RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ VOALOHANY SY FAHAROA)

         

 

Toliara! Ilay faritany atsimon' ny Nosy. Tany no nisehoan' ity tantara ity ry namana isany. 17 taona aho ary teo amin’ ny kilasy famaranana no nisy ahy.

Tsy mbola nahalala akory izany atao hoe fitiavan’ olon-droa sy izany hoe: “firaisana ara- nofo” izany ny tenako. Tao amin’ ny ” lycée Roland Botokeky” aho no nianatra, ary  sokajy “D” no nisy ahy.Rehefa eo amin’ ny kilasim-panadinana toy izao dia matetika  manao “cours” ny ankizy mba hampitomboina na hanamafisana  ny efa hay, ka anisan' ny nanao izany aho.

Volana oktobra ny andro, ka somebiseby daholo ny iray sekoly fa taom-pianarana vaovao. Tao ny nifampidera ny lamaody vaovao, tao koa ny nifanankalo izay niseho nandritry ny fotoam-pialantsasatra, fa izaho kosa dia hafa mihitsy no niseho teo amin’ny fiainako.

 Indro nisy tovolahy iray ranjanana nandona ahy, ka latsaka tery amin’ny tany ilay“classeur” fitondrako ka niparitaka daholo izay tao anatiny.

 - Andray! Hoy aho f'angaha dia maika loatra no toa mandona mafy be ery ianareo e! Sady niondrika aho no nandroaka ireo entana latsaka.

 - Miala tsiny indrindra raha naha-voadona anao, tsy fanahiniko ilay izy teo! Hoy izy.  

          Nitraka aho avy eo dia nifanojo ny masonay, toa nisy paingotra nanindrona ny foko, nidoboka mafy tsy nisy ohatr’izany izy avy eo, tsy nahaloam-peo aho fa nangovitra mafy.

- Tsy maninona ka! Hoy aho mantsy azy sady nanampy ahy izy nandroaka ireo entana latsaka, no sady natolony ahy ny tanany.

- Mitsangana amin' izay ary ianao e! Dia mbola mialatsiny indray. Rado no anarako hoy izy sady tsy nitsahatra nibanjina ahy ny masony.

Tsy nahaloa-peo aho fa ny endriny no voadiniko mafy. Tovolahy ranjanana izy no sady fotsy fihodirana, milantolanto ery ny feony, ka izay no nahababo ity foko adalada.

- Ary toa variana be ianao! F’iza no anaranao? Hoy izy

- Rondro no anarako hoy aho tena efa babo tokoa.

- Dia faly mahalala an' i Rondro ary e! Izany ny tenako hoy izy nitsiky sady nijery ahy ihany.

Tampoka teo anefa dia naneno ny lakolasy, lasa izy dify tsy tazako intsony. Nihazakazaka mafy avokoa ny ankizy hamonjy ny fanaganan-tsaina, satria fidirana ny andro, niherikerika ihany aho nanara-maso azy nefa tsy hitako izy. Tonga tao an-tsekoly aho avy eo dia mbola nitodika teny ambaravarankely ihany nitazana azy saingy tsy nisy akory izay mba alokalony niserana. Nitsiky vendrana aho no niteny irery hoe: “adala angaha ity izaho”.

Efa nangina ny lakilasy, samy efa somebiseby avokoa ny ankizy rehetra. Dia indro nisy tovolahy iray niditra ny fianarana manao bolozy fotsy niteny hoe:

- Izaho no mpampianatra Malagasy anareo! Ramose Rado hoy ity tovolahy sady nitsiky izy.

Taitra mafy aho nahita azy sy nahare ilay feony ary ilay anarany, ka nibanjina azy mafy aho no nilaza mangingina an’ eritreritra hoe: “tena i Rado tokoa, Rado hoy aho Ramose!

Nodomin'ilay tovovavy teo akaikiko aho vao tonga saina sady hoy izy hoe:

 - “Bogosy” aky Ramose Rado izany an! Sady nodinihany aho

 - Eny tokoa retsy hoy aho nitsiky tsy ravina naheno ity tovovavy sady mba nibanjina azy koa.

