny an´ny olombelona rehetra.
- Izaho indray no tsarainao eo ve! Ianao izay namohy ny vady aman-janakao nohon´ny vehivavy. Izaho ve no diso amin´izany?
- Tena taranak´i Eva marina ianao. Naman´ny bibilava mpamitaka.
- Aoka izay e! Ny dianao eritreretina, efa vonona io ny fiara sy ny solika dia handeha isika.
- Atao ahoana moa! Tsy manan-tsafidy intsony aho fa dia ianao izao izany no mitondra ahy any amin´izay hitiavanao azy.
Nandao an´i “Sainte Marie” izy roa dia namonjy an´i Ivato. Ilay toerana hifandaozana sy hilatsahan´ireo ranomaso maro, amin´ny fanaovam-beloma isan-karazany. Ao ny mandao ny olon-tiany nohon´ny adidy miandry sy asa aman´andraikitra. Ao koa ireo mandao ny menaky ny ainy nohon´ny fitadiavana. Nefa dia ao koa ny voatery mandao ny fianakaviany, tanindrazany nohon´ilay fitiavan-tena sy ny hakanosana toy ny an´i Andry. Hakanosana ny hamboraka amin´i Riana ny tsy fitiavany azy intsony. Lalina tokoa ny fiainan-janak´olombelona.
Nony tonga teo Ivato dia niverina nibanjina ny manodidina i Andry, narahin-tsento lalina izy dia namihina ity vehivavy menarana notiaviny. vehivavy tsy nataho- tody. Mihevitra an´ilay Nahary ho tsy misy. Raha vitan´ny vola tokoa mantsy ny fiainana an! Ilay vehivavy natakalony an´i Riana. Dia i Riana ilay tovovavy bikaina sy tsara tarehy ary malemy fanahy. Indrindra fa ilay zanaka kely voatavo tsy mifandraka tsy mahalala´n in´inona.
- Mandehana amin´izay miditra ry Andry an! Sao misy mpahita eo ianao. Hoy i Narindra tsy nalahelo azy akory. Fitiavanahafa kely loatra.
- Veloma ianao ry Narindra an! Avelao aho sy ny fahoriako handeha fa ho afaka ho aiza intsony moa!
- Shhhh! Aoka izay fa mahamenatr´olona ryAndry an! Izay fa veloma! Izaho hanainga ho any Toamasina izao dia izao ihany.Izay fa veloma e! Sady norohany i Andry dia lasa izy.
Sendra nivoaka teo amin´ilay seranam- piara-manidina i Narindra no
- Toa mody tsy mahita koa ianareo izany ramatoa ity an! Hoy i Narindra mantsy an´i Fanja!
- Azafady tompoko! Ary toa fantatro anie ianao izany e!
- Aza miteniteny foana ranona fa tsy mahafantar´olona toa anao aho e! Hoy i Narindra nianjona sady nandeha niditra tao anatin´ilay fiarany.
-Tena lalina tokoa ity fianjolanjolan´itytovovavy marina. Hoy i Fanja. Tena ikala Narindra mihintsy iny e! Nefa nilaza i Riana fa any toamasina izy. Mety olona mitovy koa angamba ka! Ilay Narindra fantatro toa mba tsara fanahy ihany. Hoy ihany izy niteny irery.
Tsy andrin´i Fanja intsony izay nodiana hamonjy an´IRiana, hitantarany ny zava-nisy androany. Nony
- Riana an! Riana an! Hoy i Fanja nikikika mafy
- Fa misy inona e! Ary maninona indry no sempotra tahaka ity? Hoy aho
- Fantatro fa tsy hino indry raha hilazako fa nisy vehivevy tena mitovy tsy misy valaka an´ikala Narindra teny Ivato.
- Tsy izy aky izany an ! Efa any toamasina izy izay.
- Izay angamba aky!
Variana aho nandinika ny fiainako, toy ny vato kolonjy mikodiadia aho izao. Tsy vady, miaraka amin´ny zaza iray, tsy an´asa, hovelomiko amin´inona ny zanako? Aiza aho no hipetraka? Izany rehetra izany nofanontaniana miverimberina ao an-tsaiko. Indrisy mantsy ry fianako. Mahita ny fahasambaran´i Fanja mianakavy aho dia mitsiriritra. Hitako izy fa tena mandimandina ery ny endriny. Tampoka teo.
- Riana! Fa maninona indry e! Toa variana be tokoa. Hoy ny feon´i Fanja nanaitra ahy.
- Variana aky aho mandinika ito fianako faaza omena tsiny e! sady nirotsaka indray ny ranomasoko.
- Inona ary ity kivikivy ity e! jereo ny endrik´indry toa reraka be izany. Tongava any an-trano misakafo sady misy zavatra ho fetenay e! Tsy hoe nyfahorian´ny sasany hafalian´ny hafa fa nifanojo izy ity. Fa izao aky an!
- Inona ry Fanja? Hoy aho mantsy azy.
- Mitoe-jaza aky aho an! Hoy izy faly nefa nalahelo ahy koa.
- Sambatra indry aky! Arabaina izany. sady nofihiniko mafy izy. Toy ny rahavavy tokoa no nandraisako an´i Fanja ka tsy nisy nafeniko azy ny momba ahy rehetra. Mirary soa andry aky aho an!
- Miandry andry izany izahay telo mianaka rehefa avy eo an!
- Eny aky an! Ho avy aho fa hanao metimety aho dia hamonjy anareo e! Sady leo ny mahita ity trano ity koa aho.
- Miandry andry aho izany hoy i Fanja dia nandeha izy.
Nisosa ny roa andro,
- “Bem vindo Brasil "! Hoy ilay “Bresilien” mantsy an´i Andry
- Misaotra indrindra hoy i Andry.
Dia nisosa teny ny fotoana. Sendra nitsangatsangana teny @ ilay torapasik´i ´“
- Manao ahoana ianao Ramatoakely! hoy i Andry niarahaba ity tovovavy.
- Malagasy angaha ianao? Hoy ity tovovavy nanontany azy
- Eny tompoko! Hoy i Andry. Tena miendrika endrika “bresiliana mihitsy ny endrikao, ka saika nahafanina ahy. Iza moa izato izy raha tsy mahadiso?
- Maeva tompoko!
Ho hitanaotsy ho el any tohiny
(24) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra



