FITIA AN-TSOKOSOKO ( FIZARANA FAHA ROA AMBIN` NY FOLO)

 

 Lasa tokoa i Andry! Izaho irery sisa no maminavina ny ho aviko sy ny ho avin-janako! Inona re no ratsy vitako, no dia izao no fiainako e?

Nisosa ny volana vitsivitsy, tsy mbola niantso an´i Liva aho, ary izy koa tsy mbola nanelingelina ahy. Voampiriko daholo ny entana tato an-trano, fa ny mamindra azy ho eny ambanivohitra sisa, satria na izay trano hisitrihanay mianaka aza tsy misy. Andro vitsivitsy sisa no nomen´ny fanjakana hipetrahako ato. Atao ahoana e! Izay no fiainana. Tsy ampy hivelomanay mianaka ny “pension”´i Andry ka tsy maintsy mitady asa aho. Ny loza koa dia foana tsy nisy intsony ny tahirinay tany amin´ny fitahirizam-bola. Fahoriana no hany lova napetrak´itopokolahy ho ahy. Eny e! Hitanondrika eto foana ve aho? Hitomany foana koa ve? Tsia an! Aoka izay! Vonon-kitraka aho fa vehivavy tsy kivy ary mana-kambo koa, ary vonon-kiady amin´ny hetraketraky ny fiainana.

Tampoka teo injay naneno ilay antso an-taroby.

- Allo! Iza kay izao azafady e!

- Riana an! i Liva ihany ity e!

- Liva ! Hay ianao?

- Eny ry Riana! Tsy naharitra aho fa niantso anao! Manao ahoana ianareo mianaka ao izay?

- Salama tsara izahay! I Bema tsy eto fa nalain´i mama ho any aminy aloha mandram-pilamina anay mianaka. 

- Fa ahoana? Misy azoko hanampiana anao angaha? Aza misalasala fa vonona aho ny ho eo anilanao sy hanampy anao foana.

- Misaotra anao! Fa hiezaka aho ny hamita azy e! Tsy maintsy miala ato aho fa tranom- panjakana ity misy anay ity.

- Dia aiza ianareo mianaka no hipetraka?

- Tsy maintsy mody any aminay aho, any amin´i Mama e!

- Andray! Mampalahelo tokoa izany manjo anao izany marina. Riana an! Afaka mihaona ve isika amin´ny faran´ny herinandro izao?

- Tsy mbola fantatro mihitsy Liva an! Satriko dia satriko tokoa! Te hamihina anao mafy aho amin´izao ora izao. Te hanoroka mafy anao koa. Saingy tsy mbola azoko atao. Hitanao ihany ny vavan´ny olona.

- Riana an! Eny e! Tsapako tsara ny manjo anao. Eny ary aloha fa avelako ianao dia ho hita eo izany! Izay fa veloma i Riana dia mahereza an! Ba betsaka izany malalako izany.

- Veloma i Liva dia ba mamy koa ho anao.

Dia lasa i Liva, izaho kosa mbola nitolona irery tamin´ny fahoriako sy ny fianako.

Brezila

Teo amoron´ilay tora-pasika manjompika, didinin´ireo ankaton´ny manangin´i Bresila kosa dia:

- Maeva! Tsara anarana kosa ianao izany an!

- Misaotra indrindra! Ary iza kosa no mba anaranao?

- Andry! Izay no anarako!

- Faly mahafantara an´i Andry ary aho! Faly be aho izany! Fa naniry dia naniry tokoa ny hihaona amin´ny Malagasy aty. Tena tsy nampoiziko ny nihaona sy nifanena taminao. Hafiriana ianao izay no teto Bresila?

- Vao tonga mihitsy aho io e! efa ho dimy andro izay, dia mba nanararaotra nisitaka kely ny renivohitra aloha mba hitroka izany fofon-dranomasina izany.

- Izany ve! Mahafinaritra ny aty ka, tsy mangina fa ravo foana ny tanora. Hoy i Maeva nitsiky mantsy an´i Andry.

- Hafiriana izay ianao no taty koa? Dia mba tamana ve aloha e!

- Efa ho efa-taona amin´ity taona ity aho izay no teto bresila, tamana dia tamana tokoa saingy tsy mba misy Malagasy toa ahy e! Hany ka mihevitra ahy ho mpandainga daholo ny olona raha nilaza aho fa Malagasy. Hoy indray i Maeva nitsiky.

- Tena saika tsy fantatro mihintsy tokoa fa gasy ianao teo an! Sady ianao koa toa tsy mitsahatra ny mitsiky foana sa tsy marina izany? Hoy i Andry mantsy ity tovovavy.

- Azafady re ry Andry fa tsy aharitra aho,  naka rivodrivodra vao maraina sy mba nanatsotsotra ny ranjoko fotsiny dia hitampody any an-trano e! Tsy handroso ve ianao?

- Misaotra indrindra ny amin´izany fa tsy aharitra koa aho e! Mihaona eto ihany izany. Veloma i Maeva hoy i Andry sady norohany ny takolany boramena sy efa main´ny masoandro.

- Veloma i Andry dia ho amin´ny manaraka indray e! tsy aleo ve hiaraka haka sary isika mba ho fahatsiarovana e?

- Eny ary fa tsy maninona e! Sady nilahatra teo anilan´i Maeva i Andry. Dia nifandao ry zareo avy eo.

Nisosa ny fotoana, tsy nifankahita intsony i Andry sy i Maeva  tahorian´iny fotoana nifankahitan-dry zareo teny amoron- driaka iny. Volana vitsivitsy taty ahoriana, vita soa aman-tsarany fandidiana an´i Andry ary maina toy ny tsy nokitihana ny endriny. Endrika vaovao no nisalorany. Koa na ho hifanena taminy aza i Maeva dia tsy ho ahalala azy akory. Nitodidoha namonjy an´i Madagasikara i Andry. I Maeva kosa velom-panontaniana hoe:

- Nankaiza tokoa ary ilay tovolahy teny amorom-pasika iny? No toa tsy tazana intsony.

Tsy tazana intsony tokoa satria endrika hafa no hisalorany ary anaran-kafa nonentiny. Nofy sisa ilay Andry fahiny. Maty tokoa! Hery! Izay no anarana hiantsoana azy ankehitriny.

Toamasina

Somebiseby ery i Narindra hitsena ilay olom-baovao namboariny ho vadiny. Vao vita mantsy ny fandindiana dia nalefa tsikelikely tany aminy ny sary rehetra sy ny fiovanateo amin´i Andry. Tena nahay tokoa ilay dokotera fa niova be tokoa izy. Vitasoa aman-tsara ny trano hipetrahan´i Narindra sy Andry. Trano be mijoalajoala voahodidina tamboho be. Ela tokoa no nanirian´i Narindra ny hitoetra hiaraka amin´ ity vadin´olona nalaina an-tsokosoko tamin´ny fomba ratsy tokoa.Hatramin´ny daty hankalazana ny fifamofoana sy ny fanambadiana dia efa voafaritra avokoa. Niakatra namonjy an´i Iarivo izy. Nony tonga teny Ivato dia , nitazatazana tsy nisy ohatr´izany ny anao vavy. Tampoka teo anefa; iny nisy tovolahy bikaina tsara tarehy manao solomaso mainty. Avy hatrany dia nihazakazaka namonjy azy i Narindra ka nikika mafy ery.

- Hery! Hery! Ny malalako.

- Narindra! Dia efa adinonao sahady ve ny anarako e! Hoy i Andry mantsy azy.

- Shhhhhh ! Efa nalevina any ambany rangolahy i Andry vadin´i Riana fa i Hery ianao izao, fofombadin´i Narindra. Etsy aloha horohako ny malalako.

- Dia ahoana? Inona ny fandaharam-potoana?

- Ho any amin´ny hotely lavitra ny an-drenivohitra isika no mipetraka.

- Fa maninona no tsy tonga dia mankany Toamasina ? Fa inona no mbola atao eto.

- Hery an! Hoy i Narindra. Efa mailaka mihitsy ny lelany manonona ilay anarana. Toa ohatr´ireny efa vadiny ela be ireny ery i Andry. Modianao adino angaha fa tsy ho ela ange dia atao ny fanambadiantsika e! Alohan´izany dia ny fifamofoana no atao any Antsirabe fa any misy tranonay koa.Sady efa namparitako ny fanasana rehetra amin´ny mariazy . Sady nafarako manokana avy any Frantsa mihitsy. Ny akanjon-tsika koa torak´izany, ravin-damba tsy misy mpanana, ary olona efa mpanjaitra kalaza eto Antananarivo no hanjaitra azy. Saika hadinoko fa mila maka refy ianao rahampitso maraina, fa ny ahy efa ny famaranana azy sisa.

- Narindra! Tena mihaiky anao mihintsy aho marina e!Hoy i Hery gaga tokoa, amin´ity fihetsik´ity ho vadiny. Hery! Izay mantsy izao no anarany.

Tany amin´i Riana kosa nandritra izay fotoana izay

Nifindra tany amin´i mama aho, kotaba lava isan´andro izao no niainako ato, gidragidra lava. Hatramin´ny fitaizako an´i Benja avy no hitany fa tsy mety sy tsikerainy foana. Izay ataoko rehetra dia tsy mety avokoa. Leo aho ka aleoko nandeha nivoaka kely mihitsy hanala sorisory. Tsy naharitra aho fa niantso an´i Liva.Izy irery izao no hany fantako hampitony ny alaheloko sy mahatsapa ny fahoriako. Nivoaka ny trano aho dia namonjy toerana mangina mba hiantsoako ilay malalako.

- Allo! Allo! Liva!

- Riana! Faly be aho nahare ny feonao. Aiza ianao izao? Ary maninona ianao no misefosefo toa izao e! Misy inona?

- Ety amin´ny totoha-baton´i Antaninarenina aho izao !Afaka tonga aty ve ianao? Hoy i Riana niangoty sy nifokofoko ihany.

- Ho avy aho izao dia izao ary e! Fa aza mihetsika eo ianao. Hoy i Liva.

- Eny ary fa miandry anao eto aho e! Aza ela an!

- Tsy ho ela aho ka! Aza mihetsiketsika eo an!

Dify ny antsasak´adiny dia iny tokoa i Liva fa tonga. Dia maika tsy misy toy izany no nataony namonjy ahy. Avy hatrany dia nihazakazaka namonjy azy koa aho dia niantsapy teo an-tratrany mba ho fihininy mafy. Tsy nisy henatra intsony aho fa dia norohako teo imasom- bahoaka izy. Tsy naharitra i Liva niteny hoe:

- Riana an! Andao ho any anaty fiara isika no miresaka e!

- Andao ary e! Hoy aho tsy nisalasala.

Dia lasa izahay avy eo. Tsy niteny aho tsy nivolana tao anaty fiara fa dia nanaiky izay nitondran´i Liva ahy. Nony tonga tao anoloan´ilay trano tsara tarehy teny Ivandry izahay dia najanony ny fiara. Nanao baiko moana izy nijery ilay mpiandry vavahady dia nosokafan´ilay rangahy ny vavahady.

- Tonga isika! Hoy izy. Dia novohainy ny varavaran´ilay fiara nifanandrify tamiko dia noraisiny ny tanako avy eo dia nandroso niditra izahay.

- Sao dia manahirana ry Liva an! Hoy aho menamenatra.

- Tsy misy tokony atahoranao akory fa tsy eo i Tiana.Lasa nanao vakansa any amin´i Prisca reniny any Frantsa izy. Koa na eo aza izy moa, maninona e! Hoy indray i Liva mantsy ahy.

Dia rehefa tao an-trano izahay dia nasainy nipetraka aho dia norosoany rano mangatsiaka.

- Ahoana? Hoy izy mantsy ahy. Maninona ianao? Sady nosafosafoiny ny tarehiko mbola manganohano.

- Liva an! Leo ity fiainana ity aho e! Hoy aho nitomany sady namonjy nisisika teo an-tratrany.

- Riana! Aoka izay! Afaka mipetraka ato amiko anie ianareo sy i Benja e! Sady nofihininy mafy aho dia nohezahany natraka ny endriko dia norohany ny molotro; izaho koa tsy nandà fa namaly sy nakafy ilay horoka mamy natolony ahy.

- Lazao ahy ny olana ry Riana an! Izany dia aza mitomany intsony! Hoy indray izy nanambitamby ahy.

- Fahoriana ry Liva no nampitondran´i Andry vadiko ahy an! Hoy aho mantsy azy no mbola nisefosefo ihany koa. I Neny koa koa manao ny ataony e! Te hiala ao aminy aho nefa ho aiza moa? Tsy asa tsy trano tsy vola.

- Tsy olana ny amin´izany ry Riana an! Ampidiriko miasa any amin´ny orinasa tantanako ianao, tsy ho voatery hiaraka birao isika fa samy manana ny azy. Misy sampana roa eto Antananarivo ka tsy maninona fa any Ankorondrano ianao no miasa.

- Liva! Marina ve izany e! Hoy aho tafatsangana sady nihoraka mafy no namihina azy ery. Avo ny lanitra ka tsy ho takatro marina.Saingy ny hipetraka hiaraka aminao no mbola manahirana ahy ry Liva an! Hoy indray aho mbola tsy sahy ny hitoetra hiaraka aminy, nohon´ny vavam-bahoaka.

- Tsy maninona ry Riana an! Afaka mitady trano akaiky eny Ankorondrano isika hipetrahanareo mianaka mandram-pa… aloha. Hoy izy mantsy ahy.

- Sao dia be loatra ry Liva an! Toa ohatrin´ny manararaotra anao aho izany.

- Tsy misy an´izany re ry Riana an! Mbola vakansy koa izao ny mpianatra ka mora tsara ny hifindranao e! Sady mila maka sasatra koa ange ianao e! Maninona raha hiaraka amiko ho any Toamasina ianao?  Misy fanambadian´ilay zanaky ny mpiara miombin´ antoka aminay mantsy amin´ny tapa-bolana. Ny fifamofoan-dry zareo atao amin´ny Asabotsy ho avy izao, fa saingy tsy afaka aho amin´io andro io.

- Toamasina hoy ianao ry Liva an! Toa fahatsiarovana ratsy loatra mantsy no nialako tany, koa asa re raha hanana hery ny ho any aho na tsia ,fa ho hita eo anefa e!

- Vavy sa lahy ilay zanak´ilay mpiara miombin´ antoka aminareo ry Liva? hoy aho be fanontaniana.

- Vavy ka! vavitokan´i Rapanana e! Izay mantsy noanaran´ilay rangahy. Vao tonga vao haingana avy any am-pita hono ilay hovadiny. Na izaho ary tsy mbola mahafantara azy akory. Hoy i Liva sady tsy nitsahatra nifanakalo ireo horokoroka mamy tsy hitanay naharitra izahay .

Mbola hitohy



     
    




















(16) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)