FITIA AN-TSOKOSOKO (FIZARANA VOALOHANY)

 

 

Tovovavy tsotsotra aho na eo amin'ny fihaingo izany na fitafy, eny na dia fomba fiainana aza . Telopolo taona aho izao ary manambady an’i Andry, enin-taona izay no nivadianay, enin-taona nilomanosana tao amin'izany hoe tokantrano izany. lahitokana ny zanakay ary efa dimy taona izy izao. Andry dia mpiasam-panjakana no asany “Mpitandro filaminana “. Noho ny maha olom-panjakana an’i Andry dia matetika izy no voahiraka hiasa any amin’ny faritany ka mahalana ihany izy no tafa-toetra eo aminay mianaka kely, nohon’ny anton’ny asany.


Indray andro ary :

 Riana an! Hoy izy mantsy ahy, voatery hanainga ho any Toamasina aho ny alatsinainy izao ka dia efa homano dieny izao ny fitafiako sy ny kojakoja rehetra e!

 Haharitra hafiriana indray ianao no any ry Andry? Hoy aho efa zatra ity fisarahanay matetika.

 Dia tsy fantatro mihitsy aloha fa mety aharitra iray volana eo ho eo e!

 Andray! Lava loatra kosa izy izany marina, f’angaha dia tsy maintsy hoe ianao foana no mandeha ry Andry an!

 Tsy misy hoe tsy maintsy izaho izany!!! Fa efa izay no izy re ry Riana an!

 Azafady re e! Fa mba te hitoetra eo akaikinao ange izahay mianaka e! Efa ho krismasy koa izao ny andro nefa ity ianao tsy ho eo akory, hoy aho niangoty taminy.

 Aoka re izay e! Aza matahotra ialahy fa tsy maintsy mahita hirika aho amin’io fotoana io, Izaho ve dia hamela anareo mianaka kely irery izany kosa indrindra fa ny andro ho fety.

 Eny e! Ho hita eo izany ary fa hiakatra any en’efitra aho hampirina ny entanao. Andry ô! Hoy aho niangola tsy hiakatra anga ianao e!

 Ary aiza i Benja teo e? Hoy izy somary tsy niraika tamiko.

 Nalain’ny Mama teo izy anikeheo hisakafo any amin-dry zareo hono e! Ho avy ve ianao e?

 Ie ho avy aho ka! Tonga dia ataovy izay mety fa hiakatra aho.

Nikiririoka ny antso an-tariby

 Aoka fa raisiko e! Hoy i Andry mailaka ery handray ilay antso.

 Allô! “"Lieutenant" “Andry ihany ity e!

 Andry an! Izaho ihany e! I Narindra.

 Efa milaza aminao aho fa aza antsotsoina ato an-trano aho sao dia tratra eo ho'aho!

 Ny findainao ange mihidy e! Efa tsy andriko ilay fotoana , eny amin’ilay mahazatra izany mihaona e! Izay ary fa veloma vetivety."Bisous chéri! Je t' aime”

 Fa iza izany ry Andry an! Hoy aho nijery azy mbola miresaka ihany.

 Eny ary "Mon Commandant" ho avy aho izao dia izao.

 Ho avy ahoana koa?? Dia tsy hijanona akory ve ianao e!

 Ka izany ny fiainana miaramila re ry Riana ô! Veloma vetivety ialahy fa ra-alina any mihaona, izany an!

Tsy nanoroka ahy akory i Andry dia lasa , eny e! Tsy maninona! Ilay oroka koa moa efa tsy nahazatra ahy intsony sady izy koa ary efa maika be ery. Iny koa eny i Benja sy i Mama fa tonga.

 Hanatitra an’i Benja kely fotsiny aho dia handeha fa mbola hifoha maraina satria hamonjy vokatra eny ambanivohitra izahay, hoy i Mama mantsy ahy. Ary aiza ity vadin-dry ry Riana?

 Voa antso teo re izy ho any amin’ny Toby hono e!

 Efa ho lava koa ny anareo, mba mailo ranona a! Aiza ve efa ho lava ity fiantsoana ity! Raha tsy "Garde" dia "consigné" sns izay aloha fa lasa aho e!

 Veloma i Benja kely, hoy i Mama.

 Ny an’i Mama koa! Miaramila ange ny vadiko e! Sady mahatoky azy aho no tsy mamitaka ahy izany raha i Andry e!

 Izany anga!!! Tsy fatan-dry moa fa ny lehilahy tsy mba azo hitokisana izany! Ny fahatokisandry azy mihitsy no mampanondrana azy.

 Aoka izany ho any ka! Aza volen’i Mama an'izany ahiahy izany ato an-tsaiko . Tia ahy ny vadiko ary tiako koa, mifankatia izahay.

Dia lasa i Mama avy eo tsy naharesy ny dohikako.Tonga ihany ilay alina fa mbola tsy tonga i Andry! Teo ampiandrasana azy hisakafo aho no indro i Benja kely nanantona ahy:

 Neny a! Hitantarao angano aho fa tsy mahita tory.

 Fa nahoana no tsy mahita tory ny zanako? Inona no tian’i Benja ho tantarain’i Neny?

 I koto be kibo ry Neny an! Ha ha ha! Tiako be ange iny tantara iny e! Ary aiza i Dada ry Neny?

 Mbola miasa re izy e! Mandehana miakatra any an’efitra fa ho avy any aho e!

 Eny ary e! Miandry an’i Neny ary aho an!

 Indray andro hono nisy zazalahy kely, hoy aho nitantara tamin'i Benja, tokony ho teo amin’ny dimy taona teo ho eo dia mampijaly an-dReniny foana isak’alina mba hitantara angano ho azy, Fa tsy mahita tory foana hono izy raha tsy mitantara zavatra aminy ny Reniny …”

 Izany ve ry Neny dia tantara an! Fantatro ange fa izaho izany zazalahy kely izany e! Sady nanoaka ihany i Benja kely no efa madiva ny ho renoky ny tory koa izy.

 Ary ankipio amin’izay ny masonao fa efa alim-be ange ny andro e! Tafandria mandry izany zanak’i Neny izany.

 Tafandria mandry i Neny, hoy i Benja dia nanoroka ahy ity zanako no namihina ahy mafy.

Nodinihiko tsara ilay tenin’i Mama teo, Matetika tokoa i Andry no mivoaka alina dia tsy miverina raha tsy maraina ny andro, dia ho misy sakaizany tokoa ve any ivelany any e! Tsia!!! Tsy mahavita izany ny vadiko atokisako izy. Na ny fotoana hanaovany an’izany ary toa tsy misy akory , an! an! Adaladala koa aho mieritreritra izany.

 Andray! Efa ho amin’ny roa sy sasany maraina ny andro, nefa mbola tsy tonga ihany ity i Andry.

Nivalapatra teo amin’ilay seza lava tao anefitrano fandraisam-bahiny aho no namaky boky dia raiki-tory teo, ny tanan’i Andry efa teo antsoroko nikitika ahy no henoko ka nanaitra ahy, Nodinihiko tsara ny famataran’andro fa efa manondro amin’ny efatra maraina sahady , nojereko ny endriny toa ohatr’ireny efa avy natory ireny.

 Andry ô! Izao ve ialahy vao tonga e! Amin’izay tsy niantso nampilaza akory hoe ho tara vao ho tonga.

 Tsy nisy fotoana niantsoana anao mihitsy e! Fa tena repotra be aho hoy izy mody nanoroka ahy.

 Tsy hisakafo ve ialahy aloha e! Hoy aho nibanjina azy ihany.

 Sakafo inona intsony fa andao hatory amin’izay, ary amin’ny manaraka aza miandry ahy intsony ialahy fa tonga dia matoria. Hitan'ialahy ihany fa ny asanay miaramila ange tsy fantara mihitsy e!

 Eny ary e! Hoy aho nangina tsy nanohy ilay resaka. Namonjy fandriana izahay dia nikisina teny aminy aho no nanafosafo azy ka hoy izy :

 Reraka aho Riana an! Sady nahiliny ny tanako efa nandrakotra azy natodiny taty amiko toy ny mahazatra ny lamosiny. Efa ho iray volana izay no tsy nikitika ahy intsony i Andry.

Nihataka azy moramora koa aho dia namonjy nitodika tany ambadika no nandatsaka ilay ranomasoko tsy voatanako intsony sady nikoriana nanamando ny tavako. Tsy tiako ho henony ny sefosefoko ka notapenako ny lamba firakotra ny vavako no nifokofoko ihany aho. Maraina ny andro dia nifoha aho nikarakara sakafo maraina. Nosasako tamin'ny rano manara ny endriko sao tsikarin’i Andry ny fahoriako sy ity masoko bongo.

 Neny an! Hoy i Benja kely, te hitsangatsangana aho izany e! Maninona raha ho any Ambohimanga isika? Nolazain’i Sendra (naman’i Benja)ahy fa ho entin’i Dadany any hono ry zareo androany.

 Mbola matory i Dada fa rehefa taitra izy dia horesahiko azy izany.

 Dada koa dia tsy hita lava foana, fa maninona izy raha tsy miasa, amin’izay mijanona eto amintsika foana ry Neny an! Hoy i Benja kely tsy mahala izay tontolo iainany akory.

 Tsy maintsy miasa i Dada mba hamelomany antsika ka!

 Izany ve ? Dia izao foana ve ry Neny?? koa raha maninona raha hiaraka amin-dry mama sy dadan’i Sendra isika, sady ry zareo koa ange tsara fanahy be e!

 Ho hita eo re izany ry Benja an! F'andao isika mianaka hisakafo maraina aloha fa i Dada tsy hifoha eo raha tsy ra-atoandro.

Sady nojereko ihany ny endrik’i Benja kely, efa vonton'alahelo izy no efa manganohano ny masony. Ontsa ery ny foko nijery ito zanako .

 Inona ary ity mikonetaka ity e! Sotroy tsara ary ny ditéan’ialahy dia hiomana aho dia handeha isika e!

 Misaotra Neny an! Sady nofihinin’i Benja aho no hoy izy “ Tiako anie i Neny e!

Taratasy no navelako ho an’i Andry milaza fa hivoaka sy hisitaka ny renivohitra izahay mianaka haka rivotra kely. Dia lasa nanaraka an-dry Fanja sy Njara (Ray sy renin’i Sendra) izahay mianaka kely. Nony tonga teny anaty rovan’Ambohimanga izahay dia hoy i Fanja mantsy ahy:

 Raharaha koa aky ny an-dry ity ry Riana!

 Fa nahoana aky ry Fanja??

 Aiza ve aky dia na alahady aza dia tsy hita ity Andry e!

 Koa reraky ny asa aky izy fa aza homena tsiny an! Hoy aho namaly azy sady narahin-kenatra

 Izany tokoa angaha! Aleoko tsy manana aloha toy izay “gendarme" e! ary aleoko tsy misy toy izay “ polisy “ sady nikakakaka izahay mirahavavy.

 Inona ity mampihomehy anareo mirahavavy? Hoy i Njara mantsy anay.

 Tsy misy inona re ry Njara a! Hoy i Fanja vadiny te hiaro ahy.

Tsinjon’i Fanja teny amin’ny endriko ny fahoriako ka naleony nangina tsy nanadihady ahy intsony. Rehefa avy nitsidika ireo efitrano isankarazany izahay rehetra dia namonjy hotely nisakafo, tsy nalatsa-kanina aho fa lasa ihany ny saiko amin’ity resak’i Mama momba an’i Andry. Toa hitako tokoa fa niova be izy tao aorian’ny nahazoanay an’i Benja kely. Izao ve no atao hoe:“fanambadiana” e? Nisosa ny fotoana, ny andro koa moa efa hariva raha teo. Lasa namonjy fodiana izahay rehetra dia nifanao veloma rehefa avy eo. Niditra ny trano aho fa tsy tazako tao intsony i Andry, efitrano mikorotana sy fofon-tsigara mameno trano no nitsena ahy , Nisento sisa no hany nataoko dia nampirina ireo korontana navelany. Injay henoko ny fiarany tonga .

 Dada! Hoy i Benja, fa maninona ho’aho i Dada no tsy mba miaraka aminay sy i Neny foana rehefa alahady e!

 Tena miala tsiny lesy ry Benja fa rehefa tonga avy any Toamasina i Dada dia ho entin’I Dada sy Neny hitsangatsangana any Antsirabe ialahy. Antsirabe hoy aho nisento ilay vohitra nihaonanay sy i Andry. Ilay toerana nahitako ny mamy indrindra, ilay toerana nitsirian'ilay fitiavako voalohany. Tsy nampoiziko ho toy izao lahy ny fiarahanay fahiny, ilay kakakaka sy henjikenjika eran’i Tritriva. Nofinofy sisa izany rehetra izany e! Ny fiainana ve no maha-tonga izao sa ilay fanambadiana mihitsy no mamono fitia e???

 Riana! Tsaroan’ialahy ve ilay tany Tritriva hoy i Andry nitsiky nibanjina ahy.

 Tsaroako hoy aho nitsiky tsy ravo, hay lahy mba tsaroany ihany ilay andro fahiny.

 Neny ,Neny! Henon’i Neny ve izany ? Ho entin’i Dada ho any Antsirabe hono isika.

Rehefa avy nisakafo alina izahay dia nijery vaovao tamin'ny fahita lavitra toy ny mahazatra azy i Andry. Izaho moa namonjy nampianatra an’i Benja tany an’efitranony. Tampoka teo :

 Anjaran’i Dada indray izao no mamaky tantara ho an’i Benja, hoy Andry sady nisintona ilay boky teny an-tanako.

Toa tsy nisy nilain’izy mianaka ahy intsony, Nanoroka an’i Benja aho dia namonjy trano fidiovana dia niakatra teo am-pandriana namaky boky. Iny i Andry toy ny mahazatra namono ilay jiro kely teo anilany dia somary nanoroka ahy, avy eo nitodika nanome lamosina ahy nefa hanainga ho any Toamasina tsy ho hitako intsony mandritry ny iray volana. Ranomaso lava no nandaniako ny alina, tsy tia ahy intsony ny vadiko. Tsy maintsy hiala vao maraina i Andry satria tonga haka azy eo ilay miaramila kely mpamily ny fiarany. Rehafa avy nanomana an’i Benja hianatra aho dia indro i Andry efa vita fiomanana.

 "Mon respect Mon lieutenant" Hoy ity miaramila kely dia nobaikony ilay miaramila nibata ny entany tany anaty fiara.

 Veloma vetivety ianareo mianaka hoy i Andry, sady norohany aho saingy ilay handriko sisa no nahazo ilay oroka fa tsy ilay molotro toy ny fahiny intsony.

Nofihininy mafy i Benja sady hoy izy: Hendre tsara ialahy an!

Dia lasa izy namonjy an’i Toamasina ilay faritra atsinanan’ny Nosy, Izaho sy ny alaheloko kosa no navelany teo. Tonga i Neny Rasoa mpanampy anay hanatitra an’i Benja hianatra, Izaho kosa niakatra nandatsaka ny ranomasoko moramora tao anefitranonay mivady noho ny alaheloko azy be loatra. Asa mba nalahelo ahy ve izy e! Toa fantatro ankehitriny fa tsy tia ahy intsony i Andry, toy ny saribakoly manaingo ny tokantranony sisa aho, tsy misy maminy aminy intsony ny fahitana ahy. Izaho ilay tovovavy fahiny tsy foiny indrindra ilay voninkazo adaladala notsongoiny teny anatin'ny maro. Ankehitriny zara raha maha-dinika ahy izy, na dia manao metimety ary aho dia tsy voadininy intsony. Indrisy!!!

Mbola Hitohy...

(24) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN-TSOKOSOKO (FIZARANA FAHAROA)


>Herinandro izay no nandehanan'i Andry namonjy an'ilay faritra antsinanan'i Nosy. Nandritra izay fotoana izay dia tsy nisy na dia antso iray aza avy any aminy. Asa re mba manao ahoana loatra izany asany izany e! Fa dia hadinony hatramin'ny vady aman-janaka. Izaho moa efa tsy dia hivakiany loha intsony fa i Benja kely zanany no mampalahelo.- -

Neny an! Hoy i Benja, Tandremo i Dada sy Neny sao tsy tonga amin'ilay fetinay any am-pianarana an! Izaho mantsy ilay mpiandry ondry amin'io.

- Tsy maintsy tonga i Neny ka! I Dada mantsy tsy ho afaka fa fantatr'ialahy izy fa mbola any Toamasina hoy aho mantsy an-janako sady nanambitamby azy ihany.

-Tsy maninona ry Neny an! Mahazo milalao kanety any amin'i Sendra ve aho e? Sady nofihininy aho no norohany.

- Mandehana ary dia soloy aloha iny ankanjo fotsin'ialahy iny fa tsy te haheno ny hirahiran'i Neny Rasoa amin'ity loton'ialahy aho rehefa avy eo e! Hoy aho nampitandrina an'i Benja kely amin'ny fitiavany milalao vovoka.

Dia lasa Benja nilalao tany amin-dry Sendra. Izaho kosa tafa-toetra teo amim'ilay seza anoloan'ilay latabatra fanoratako tao an'efitranonay mivady. Lasa teo ny saiko, nanidina sy nirenireny tany amin'i Andry. Navoakako tao anaty vata sarihina ilay namako tsy foiko dia tsy iza fa ilay diariko izay tsy mba nanary ahy tamin'ireo fijaliako. Nandray ny peniko aho dia nanoratra sy namboraka tamin'ilay namako izay mba tao an-tsaiko sy ny nofinofiko.

Ry diariko tsy foiko!

Anio dia tsy androtsaka ilay ranomasom-pahoriako amin'izato takelakao intsony aho ry diary tsy foiko, na hitaraina aminao ireo sentosentoko fahiny, tsy hitantara aminao ihany koa izay nataon'i Andry tamiko.Tsy mba niantso izy na dia arahaba fontsiny aza, izaho koa moa tsy mba afaka niantso azy satria tsy mahazo antso any amin'ilay toerana, izy no nilaza fa hiantso anay hono. Fantatro fa efa nilentika ilay lakam-pitiavanay sy i Andry, tsy fantatro intsony na mbola azo harenina na ho sempotr'ity ony lalina nilomanosanay. Efa niezaka aho ny nanao izay mety taminy nefa indrisy!! Tsy nisy vokany ny fikirizako lany hery aho. Ankehitriny dia mino izay nolazain'i Mama aho. Modiko tsy hita ny fiovany na dia efa fantatro izao ary fa efa ela no niova i Andry, efa niezaka aho ny niresaka mangina taminy fa tsy nohenoiny akory. Ataoko fa efa be loatra izay ranomaso nalatsako teto aminao izay, na ireo takelakao aza efa miforiporitra vonton'ireo ranomasoko. Vonona aho ny hiova, vonona aho ny hitraka. Fahadisoako ve raha manam-pankevitra ny ho olom-baovao aho e! Diso ve aho raha hiezaka hamalifaly ny tenako sy hamerina indray ireo tsikitsikiko nanaingo ireo molotro fahiny! N' iza n'iza hanameloka ahy dia ahy ny fiainako, ho ataoko tsy hisy hahalala ny tsiambarantelontsika ry diariko. Ho zava-tsoa ny ho tantaraiko anao manomboka amin'ilay ora handraisako anao indray. Izay fa hilaozako ianao dia veloma ho amin'ny manaraka indray.

Dia nakatoko moramora ilay diariko avy eo nitraka nijery ilay fitaratra izay nitoetra teo anoloako aho. Tsinjoko fa tena resy tokoa izato endriko, resin'ireo adi-tsaina namely ahy volana maromaro, lava tsy mba nisy endriny intsony ny voloko, toa nilaza tamiko ilay kambana amiko fa mila miova aho, mila mifaly. Nivoaka ny trano aho dia nizotra nankeny analakely mba hijery mpanao volo. Rehefa tonga teo andohanan'analakely aho dia nahatazana toerana fandraisan'olona momban'ny fikarakarana vatana iray, tsy nisalasala aho fa avy hatrany dia niditra. Napetrako teo am-pelantanan'ireo mpikarakara ny tenako tsy nisy fisalasalana. Vita soamantsara ny voloko dia nasian'ireo mpanao volo loko malefaka ny endriko sy ny hohoko mba hanaingo ahy. Sendra nitsofoka tao amin'ny 'Shoprite' teo analakely aho mba hividy mofo mamy ho an'i Benja no injay:

- Riana!! Hoy ilay feo, feo toa tsy vahiny tamin'ny sofiko, nefa feon'iza re? Nitodika aho mba hamantatra izato olona niantso sy nanonona ilay anarako. Akory ny hagagako nahita ito tovolahy misolomaso mainty!!!

- Liva!!! Ianao ve! Hoy aho nandinika azy fatratra sady somary gaga sy menamenatra ihany.

- Riana! Hoy izy sady nendahiny ilay solomaso nanafina ny masony. Firy taona re izay e?

- Folo taona lasa hoy aho nahatsiaro sahady ilay fahiny, sady niverina moramora teny amin'ilay molotro ilay tsikiko niafina tany ambadik'ilay sentosentoko taloha.

- Lalina izany an! Hoy i Liva sady notohizany hoe: "Tsy miova mihintsy ianao izany! Mbola ilay tovovavy tsy nilaozan-tsiky fahiny ihany no eto anoloako. Firy izao ny ankizy?

- Tokana ihany ny vokatra e! Lahy kely vao dimy taona monja. Ary ny ianao mba firy? Hoy aho mba nanontany azy koa.

- Tsy mbola voafatotra aho fa efa eo andalam-pikarohana ilay ho silako e! Na dia izany aza manana vavikely efa mahay sipa aho e1 hahaha, hoy izy nisangy, roa taona izy izao Tiana no anarany.

- Andray! Tsara izany, fa nahoana kosa re! Ary aiza ny renin-janakao no mbola mikaroka e! Hoy aho be fanontaniana sy liana sahady ny te hamantatra ny fianan'i Liva.

-Tsy manam-potoana ny hitaizana zaza hono izy, sady tsy anjaranay koa angamba ny hivady e! Tsy azoko loatra na izany no atao hoe:" lahatra" na inona. Ary ny vadinao?

- Andray!! Dia tena foiny tokoa ve ny sombin'ny ainy e! Miaramila ny vadiko. Loza!! Efa manondro amin'ny roa mbin'ny folo sahady ity ny andro hoy aho taitra. Variana loatra aho nitafa tamin'ny Liva ka tsy tsaroako intsony ny fisosan'ilay fotoana.

- Riana an! Fantatro fa somary maika ianao, nefa afaka ny mbola hihaona ve isika e! Amin'ny asabotsy alina amin'ny valo ora ho avy izao ohatra; mba hiaraka hisakafo isika hoy i Liva sady nofihininy ihany ny tanako.

- Tsy fantatro re ry Liva an! Hoy aho sadaikatra sady nangovitra, tsy mbola nandeha irery nisitaka ny tokatranoko amin'ny alina lavitra an'i Andry aho ka manahirana ahy ny hamaly azy.

- Tsy voatery akory hamaly ahy izao ianao fa ity ny laharan'ny findaiko dia antsoy aho raha afaka ianao, izay an! Sady norohany ny takoloko ilay mandimandin'ireo pomety nahositr'ireo mpiasa tao amin'ilay mpikarakara haingo.

Efa somary tara aho ka nandray fiara karetsaka haingana f'andrao miantso ao an-trano i Andry. Nony tonga aho dia efa vita karakaran'I Neny Rasoa ny latabatra sy ny sakafo.

- Madama! Hoy izy nahita ahy no sady zendan'ny fahagagana, saika tsy fantaro ianao marina!!!

- Neny! Hoy koa i Benja kely nandinika ahy ambony ambany. Tsara tarehy ange i Neny izany e! Sady nofihininy mafy aho

- Mba te hiova aho ry Neny Rasoa an! Tsy hitanao hoe: " mba metimety ve mihoatra ilay teo aloha e!'

- Tena manja be mihintsy ianao amin'izao ry maman'i Benja, ilay teo aloha ianao, tena maina toy ny kitay, izao ianao moa tsy toy ny zana-javatra.

- E, e! Ndao hisakafo ry izy mianaka hoy aho mantsy an'i Neny Rasoa sy Benja kely fa ho boramenan'ny dokadokanareo eto aho.

Hatramin'izao dia tena mbola tsy nisy antso avy any amin'i Andry akory. Tsy andriko izay nandraisako an'ilay namako tao anefitranonay mba hitantarako ny hafaliako nahita indray an'i Liva, Liva ilay namako nitia mangina ahy fahiny. Tsy afaka nitia azy aho satria mbola tsy tamin'izany ny saiko, tsaroako izy ilay niezaka nanakatra ny molotro indray andro izay mba hanoroka ahy. Rahampitso dia ho tonga ilay Asabotsy, ilay fotoana nomen'i Liva ahy hiarahako hisakafo aminy. Ny tanako mangovitra handray ilay antso an-tariby nefa ny foko midobodoboka te hiresaka aminy. Inona no ataoko?

Mbola Hitohy

(15) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN-TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA TELO)


Nangovitra tsy nisy ohatr'izany ny tanako nandray ilay antso an-tariby, notendreko ilay laharan'ny findaian'i Liva.
">

- Allo! Allo! Hoy ny feon'I Liva. Iza kay izao azafady e!

Notapahako tampoka ilay antso satria notsembatsembanin'ilay fitempon'ny foko haingana loatra sy nifanesisesy ny feoko ka tsy nahalaza izay tokony ho ambara. Noraisiko indray avy eo ilay finday dia namerina niantso aho.

- Allo! Allo! Fa iza kay izao azafady e! Mba mitenena moa e! Hoy I Liva

- Liva an! Izaho ihany ity e! Riana e! Hoy aho nangovitra

- Riana! Efa ho andro maromaro aho izay no niandry ny antsonao. Manao ahoana aloha ianao e!

- Salama tsara aho ka! Ianao no manao ahoana?

- Somary nanaintaina mafy ahy ny lohako teo, nefa naheno ilay feonao manga aho dia nisava toy ny tsy narary ahy indray.

- Liva an! Mikasika ilay fotoana nomenao ahy rahampitso no antony niantsoako anao izao.

- Ahoana? Hoy izy nikorapaka no sady efa liana sahady ny ahafantatra izay ho valiteniko. Ho tonga ve ianao e

- Ho tonga aho ka! Saingy ….. Notapahan'i Liva ny teniko sady nitsatsaingoka niteny izy.

- Faly be aho ry Riana an! Izaho no haka anao sa ahoana ny atao?

- Mahasosotra amin'ireo mpifanila vodi-rindrina aminay ny fankanesanao aty an-trano ka aleo aho no hamonjy anao e! Hoy aho kaody sahady amin'ity fihetsiko.

- Tsy maninona ka! Hoy izy atao daholo izay mety aminao e! Any amin'ny "restaurant" ao amin'ny "Hilton" ary aho no miandry anao e! tonony fotsiny ny anaranao dia hatorin'ireo mpiandraikitra ny hefitrano ny toerantsika. 'Hilton" hoy aho an'eritreritra, mbola tsy niditra sy nanitsaka'ireny toerana lehibe ireny ny tongotro.

- Eny ary e! Mety ho eo amin'ny valo eo ho eo aho no higadona any izany e!

- Tsara izany fa dia miandry anao aho izany e!

- Izay fa rahampitso alina izany mihaona, veloma vetivety i Liva.

- Veloma mandram-pihaona i Riana! Bisous be ary e!

Dia notapahana ilay fifandraisanay dia nitsiky kely toy ireny zatovovavy hamonjy "rendez-vous" voalohany ireny no fihevitro ny tenako. Nisosa ny ora sy ny fotoana, nalain'i Mama hatory any amin-dry zareo i Benja kely ny zoma sy sabotsy, nilamindamina aho nandritra ireo fotoana ireo. Ny sabotsy maraina dia namonjy mpanao volo aho mba hanao "coup de peigne" hoy ny teny baiko. Efa elaela ihany aho no tsy nianjaika ka somary sahirankirana kely, indrindra fa hamonjy toerana fisakafoanana lehibe sy mihaja toy izao. Navoakako daholo ireo akanjoko mihaja rehetra nanaingo ny "armoire-ko". Tena tsy hitako izay natao dia voatery niantso an'I Fanja namako aho mba hanampy ahy.

- Andray aky! Tena niova ho mahafatifaty be indry izany, sady notsapatsapain'I Fanja ny voloko. Ary aiza foana i Andry e! Inona aky izato manahirana andry ry Riana an! Hoy i Fanja mantsy ahy.

- Tsy izany aky fa manana "rendez-vous" aho androany alina ka mila tanana amindry e!

- "Rendez-vous galant" izany an! Tantarao aloha e! Haingana fa tena liana aho ny amin'izany. Hoy i Fanja tena liana tokoa.

- Minina eto anatrehako indry ny tsy hamerina ity resantsika roa ity amin'olona indrindra indrindra i Njara vadindry. Hoy aho mantsy an'i Fanja tena hentitra tokoa.

- Tena minina eto an'atrehan'Andriamanitra aho fa tsy hisy ahalala izao dinika hifanaovantsika roa izao e!

- Izao aky an! Nivoaka aho tamin'ity herinandro ity mba hanao volo de nifanena tamin'ilay tovolahy namako fahiny e!

- Izany ve! Hoy i Fanja nitsantsaingoka

- Liva no anarany ary niray sekoly izahay fahiny, nitia ahy izy taloha saingy tsy mbola nieritreritra izany fitiavan'olondroa izany ny saiko e!

- Izany ve! dia ahoana ny manaraka?

- An an! Mandeha ny fotoana ry Fanja an! Ny hijery ny fitafiana ho entiko no hilako andry fa tsy hamerina ny lasako akory e!

- Eny e! Sady mijery ihany ange isika roa no miresaka e! Ity volondavenona ity aky izao no mety an! Sady mifanaraka tsara amin'ny lokondry e! Hoy izy sady mbola nanontany ihany.

- Dia nanao ahoana rehefa avy eo ny fiarahanareo ry Riana? Hoy indray i Fanja.

- K'efa hoe: izaho mbola tsy vonona koa inona indray no tiandry ho lazaiko eo e!

- Dia izay fotsiny ve! Dia tsy nisy zavatra hafa ve!

- Nifanoroka fotsiny izahay tamin'ilay "bal de promo" niarahanay nandihy dia izay ihany, efa ho folo taona lasa aky izay an! Nasainay ry zareo tamin'izay satria izaho teo amin'ny kilasy voalohany tamin'ny ambaratonga faharoa fototra ary izy kilasy famaranana tamin'izay niray sekoly.

- Toa tsaroako koa aky ilay fahiny ry Riana an! Ny nifankahitanay sy Njara taloha.

Raikitra fa ilay akanjo volondavenona somary manifinify mikopakopaka no ho entiko dia mitovy loko amin'izay koa ireo poketra sy kiraro fa somary matroka kokoa mihoatra ilay akanjo. Nafana moa ny andro ka tsy nila nasiana ankanjo matevina taty ivelany afa tsy lamba landy manify mitovy loko amin'ilay akanjo ihany. Loko mifanaraka amin'ilay akanjo no nahositra ny tavako dia notifiriko ranomanitra mitondra ilay anaranan'olona malaza fahiny hoe: "Coco Mademoiselle Chanel" izay fanomezana natolotro ny tenako tamin'ny fahatelopolo taonako ny tendako sy ny lantotanako, somary lafolafo ihany ilay izy saingy te hanana ny soa de niaritra nividy. Niantso fiara-karetsaka aho mba hitondra ahy satria tsy mbola manana fahazoan-dalana mitondra fiara aho. Efa nanondro tamin'ny latsaka fahatelony ny amin'ny valo ora. I Fanja kosa namonjy ny tokatranony avy eo.

Rehefa tonga teo amin'ilay toerana dia niditra aho no somary sadaikatra ihany, olona mihaja sy midoladola no mivezivezy tao, nanantona ilay mpikarakara ny fampadrosoana vahiny aho no hoy ilay rangahy tamiko

- Inona no atao anao izay tompoko!

- Madama Riana tompoko! Saika hi….. Notapahin'ilay mpampandroso olona ny teniko dia hoy izy

- Mandrosoa ianao madama, ery amin'ny latabatra faharoa ny misy anao ary efa miandry eny ny vadinao.

Ny vadiko hoy aho an'eritreritra sady nitsiky aho, izy any angamba tsy misaina akory izay ataoko aty. Akory ny hagagan'I Liva nahita ahy niditra. Nodinihiny ambony ambany aho no nitsiky izy, pataloha volondavenona matroka efa mangalatra ny loko mainty no nanaovany miaraka amin'ny lobaka mena volom-paiso fon'omby sy fehi-tenda mitovy loko aminy saingy somary mamiratra sy mazavazava kokoa. Teo am-pandinihina azy aho no

- Riana kanto anie ianao izany e! Sady norohany ny takolako

-Ianao koa hoy aho lafatra ery.

Nosintonon'ilay seza dia nasainy nipetraka aho dia namonjy nipetraka teo anoloako izy. Efa vitany ny komandy rehetra satria efa tazako teo ambony latabatra ny pitsopitsony rehetra, divay "Vin de Bourgogne Chardonnay" efa nisokatra no tazako teo sy karazandrazam-boanjo maro. Karazan'irony olona ambony sy tafita ary nitsikin'ny vintana irony ny fahitako an'i Liva. Nisosa tsara ny fisakafoanana dia nandeha ny resadresaka sy ny tsiaron'i lasa. Nianatra tany ampitandranomasina hono I Liva hatrizay fotoana maro izay ary tovovavy fotsy hoditra metisy frantsay-malagasy no renin-janany. Manana orinasa lehibe eto an-tananarivo sy any toamasina izy. Nibitaka ny foko naheno ilay "Toamasina"

- Fa misy inona ry Riana? Hoy izy nitsiky nibanjina ahy sady nikitika ihany ny ratsa-tanako.

Injay nisy feonkira milantolanto nandeha dia nitsangana izy nanasa ahy mba handihy. Efa somary resin'ilay divay aho ka tsy menatra intsony nandray ny tanany efa mitsotra handray ny tanako. Dia nandihy teo ampovaoan'ireo olona maro misakafo izahay. Toa misy afo midonaka tany am-poko tany nitraka nibanjina azy ny masoko dia nibanjina ahy koa izy.

- Tsaroanao ve ilay fahiny ry Riana? Ilay ianao nangalariko norohana iny. Tsy mety afaka ato an-tsaiko iny fotoana iny hoy izy sady nibanjina ahy ihany.

- Tadidiko tsara hoy aho niondrika nitsoaka ny masony sy niezaka nanafina ny endriko efa boramena koa. Tsy nitsahatra ny nifampibanjina izahay avy eo

Ho hitanao tsy ho ela ny tohiny

(14) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN- TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA EFATRA)


Riana an! Hoy i Liva sady nibanjina ahy hatrany izy.

Liva! Ahoana izay? Hoy aho tamin'ny feo miangola sy mba nibanjina azy koa.

Tsy toy ny eto an-tany aho amin'izao ora andihizako miaraka aminao izao, toy ny manonofy aho. Tsy nosainiko akory izao fotoana izao, tsy nampoiziko ny nihaona taminao indray hoy izy sady norohany ny ratsako nipetraka teo an-tsorony.

Tsy nampoiziko ihany koa ny nihaona taminao ry Liva, folo taona izay, folo taona nisosa tsy nifankahitana akory na dia indray miserana aza. Izao ve no atao hoe: "kisendransendra sa lahatra e!" "Hoy aho nibanjina sy toa naniry sahady ny ho fihininy mafy"

Asa re ry Riana an! Folo taona no nanofisako anao, folo taona no naniriako ny mbola ho tojo anao. Ankehitriny nihaona isika, nihaona tamin'ny ora tsy nampoizina, dia ho lahatra tokoa ve! Hoy izy sady niezaka nanantona ny molotro ny molony, dia mba nanatona tsy nisalasala ny molony koa ny ahy dia nifanoroka izahay.

Toa nangoritsina tsy nisy ohatr'izany ny tenako. Naharitra teo amin'ny roa minitra ny nifanorohanay dia nahiliko kely izy satria nitamberina tao an-tsaiko tampoka fa hay moa izaho ka efa manan-tompo, efa nahavita sonia teo anatrehan'ny fanjakana sy ny fiangonana, efa vady andefomandrin'i Andry, I Andry ilay vady lazaina fa vadiko nefa tsy naniry ahy intsony. I Andry ilay hoe ho ahy sy hanaja ahy ho mandrakizay nefa tsy nankato ilay teny nifanaovana. Dia ho fahotako ve raha nanoroka an'I Liva aho. Tapitra koa ilay hira ka namonjy ny latabatra nisy anay izahay dia nandray tsindrin-tsakafo no nanohy niresaka.

Azafady ry Riana an! Tsy voabaikoko ny fihetsem-poko ka nanao ireny fihetsika ireny aho. Fantatro fa efa vadin'olona ianao nefa tsy nahasakana ity foko adalam-pitiavana anao izany.

Ankehitriny ry Liva dia toa tia anao koa aho saingy fantatro fa meloka eo anatrehan'ny tany aho, fa sambatra kosa any anatin'ny foko sy ny saiko, koa iza no henoiko?? Ilay foko mitempo fitia ho anao sa ilay hetraketraky ny tany sy ny lalànany?

Asa re ry Riana fa toa tia anao fotsiny aho, tia anao tsy nisalasala sy tsy nametram-panontaniana, fantatro fa maniry ny an'ny hafa aho. Koa iza no ho henoiko? Ilay fidoboky ny foko sa ny lalàna mifehy ny fiarahamonina? Sady tsy nitsahatra nibanjina ahy ihany izy.

Liva an! Tia anao aho, fantatro fa efa nitempo ho anao koa ilay foko fahiny saingy mbola kely sy bitika aho ka natahotra ny herin'ny fitia sy ny vokatra haterany. Koa inona no atao e! Modina tsy hita ve izao manjo antsika izao? Ho meloka ve isika raha mifankatia e! Hanenjika antsika ve ny fiangonana sy ny fanjakana?

Inona tokoa no atao ry Riana an! Hoy izy nandray ny tanako variana nilalao ilay sotro kely avy nihinanako "glace" satria mikorontana loatra ny saiko.

Aleo aloha aho hody ry Liva an! Aleo aho hody sao lahy hitondra antsika ho any amin'ny fakam-panahy izao alina izao e! Ny alina koa hono mitondra fisainana.

Dia nitsangana niala ilay latabatra izahay dia lasa nandoa ny vidi-tsakafonay izy fa izaho kosa namonjy naka trano fidiovana namboatra tena kely sy nijery ilay endriko saika kivy tanteraka.

Aleo ianao hateriko fa efa amin'ny roa ambinifolo alina izao, tsy azoko atao ny mandefa anao irery amin'izao misasak'alina izao hoy izy sady namboatra ilay voloko notsofin'ny rivotra.

Eny ary tsy maninona ka! Hoy aho sady efa matory izay ny manodidina anay ka tsy hisy ahatsikaritra antsika e!

Dia nisosa ilay fiara namakivaky ny arabean'Antananarivo renivohitra satria mbola nentin'I Liva nihodina ny fiarany. Najanonany kely teo Mahamasina ny fiarany alohan'ny hiakaranay eny "Fort voyron" (toerana misy anay).

Riana an! Tia anao aho hoy indray izy.

Liva tia anao koa aho hoy aho sady niantsoraka teny an-tsorony.

Nifamihina mafy izahay dia nifanantona indray ireo molotray nandritry ny minitra vitsivitsy. Dia avy eo niakatra namonjy ny lalana mody izahay. Nony tonga teo am-bavahady dia toy ireo zatovo mpifankatia tsy te hisaraka ireny nefa nohon'ny maha vadin'olona ahy dia nisaraka ihany izahay. Kopakopa-tanana no hany sisa nifanaovanay, nanara-maso an'i Liva sy ny fiarany sisa nataoko mandram-pidifiny ny kihon-dalana. Lasa i liva. Izaho irery sisa no tavela teo, lasa koa aho namonjy ny tokatranoko efa mangatsiaka. Namonjy trano fidiovana aho nanadio ireo loko sisa tavela teny amin'ny endriko sy nandro dia avy eo namonjy fandriana. Tsy nanana fotoana intsony aho nitsidihana ilay namako satria efa alina loatra ny andro. Tsy nitsahatra nisaina sy nandefa vetsovetso tany amin'i Liva aho. Tsy nandalo ny saiko intsony ny fanembonana an'I Andry.

Toamasina

Toerana iray atsinanan'I Toamasina dia I "Fenoarivo". Toerana iray alokalofan'ireo Antafa , sy voahaingon'ireo tora-pasika fotsy mangirana ary ny topatopan'ny ranomasina manga.

Andry an! Toa tsy ho vitako intsony ny hiandry anao ka! Efa ho telo taona izay no niarahantsika nefa toa fampanantenana poakaty no omenao ahy isan'andro isan'andro.

Ny fitiavantsika no zava-dehibe re ry Narindra an! Sarotra amiko ny hisaraka amin'I Riana .

Nahoana kosa e! Inona no maha-sarotra an'izany? Tsy aleonao ve milaza ny marina sy mandao azy, amin'izay samy vita ny aminareo toy izay hamitaka azy toy izao foana e! Herinandro ny asanao aty Toamasina nefa lazainao azy fa iray volana be izao nefa laninao miaraka amiko aty fotsiny. Dia inona no mbola mahasarotra an'izany e!

Fitiavako anao daholo ange izany ry Narindra e! Tia anao aho fa tsy tia an'I Riana intsony izay no zava-dehibe.

Tsy ampy ahy izany ry Andry an! Ny ho vadinao no tiako, ka tapaho ny hevitrao, sady izaho koa efa ho feno dimy ambiroapolo taona ka te hiteraka amin'izay e! Sao lahy ho lany tsiro aminao eto ny fahatanorako e!

Andray koa izany vavanao ry Narindra! Mba fantatrao moa fa nohon'ny fitiavako anao daholo izao lainga fahanako an'I Riana izao e!

Mbola tianao izany izy? Sa inona no dikan'izany teninao izany? Iza koa no mahalala fa mety misy olon-tiany koa any ho any.

Aza miteniteny foana ianao ry Narindra an! Tsy manao an'izany raha ny vadiko. Be ny zava-bitan'I Riana tamiko ka sarotra amiko ny handao azy e! Manenjika ahy ny eritreritro.

Dia izao famitahana azy izao ve aminao no fanafodiny e! Mino aho fa efa fantany ny amintsika.