Ilay tovovavy teo anilako dia karazan'irony tovovavy jefijefy irony, ilay mampiherika tovolahy maro eny an-dalana. “Sexy” hoy ny fitenin-jatovo. Fa izaho kosa dia zazavavy tsotra dia tsotra na ny fihaingoko aza. Zarazara hoditra aho tsy fotsy be nefa tsy dia manga koa, lava mandady manaraka ny lamosiko ny voloko, tsy dia fohy aho nefa tsy dia diso lava loatra koa.

- Laingo! Aky no anarako, ary ny andry mba iza? Hoy ilay tovovavy mantsy ahy

- Rondro hoy aho namaly azy sady mbola nitsikitsiky ihany aho,

- Faly mahafantara andry aky aho ry Rondro an! Hoy ity tovovavy sady nadinika ny fitafiako izy.

- Faly mahalala andry koa aho ry Laingo hoy koa aho mba namaly azy.

Tampoka teo, iny i Rado nanantona anay, i Ramose Rado mantsy e! Dia nibitaka tsy nisy ohatr’izany i Laingo, dia mody nalatsany ilay penina teny an-tanany, niondrika i Ramose naka sy nanolotra azy ilay izy, ka hoy izy miaraka amin’ ny ilay feo miangoty manao hoe:

- "Merci Monsieur Rado!"

Nitsiky Ramose nijery azy, izaho kosa menamenatra sy nivoara-mena sady tsy voabaikiko intsony ity fidobok' ity foko ka niezaka aho ny ho tony tsara mba tsy hisy hatsikaritra ny fihetsiko.  

- Miangavy antsika rehetra aho hoy Ramose hameno “fiche” dia samy milaza izay mombamomba azy avy ny tsirairay, dia lazalazao hoe inona no antony nisafidiananareo ity sokajy “D” ity. Rehefa vita dia azonareo hapetraka ery amin’ny biraoko ery.

Tsy sahy nijery azy aho fa naondriko ny lohako sao tsikariny hoe mandinika azy be loatra, moa i Laingo koa tsy mitsahatra ny manompy tsiky any aminy ihany, dia efa nampionon-tena aho fa toa ho resin'i kala Laingo, izy tena dadany raha amin’ny fihetsika rehetra.

Vita ilay“fiche” ka samy tokony ho nanatitra ny azy avy teny amin' ny biraon-dramose daholo, nefa i Laingo nitsangana nanao “volontaire” mba hangorina ilay izy no nanao hoe

- Aleo ahoriko Ramose an! Amin’ izay mba tsy manahirana anao eo amin’ny korontana rehefa avy eo.

Moa tsy nihomehy daholo ny iray lakilasy, izaho koa mody nihomehy tsy fidiny.

- Vita ny androany aloha hoy i Ramose ka amin’ny alarobia indray mihaona.

 Samy nangorina ny entany avy ny ankizy rehetra dia avy eo nitsoriaka namonjy fodiana; torak' izany koa aho, fa i Laingo kosa tazako namonjy an-dramose fa dia tsy haiko aloha izay nolazainy teo. Dia lasa ny lalako no nizorako fa toa tsy hisy fanantenana ny momba an-dRamose fa ny any Laingo no lasa aloha.

 

 

 



 















(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHATELO )

 

 


Efa manomboka nirifatra daholo ny mpianatra, izaho kosa mbola variana tany amin' ny trano fidiovana, dia avy eo aho nizotra namonjy ny vavahady handray ny lalana mody. Ny andro koa somary midanika raha-teo, ka naleoko nifindra tery amin’ ny ilan-dalana namonjy aloka.Injay nisy feo miantso mafy ahy

- Rondro! Rondro!        

        Nitodika aho, sady gaga nahita an-dRamose, nitsiky tampoka ny molotro ilay efa kivy teo iny, nijanona aho dia niampita namonjy ahy izy avy eo.

- Fa aiza indry no mody? Hoy izy nitsikitsiky nijery ahy.

- Eny Mahavatse (anaran- tanana ao Toliara) hoy aho somary menamenatra sady niondrika niafina ny tavany.

- Lalako koa iny, any ho any koa aho no mipetraka. Manana posiposy mpanatitra aho ka raha sitrak' i Rondro dia ndao hiaraka amiko fa lalana iray ihany no iraisan-tsika hoy izy mila toky.

