IZA MOA I MAEVA 74?

Nandrianina Maevatiana no
anarana nasalotro ny tenako eto amin’ny sehatry ny kanto. Maeva74 kosa no
solon’ anarana fampiasako amin’ny fifaneraserana. “Maeva” dia teny avy any
Atsimon’ ny Nosy, dia i Toliara, tanàna nahabe ahy. Io anarana io dia mitovy
hevitra amin’ ny hoe “Manendrika”, nefa tsy noho izay heviny izay loatra no no
anton’ny safidiko. Zazavavy jejojejo kely aho fahiny ka matetika ny mpitazana
no milaza hoe “Maeva anao lie sikinao ty e!” nahafinaritra ahy ilay anarana
hany ka nokoboniko tao anatiko tsy nisy nahalala mandrapahatongan’ny fotoana
nety nahafahako nisalotra azy.
Tamin’ny 19 may 1974 no
nahalatsahan’ny tavoniko tao Ilempona Gara, Antanifotsy. Noho izany dia
noraisiko ny isa 74 mba hanavahana ahy amin’ny olona maro hafa mety mitondra ny
anarana hoe Maeva. Tiana kosa no anarana nomen’ ireto Ray sy Reniko mba
ho ahy sady fiantsoana ahy amin’ny andavanandro.
Maro ny zavatra mahafinaritra
ahy, toy ny mandihy sy ny mihira; ny mahandro sakafo sy ny manandran-tsira; ny
mikarakara tokantrano sy ny manaingo azy. Ankafiziko manokana kosa ny mamaky
boky tantaram-pitiavana, ny mijery sy manaraka tantara mitohy amin’ny
fahitalavitra sy ny onjam-peo. Maromaro ihany hoy ny kamo hanisa ireo
mpanoratra ankafiziko na tantara izany na tononkalo. Rado, Dox, J.J
Rabearivelo, Ratsimiseta Jasimina, Jean Narivony, Fredy Rajaofera, E.D.
Andriamalala, Clarisse Ratsifandrihamanana, ireo no tena masaka tao an-tsaiko,
ankoatr’ ireo hafa izay tsy voatanisako
Tsy dia mpanoratra toy ireo
mpanoratra rehetra akory aho na nianatra manokana momba ny asasoratra fa
talenta nomen’Andriamanitra ahy ka niseho sy nivoatra miandalana teo amin’ny
fiainako. Fony vao nahay nanambatra teny ny vavako dia efa tiako ny nampiresaka
zavatra, toy ny saribakoly, indrindra moa fa ny vatokely. Vao mirava avy
mianatra aho dia ny hanao tantara vato no mahamaika ahy, ka vory avokoa ny
ankizy mihaino ny tantarako.
Tsy dia tsaroako akory hoe oviana aho no nandray penina ka nanoratra. Efa mba nahasoratra tantara kely ihany aho fahiny saingy tsy nisy voatahiry na iray aza fa verivery teny avokoa. Tamin’ izany fotoana izany dia tsy mba nanana kahie aho nanoratana fa dia sombitsombin-taratasy hany sisa tsy nisy soratra no nanoratako ary natambatro ho toy ny boky kely mba hovakian’ ireo namako. Nisy tamin’izy ireo no nankafy ny asa-soratro, tao ihany koa ireo tsy nankasitraka nohon’ ny tsy fitovian-kevitra angaha.
Tsy ny manoratra ihany no
ankafiziko fa ny milalao tantara ihany koa na dia tsy teo amin’ny sehatry ny
matihanina aza. Rehefa fetin-tsekoly dia mahaforona tantara kely aho mba
holalaovinay mpiara-mianatra teny an-dampihazo. Tsikaritr’ ilay Masera
talen-tsekolinay izany ka nampiantso ahy manokana sy mangingina izy mba hilalao
tantara an-tsehatra, dia izay no nanomboako nilalao tantara an-tsehatra
voalohany. Raha tsy diso ny fitadidiako dia tokony tamin’ ny taona 1988 tany ho
any izany.
Tantaram- pitiavana sy
mampihetsi-po no manavanana ahy ary hita soritra amin’ireo tantara noforoniko.
Tsikaritra ihany koa izany amin’ireo tononkalo vitsivitsy nateraky ny
aingampanahiko. Izaho dia tsy nahalala velively fa ato anatiko ny “romantisme”
raha tsy ireo olona mifanerasera amiko no nanao fanamarihana momba izany
tamiko. Efa ao anatiko angamba izy io ary iainako isan’andro ka izay no
miantraika any amin’ny kanto foroniko.
Tato amin’ny tranonkalan’ny
serasera.org no nanombohako nampiseho mivantana sy tamin’ny sehatra lehibe
kokoa ny tantara nosoratako voalohany voatahiry dia ilay mitondra ny lohateny
hoe “Rado, ilay Fitiavako Fahiny”, izay misy fizarana 14.Tsy dia kalaza loatra
aho akory satria mety tsinjo eny ihany ny mbola mahazaza vao miana-mamindra ahy
eo amin’ny literatiora Malagasy. Ny fitiavako ny zavakanto kosa no hery
manosika ahy hivoatra hatrany sy hamoaka ny aingampanahy ato anatiko mba ho
amin’ny kanto indrindra. Koa manasa anao hamaky sy haka fy ireo asa-soratro ary
ny tenako.
Isaorako manokana eto:
Ny serasera.org
Raozigasy
(0) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra



