IZA MOA HIANAO
Iza moa hianao, ry minia misetrasetra. ´zay miteny farimparina
Ka manonona ny anarako, Amim-peo mamelovalo sady sarotra fantarina,
Ary sahy manao ankaso,ka nanaitra ahy natory, dia nikapoka ny tanako
Tsy mba nihambahamba akory, ka namafifafy rano, dia nandena izany tavako;
Eny! zovy moa hianao, ry mpanao fanahy iniana
Ka sahy misetrasetra ny saiko izay variana?
Iza moa hianao, ry minia miraparapa, toy ny olona torovana
Mamindra maizim-bolana, antsoina tsy mamaly, tsy miraika tsy mivolana
Nefa kosa toa minia mibaiko´zato foko, sy ny nofo tsy matanjaka
Mba hanao Asaramanitra eny anivon-drahona eny, ety atsefatsefan-kabakabaka
Eny! Zovy moa hianao ry mpitosy vahobahotra
Mamindra sasak´alina Amim-pomba tsy matahotra?
Iza moa hianao ry mpisosy mila kisa, Ary faly misahirana
Mikopaka mosoara, sy minia manofa lamba, nefa ery ankodi-mirana
Nony injay arahi-maso, dia miroso ka milefa, toy ny aloka miserana,
Ary zary toa tsy nisy , fa antsoina tsy miraika, eny, tsy azo itenenana
Ka zovy moa hianao, ry mpandeha miselontselona
Tandindona mijoro, sa mba tena olombelona?
Iza moa hianao, ry minia misetrasetra , ka mandeha mamaton´alina
Ary sahy miriaria amin-dakakely hovotra eny amoron-drano lalina
Toa manonona ny anarako, tsy fantatro mazava , toa avelo, toa fanahy
Ka manery izany foko, mba hamboraka aminao ireo karazan´ahiahy
Eny e! Zovy moa ianao ry mpisosy tsy mitsahatra
Ka manorika ny lakana handositra ny zahatra?
Iza moa hianao, ry minia miolonolona, eto an-tany fandalovana,
Toy ny vato izay mijoro eny anivon- dranomamy, tsy handia ny fahalovana
Nefa sahy misetrasetra, ka mandona sy mandrendrika ny lakam-pamory
Amin´ilay fotoana farany, hisintonany ny haratony, tsy hanihany akory!
Eny zovy moa hianao, ry mpisosy te-hialona
Ka sahy mitety ony manonja sy manalona?
Iza moa hianao, izay mamindra tsy manahy sahy manaitra ny mpiambina
Nosintonin-torimaso, f´efa valaka sy ana, sady reraka nibanjina
Ary sahymanavatsava, hanakaiky ny kamory, te- handavo ireo zozoro
Ry mpisosy miverena, fa ny lalana mankany rako- bero sy antsora.
Eny! Zovy moa hianao ry mpanao an-kasomparana?
Iza ka avy aiza ...? Tonony izay anarana
Lala Rosat (Tanamasoandro nº 1577, 11 novambra 1938)