Nidobodoboka tsy nisy ohatr' izany ny ambavafoko, nanaiky aho satria toa tiako izany ny hiara-dalana aminy.

-  Raha sitrakao Ramose, dia tsy maninona, fa hanaraka anao aho hoy aho nitsiky

- Nahoana no tsy ho sitrako e! Indrindra miaraka amin’ny tovovavy kely tsara tarehy toa anao izao e! Hoy izy sady nosafoiny kely ny voloko.

          Saika hilaza aho hoe " ary i Laingo” angaha tsy mba tsara aminao? Nefa najanoko satria efa izaho izao no nisafidiany iharahana amin’ny posiposy fa tsy i Laingo. Dia nizotra soa amantsara ny lalanay, samy tsy nisy nahitana teny izahay. Nony tonga teny antsasa-dalana anefa dia hoy izy:

-  Bedy ve indry raha mba mijanona kely isika hisotro ranom-boankazo? Fa midanika loatra izany andro izany.

-  Tsy bedy aho sady ny nirava aloha androany nefa tsy hisy olona hibedy ahy akory eo,  ny Ray aman-dReniko dia mipetraka any Sakaraha ( faritra iray hita ao amin’ ny faritanin’i Toliara) hoy aho maniry ny ho eny anilany foana.

          Dia nobaikon- dRado ilay mpitari-posy dia niditra tao amin’ilay trano fisotroana ranom-boankazo izahay, nandray latabatra iray izy dia norosoiny seza aho. Tena faly tena faly ny foko sady tsy niala teny amin’ny endriko intsony ilay tsikiko.

- Mahafinaritra ahy indry ry Rondro hoy izy mantsy ahy, iza no hipetrahandry eny Mahavatsy?

- Mipetraka eny amin’ny “cite”n' ny mpianatra eny amoron-dranomasina aho, fa ny Ray sy Reniko eny Ambanivolo any Sakaraha.

-  Hay va re! Hoy izy toa falifaly satria tsy eo i Dada sy i Neny hibaiko izay ho ataoko angamba ny ao an-tsainy.

- Ary i Ramose? Tena mipetraka eto ve sa ahoana? Hoy aho mba nanontany azy koa sady narahin-kenatra.

- Voatendry hiasa eto fotsiny aho ka, fa any Antsirabe no misy ahy hoy izy sady nibanjina ahy hatrany.

          Tazako nisy peratra ny tanany ka tsy naharitra aho ka nanontany hoe:

- Any avokoa izany ny vady aman-janakao?

-  Angaha efa miendrik'olona efa vady sy ray aho ry Rondro?” hoy izy nitsiky kely.

-  Tsia! Hoy aho fa tazako mantsy ny peratra eny an-tananao ka izay no nanontaniako. Azafady raha diso fipetraka ny fanontaniako tompoko!

- Hay ve e! Liana kely koa indry izany an! Sady notsongoiny ny takolako.

          Izaho kosa dia nivoara-mena toy ny voatabia sady menatra be no nitsiky koa.

 -  Azafady tompoko!

 -  Tsy misy tsiny akia! Tsy mbola manam-bady aho fa peratr’i Dada ity no nomeny ahy alohan' ny nahafatesany ka dia tsy niala tety an-tanako intsony hoy izy nahatsiaro an-dRainy. 

         Nientana moramora ny foko, sady nilaza mangina tao an'eritreritro aho hoe: “mety misy fanantenana izany ny amiko” ka hiady aho tsy ho lasan' i Laingo i Ramose; dia norosoan' ilay tovovavy mpandroso sakafo ilay ranom-boasary makirana izahay rehefa avy nikomandy izy. Dia avy eo niveriana teny anaty posiposy nanohy ny dia. Tsinjoko ny tranoko ka hoy aho:

- Eto aho no mody Ramose an! Ka misaotra indrindra amin’ny fahatsaranao.

- Tsy misy fisaorana hoy izy sady nosafoiny indray ny takolako.

- Tsy handroso ve i Ramose? Hoy aho tamin’ny feo sadaikatra.

-  Tsy androany aky ry Rondro an! Fa aleo ho zokin' ny any ahoriana. Hilaozako ary indry. 

         Dia noraisiny ny tanako dia norohany indray ny takolako.  

-  Veloma i Rondro hoy izy mbola velon-tsiky ihany sady mbola nanompy maso ahy farany.

          Dia lasa ilay posiposy . izaho kosa dia tafajanona teo amin’ ilay toerana sady nanara-maso azy ihany, nitodika tampoka izy dia nitsiky no nahofahofany ny tanany, mba nasaiko nanifika koa ny ahy. Dia lasa aho nody nikarakara sakafo atoandro avy eo. 

 Tsy niala tao an-tsaiko intsony ny endriny sy ilay feony, toa verivery dia aho tsy nisaraka tao ambavako ireo kalokalon’ ireo mpifankatia nandritry ny ora vitsivitsy. Raiki-pitia aho.

 Mbola hitohy!

 

     








(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA EFATRA )

 

 

 

   

Nifamahofaho teny ny fotoana.  Ny segondra nivadika ho minitra ary ny minitra nisolo ho ora, dia ireo no nitamabatra ka lasa andro. Andro vitsivitsy taty ahoriana, toy ny mpinamana no fifandraisanay sy i Rado. Izaho koa moa teo amin’ ny kilasim-panadinana ka dia nafantiko tany amin’ny fianarana aloha ny saiko sao variana manonofy azy eo fotsiny.

Nanomboka ny fisoratana anarana amin’ny fanaovana “cours” isaky ny hariva dia mba nisoratra anarana  koa aho satria misy matiera tiako hamafisina toy ny taranja kajy ary fizika simia. Teo am-piravana ny alin'ny alatsinainy avy nianatra “cours” aho dia tafara-dalana indray izahay sy i Rado. Dia tsy nody avy hatrany aho fa nanaraka azy.

-  Rondro ô! Misy zavatra tiako ambara aminao raha toa ka tsy manahirana hoy izy.

           Dia hoy aho somary nitsiky malefadefakaka nanao hoe:

-  Arosoy ary ny resakao Ramose fa mihaino anao aho.

-  Izao ry Rondro an! Esory any aloha izany Ramose izany e! Hoy izy somary sadaikatra mantsy ahy. Mahafinaritra ahy ianao, raha ny tena marina dia manam-pitiavana anao ny foko, tsy voatery anefa ianao hitia ahy fa faniriana ihany izany, hatramin'ilay nifanenan'ireo mason-tsika dia nitia mangina anao ny tao anatiko tao. Ekeko fa misy elanelana be ny eo amin’ny taonantsika, nefa tsy nahasakana ity foko adala hitia anao izany.

           Nangina tsy nahaloam-peo aho satria efa ho andro maromaro izay no naniriako ny haheno izany teny izany, ka nidoboka mafy tsy laitra nampanginina ny foko. Tsy hitako izay ambara fa ny endriko no nivoara-mena.  Sambany tamin’ny fiainako no nisy tovolahy sady tiako no tia ahy namboraka fitiavana tamiko. Tony izany harivariva mahafinaritra izany, ary mandrivondrivotra maha-te ho tia.

 -  Tsy aleo ve ry Rondro ho eny amoron-dranomasina isika mba hanararaotra sy hakafy izany tsio-drivotra malefadefaka izany ? Hoy indray i Rado (efa niezaka aho niantso azy hoe:” Rado”)

-  Tsy maninona hoy aho mbola menamenatra sy misaintsaina izay teny hambara an-dRado.

          Dia lasa namindra miadana, nanaradia ilay tora-pasika fotsy mangatsakatsaka izahay, dia avy eo namonjy ny iray tamin'ireo seza lava fipetrahan'ireo mpifankatia. Dia nitodika tany amiko indray i Rado ka nilaza hoe:

-  "Ialako tsiny raha nanorisory anao ilay teniko teo" hevero ho toy ny tsy nisy ireny.

Dia tsy voabaikiko intsony ny tanako fa noteren'ilay foko tia ka notapenako ny vavan-dRado, avy eo nifanompy ny masonay dia nangalatra nitopy teny aminay ilay taratr' ilay volana baliaka, dia nifanantona tsy moramora ny molotray ka nifanoroka izahay.

-  Rado hoy aho tsy mbola nitia ny foko raha tsy ianao, ka omeo toky aho fa ho tia ahy tokoa ianao.

-  Rondro malalako! Tia anao aho, tsy hisalalasalako ny manome toky anao satria tia anao tokoa aho.

 Dia nifanantona idray ireo molotray, nifanorokoroka izahay ka tsy nitsahatra intsony nandritra ny minitra vitsivitsy.

-  Fa hono ho’aho Rado raha tsy mahadiso, fa misy inona kay eo amin’areo sy i Laingo?  Fa toa tsy mitsahatra ny manantona anao izy rehefa vita ny kilasintsika hoy aho saro-piaro.

-  Hay ve e! i Laingo! Mahafinaritra tokoa izy saingy tsy tia azy aho fa ianao no nisafidian' ity foko adaladala fa tsy izy sady nataony teo amin’ny tandrifin’ny fony ny tanany. Ekena fa manaitra ny tovolahy maro tokoa raha ny fihaingon'i Laingo sy ny fomba fiteniny nefa tsy mahasarika ahy satria efa ianao no tiako hoy izy sady norohany indray aho. 

         Somary naharitraritra kely ilay orokorokay mihoatr'ireo roa voalohany. Nanomboka nanafosafo ny voloko ny tanan-dRado ka tsapako nangoritsiny tokoa ny vatako iray manontolo .Mahafinaritra ery izy izany nefa najanoko tampoka ny tanany ka hoy aho mantsy azy.

-  Rado ô! Tia anao aho, nefa…… mbola tsy nahalala lahy aho.

-  Fantatro hoy izy, tsy maninona fa vonona aho ny hanaja anao.

- Misaotra hoy aho nitsiky sady nanoroka azy indray.

         Nitsangana izahay avy eo ka nifandray tsy satry ireo tananay, dia nizotra moramora namonjy fodiana izahay. Dia hoy aho nibitsika tamin-dRado mangingina.

-  Rado an! Tia anao aho ary tiako anefa raha hafenina izao fiharahantsika izao mba tsy hanafintohina eo amin’ireo mpiara-miasa aminao sy ireo mpiara- mianatra amiko sa ahoana hoy ianao?

-  Izay sitrakao dia ho tanterahiko ry Rondro malalako hoy izy nijanona sy nanoroka ahy indray.

          Dia tonga teo am-bavahadin'ny tranoko izahay no nanao veloma ahy i Rado sy nanoroka ahy indray.

-  Veloma vetivety izany malalako izany, rahampitso indray isika mihaona dia tafandria mandry dia manofisa mamy hoy izy narahim-peo malefaka. 

Dia lasa izy fa izaho kosa mbola nanara-maso azy mandrapidifiny. Dia niditry tao an-trano aho avy eo, napetrako ny kitapo teny an-tanako, nesoriko ny kapa teny atongotro ary nitsotra teo ambony fandriana aho no sady mbola nakafy ilay orok'ilay malalako. Tia an-dRado aho.  Dia nankipiko moramora ny masoko dia raiki-tory teo aho sady nanonofy azy tsy nitsahatra. Izany ve no atao hoe “tia"? Angamba

 Mbola hitohy!

 








(6) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA DIMY )

 

 

  

Volana vitsivitsy taty ahoriana, efa manatona koa ny fotoam- panadinana, dia indray alina tsikaritry i Laingo izahay sy i Rado nifampitantana teny amoron- dranomasina toy ilay fanaonay, dia avy hatrany izy tonga dia nanantona tsy nisy henatra sady nikikiaka mafy nanao hoe:

-  Joko tsoriaka indry ity ry Rondro an! Efa fantandry fa tiako i Ramose dia nahodindry indray, hitako moa indry mahazo noty be foana kay ao raha. Lehilahy tsy vanona koa raha ianao ry Ramose hoy indray izy. 

            Taitra tampoka i Rado ka nasainy nifindra toerana tao ahoriany aho, fa tena efa nirehatry ny fialonana i Laingo, soa ihany fa tsy nisy nahatsikaritra fa saika nitangoronan’ny olona teo izahay.

- Fa inona ity ataonao ry Laingo? Hoy i Rado somary gaga tamin’ ity fihetsiny.

- Modianao tsy tadidy angaha fa miaraka isika hoy i Laingo mantsy an-dRado sady ohatr’ ireny niaraka ireny tokoa ry zareo.

            Torak’ ovitra aho naheno ilay feo ka ohatry ny fanimpanina kely izany

- Inona izany lazainy ry Rado? Hoy aho mantsy azy, nahiratro nibanjina azy tsara ny masoko.

- Aza manahy ianao ry Rondro fa na izaho ary tsy mahalala izay nolazainy akory hoy i Rado ketraka. 

 Avy hatrany dia niantsampy teny an-tsorik’i Rado i Laingo sady norohany izy. Tezitra noho izany aho ka lasa nirifatra nody sady latsaka ny ranomasoko no kivy tanteraka koa.

- Rondro! Rondro! Hoy i Rado miverena ianao e! Lainga noforon’ i Laingo daholo izany rehetra izany.

- Avelao izy ho any Rado an! Hoy i Laingo, fa izaho eto akaikinao eto no tiavina sady izaho koa ange ka tia anao e!

           Nahifik’i Rado ny tanan’i Laingo, ka hoy izy

-  Inona izao ry Laingo no nahatonga anao nanao ireny fihetsika ireny?

- Ka tiako ianao ry Ramose an! Hoy indray i Laingo misisika ihany.

- Tsy tia anao aho fa i Rondro no tiako ka aza averina amiko intsony izao fihetsikao izao ary mandehana ianao fa hamonjy an’i Rondro aho hoy i Rado efa tezitra mafy tamin’ i Laingo. 

- Ho hitanao tsara ny valin’izay ry Ramose fa tsy hataoko vita mora akory, tadidio fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy miaraka isika. 

             Dia lasa i Rado namonjy ahy. Izaho kosa efa tao an-trano, nitomany mafy aho tsy tanako intsony ny ranomasoko fa niboiboika nanaraka ny tavako manontolo, sniff, sniff, Rado! Dia sahinao ve ny nampijaly sahady ity foko e! Sniff sniff, mbola nisefosefon’ny tomany ihany. Injay nisy nandondona mafy tao ambaravarana.

-  Rondro an! Rondro an! Vohay re aho e! Hoy izy.

          Tsy namoha azy aho fa mbola nifokofoko foana, tsy mitsahatra ny mikikika anefa i Rado.

 

- Rondro ô! Mba voahay moa e! Tiako anie ianao e! Resaky ny adala ny an’ i Laingo.

                Farany novohaiko ny varavarana sady nandinika azy tamin’ ny maso mena feno hatezerana aho.

 - Rondro malalako hoy i Rado tsy niaraka tamin’ i Laingo izany aho, fa noforonony avokoa ireny resaka ireny.

-  Koa raha tsy niaraka ve ianareo ho sahy anao ireny fihetsika ireny izy e! Hoy aho mbola nifokofoko ihany sady sosotra.

- Tsia ry Rondro ô! Tsy niaraka taminy aho ho’aho. Inona no ataoko mba hinoanao fa tsy nisy ninon’inona teo aminay sy i Laingo e!

- Naninona koa nefa ianao tsy nandeha natory tany aminy fa tsy nankaty amiko! Izy ange efa mazotoa ny hiaraka aminao e! Fa izaho mbola tsy vonona e! Hoy aho sady mbola nitomany ihany sniff sniff.

- Rondro! Ianao no tiako, ianao no nofidiko, tsy mbola nikitika an’ i Laingo aho na indray mandeha aza, fa izy no nisary adala tamiko hoy i Rado niezaka ny nanadio tenany.

 - Dia nanaiky ianao? Hoy indray aho te haka toky satria efa fantaro fa tsy niaraka tokoa ry zareo fa mba namilafila kely aloha aho.

- Tsy nanaiky aho re e! Ianao no tiako, hikikiaka eran’ny vazan- tany ve aho, hanambara aminao fa ianao no tiako? Dia nivoaka ny varavarana i Rado sady nikikiaka mafy hoe:

- “HENOY RY TANY AMAN-DANITRA FA TIAKO I RONDRO” 

            Nosontoniko ny tanan-dRado niditra fa mitady hivory ny vahoaka naheno ilay feony, dia avy hatrany dia norohako izy, satria fantatro fa tena tia ahy tokoa.

- Rado ô! Fantatrao moa fa tena tia anao aho e! Dia hoy i Rado sady namafa ny ranomasoko teny amin’ny tavako.

 - Aoka izay ry Rondro malalako! Matokisa ahy fa tena tia anao tokoa ny foko “Tia anao marina aho”.

            Dia nifanoroka izahay avy eo dia nanatitra an-dRado teny ambaravarana aho ka nilaza taminy hoe:

- "Rado ô! Vonona aho ny ho anao tanteraka”. Tena vonona aho

            Efa herin’ andro sisa dia hitsingerina ny daty fankalazana ny andro nahaterahako.

- Vonona ny amin’ inona ianao ry Rondro? Hoy i Rado mantsy ahy sady gaga dia gaga tokoa.

- Fetiko amin’ny asabotsy ka manasa anao aho ny alina hiara-hifaly amiko hoy aho sady namerina ilay tsiky teny amin’ ny tavako indray.

- Hay ve! Hoy i Rado tsy ho adinoko ka! Dia inona no ataoko amin’ izany?

- Tsy mitondra ninon’inona ianao hoy aho fa ny tenanao tonga eto no hilaiko, izany an! Sady niatsampy teny aminy indray aho.

- Eny ary e! Inona anefa ny fanomezana tianao? Hoy i Rado.

- Izay tianao dia tiako avokoa. Na tsy hitondra aza ianao dia hataoko mahampy ahy ny tenanao dia nifamihina izahay dia lasa izy.

 

   Mbola hitohy!

 

         








(6) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA ENINA )

 

          


Nisosa ny fotoana, vita ny fanadinana aram-panatanjahatena. Efa somebiseby aho ny hikarakara ilay fetiko, te ho lafatra aho mba ho an- dRado satria tiako loatra izy. Zoma ny andro, nadeha aho nividy sakafo maivana ho karakaraiko ho anay rahampitso alina. Tonga tany an-trano aho dia nodioviko avokoa ny trano, dia notadiaviko ilay lamban –databatra tsara indrindra nomen’ ny Neny sy ilay lambam-pandriana vaovao hitsenaiko ilay faha valo ambin’ny folo taonako, sy ilay ora hanaovako veloma ilay fahazazako sy ny fahadiovako. Rehefa voalamina ny rehetra dia niala sasatra kely aho niandry an-dRado hitsena ahy ho eny amoron-dranoamasina. Tonga izy arak’ ilay fotoana dia lasa izahay nitsangatsangana toy ilay fanaonay.   

- Ho feno valo ambin’ ny folo taona tokoa moa indry izao ry Rondro rahampitso? Hoy Rado mantsy ahy, lehibe izany izao?  

- Eny hoy aho, efa tsy ho andriko ilay ora rahampitso hihaonantsika ry Rado, efa vonona tokoa aho hanolotra azy ilay fahadiovako.

- Fa misy inona ry Rondro? Fa toa tsy ohatry ny isan’andro ianao, fa toa lasa eritreritra be izany! Sa hoe ho valo ambin’ ny folo taona angaha no mahatonga izao sa ahoana?

- Tsia ry Rado tsy maninona aho ka! Lasa saina fotsiny aho hoe ahoana izany ho lehibe izany indray? Hoy aho sady nitsiky.

        Nipetraka teo amin’ ilay seza fipetrahanay  izahay dia nasehony ahy ireo karazana kintana isan-karazany toy ny “croix du sud sy ny voilacté ” sady nihomehy sy nisangisangy izahay. Rehefa avy eo dia nifanoroka toy ilay fanao isan’alina izahay, dia namonjy fodiana indray.

         Dia nandao ahy toy ilay fanaony izy, izaho kosa nandeha namonjy fandriana natory, fa maika ny hanao “cours” ny maraina.

  Nirava aloha ny fianarana ka lasa aho nandeha teny “Bazary be” nanao volo sy nividy menaka manitra hahositro ny vatako mba ho an-dRado ra-alina. Dia nody aho avy eo nikarakara vatana sy ny sakafo ary ny rehetra izay mbola tsy vita.

         Nipaika ny tamin’ ny valo hariva efa nanomboka nody ilay masoandro, izaho kosa efa somebiseby ery teo am-piandrasana an-dRado malalako; foiko homena azy ny fahadiovako, vonona aho ny ho azy tanteraka satria tiako loatra izy.

         Nanondro tamin’ ny valo sy dimy ambin’ ny folo minitra ny famataranandro injay nisy nandondona tao ambaravarana, nibitaka tsy nisy ohatr’izany ny foko,

novohaiko ny varavarana, iny i Rado niditra nitondra vonin-draozy menamena midorehitra mba ho ahy, miaraka amin’ ny baoritra iray mifono taratasy mamirapiratra, dia nandroso izy ary tena variana nandinika ahy satria tsy mbola nahita ahy nihaingo toy izao. 

- Rondro mahafatifaty be indry izany! Ary tena manimanitra tokoa hoy izy nibanjina sy naniry sahady ny hikitika ahy.

        Nojereny ny manodidina rehetra fa tena lafatra avokoa, miaraka amin’ ireo labozia mirehitra isankarazany sy ny feon’ilay mozika milantolanto, nodinihiny mafy aho, tsy andriny intsony ka tonga aho dia norohany, izaho koa efa tena nangetaheta mafy ilay molony sy ny orony raha teo, dia nifanoroka izahay.

       Dia avy eo nasaiko izy hisakafo, somary gaga dia gaga ihany izy tamin’ ireo fihetsiko madinidinika, noraisiko tamin’ ny tanako ilay "nêm" nokarakaraiko ho azy, dia natolotro azy teo amin’ ny vavany dia notazoniny ny tanako sady norohany.

           Rehefa lany ny sakafo dia nanasa azy aho ny hankafy ilay mozika milantolanto, fa izaho kosa niditra kely ny trano fidiovana, nitombo tokoa ny fahagagan-dRado amin’ ireo fihetsika mifandimbindimby nataoko, rehafa dify ny trano fidiovana aho dia niditra koa i Rado nanotsam-bava. Rehefa avy nidio sy namboatra tena tao amin’ny « trano fidoovana » aho dia niditra tao an’ efitranoko, dia nentiko nanaraka ahy ilay raozy menamena nomen-dRado dia nalaiko tsirairay ireo felany dia nafafifafiko ny fandriana. Avy eo nanaovako ilay ankanjo mandry manify dia manify mangarahara miloko menamena maha- taratra ilay bikako, dia namonjy nanatona an-dRado aho, dia tsy nahaloam-peo izy nandinika ahy, avy eo notantanako nandroso tao an’efitra izy.

- Rondro hoy izy sao lahy….

          Notapenako tamin’ ny tanako ny vavany dia norohako izy, dia nifanoroka tsy nisy ohatr’ izany izahay dia nitarin- dRado ilay oroka ka nanaraka ny safosafo madinidinika, nangorintsina nahafinaritra ny tenako, nesoriko moramora ny lobany dia nendahiko tsikelikely ny rehetra, nobatainy aho teo ambonin’ ilay fandriana dia tsy nitsahatra ny nanoroka ny vatako iray manontolo izy, izaho kosa efa tsy nahatsiaro izay ambonin’ ny

tany intsony fa toa nitsingevana teny amin’ ilay atao hoe “ lanitra faha-fito” angamba izahay, tsapako nisy afo niredareda tany anatiko tany. Efa henikin’ ny fahasambarana no injay ny feon-dRado henoko mibitsika amiko.

- Rondro, Rondro tia anao aho hoy i Rado tamin’ ny feo milanto sy efa tototr’ ilay fahasambarana koa.

- Rado an! Izaho koa tia anao, aza ajanona hoy aho nankafy

- Rondro malalako sao lahy …………

- Sssshh! Hoy aho niteny taminy satria mamiko loatra ilay fahasambarana vaovao tamiko.

          Dia notohizany ny safosafo sy ireo fanampiny. Dia nobitsihiko moramora teo ampoto-tsofiny manao hoe:

 Rado an! Aza atao marary! Izany an! Tia anao aho sady nifikitra taminy mafy aho.

 

Mbola hitohy!

 

 








(8) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

1 2 3  Manaraka»