Ianao anga no nilaza tany?

Koa na tsy nilaza aza aho, tsy paiso akory izy e! Vehivavy aho milaza aminao!

Ka atao ahoana I Benja kely e! I nedala no mampalahelo ahy e!

Izaho vonona ny ho reniny e! Sa mbola kely izy ka ny reniny no mahazo ny "garde"?

Moramora aminao marina izy izany e! Tsy anao tokoa ny lelo ka hainao ny manisina azy.

Eny e! tsy maninona tia aho ka miandry e!

Aoka izay moa ry malala an! Tiako anie ialahy e! Aza matahotra fa tsy maintsy tafaraka isika. Efa ho tapa-bolana izay mbola tsy niantso aho, afa-baraka mihitsy. Ampahatsahivo ahy rahampitso maraina ny hiantso an'I Riana an!

Eny e! Dia ahoana ny fandaharam-potoana rahampitso e! Ho aiza isika? Ndao hitsangatsangana e!

Eny ary e! Ndao ary aloha hatory fa efa haraina ny andro, ataontsika izay mety e! Tafandria mandry aloha ialahy dia etsy horohako izany malalako izany.

Ny anao koa izany foana, andao ary hatory e! "Bonne nuit" ny malalako.

Antananarivo

Nikiririoka ny antso an-tariby, taitra nitsamboatra teo am-pandriana aho, dia noraisiko haingana ilay antso avy eo.

Allo!

Allo! Izaho ihany ity ry Riana an!

Andry! Izao ve ianao vao miantso e! Tsy ao an-tsainao mihitsy mantsy fa manan-janaka kely anie ianao e! Dia rahoviana ianao no mody? Hoy aho mantsy an'i Andry tezitra taminy.

Na dia satriko aza izy hijanona any ihany, dia tia tena loatra aho satria mba malahelo sy mangoraka ilay zanako ny foko tsy mahita an-dRainy.

Ary aiza i lery e! Te hiresaka aminy aho izany

Raha nilaza tamiko mialoha ianao fa hiantso dia mba notazoniko teto amiko izy.

Fa nankaiza izy e! Hoy izy nitrerona ahy.

Lasa any amin-dry Mama izy e!

Mampamangy any aminy any izany fa hiantso aho rehefa iny malalaka iny e! Izay fa veloma e!

Tapaka ilay antso avy eo, folo minitra taty ahoriana, injay naneno indray ilay antso. Noheveriko I Andry indray dia tsy rototra aho, naneno nikikika fanin-telony vao noraisiko.

Allo!

Riana an! I Liva ihany ity e! Manao ahoana ianao? Nahita tory tsara ve!

Liva! Hay ianao! Faly be aho maheno ilay feonao indray, nahita tory tsara aho ka! Sady nanofy anao, ary ianao ve mba nanonofy ahy?

Nahita tsara ka! Tsy nety afaka tato an-tsofiko ilay feonao manga iny e! nanonofy antsika aho alina.

Tantarao hoe: "Taiza isika?"

Nihaona hono isika teny amin'ny habakabaka teny dia nanao akanjo fotsy hono ianao, nihazakazaka namonjy ahy efa niandry anao teny.

Tampoka teo niditra i Mama sy i Benja kely dia nakarapoko tampoka ilay antso.

Dada ve ilay niresaka tamin'I Neny teo e! hoy I Benja.

Tsy niteny aho tsy nivolana fa tampoka tamiko loatra ny fiavian'izy mianaka satria efa manana fanalahidin'ny tranonay i Mama ka tonga dia niditra. Tsinjon'i Mama teny amin'ny endriko ny famahinako ka hoy izy:

Iza ilay niresaka tamin-dry teo ry Riana??

Mbola hitohy

(16) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

FITIA AN- TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA DIMY)

Toamasina

Takariva somambisamby efa mody masoandro, mitopatopa ny ranomasim-be an'ny Fenoarivo antsinana, eny ho eny anefa, amorin'ilay tora-pasika mangirana sy midadasika. 

- Narindra an! Tiako enao nefa tsy sahiko ny hilaza amin'i Riana ny ato an-tsaiko. Izaho aloha dia mino fa ho voaraoka amin'ny asako, ary tsy maintsy ho tonga any amin'ny Riana ireo lehibe raha tsy miseho any amin'ny toby aho amin'ny herinandro ambony, satria "permission" herinandro ihany no azoko. Hoy i Andry efa matahotra izay hiseho.

- Tsy olana ny amin'izany e! Mahita fika tsara mihitsy aho ny momba izany ry Andry an! Nefa alohan'izany dia manaiky ve ianao fa hiaraka foana isika. Hiaraka toy ny mpivady rehetra e!

- Dia ataoko aiza ny vady aman-janako ary e!

- Mbola tianao ve aloha i Riana e!

- Renin-janako anie izy e!

- Fantatro izany e! Izaho koa anie ho renin-janakao tsy ho ela e! Sao ianao mihevitra fa hijanona amin'izao fotsiny aho mantsy.

- Sarotra be marina e! Tena sarotra Narindra an! Vaky ny saiko e! Inona no ataoko amin'izany?

- Izao ary ny fika hitako ry Andry fa mety an! Afaro ho tonga aty toamasina izy mianaka.

- Ianao sao dia mivadika ati-doha e! An'inona aty ry zareo?

- Mino aho fa tsy maintsy handefa telegrama ho an'I Riana ny lehibenareo. Tsy maintsy ho fantatry Riana ny marina rehetra. Koa izao no izy: "Miala tsy ho zandary intsony ianao"

- Ahoana hoe:" ry Narindra an!" Hiala tsy ho zandary??? Ary ianao sao dia misy fahavoazana, inona ny hivelomantsika sy hamelomako ny vady aman-janako e!

- Manomboka izao, dia izaho Narindra no ho vadinao. Na!! Ianao hiaraka amiko, Na!! Ho tantaraiko an'i Riana daholo ny momba antsika sy ny nanodikodinanao ny volanareo tany amin'ny banky.

- Narindra an! Efa tsy rariny intsony kosa izany ataonao izany e! Modianao tsy fantatra anga fa nomeko anao daholo ange ny ampahany amin'ireny vola be ireny e! Koa raha ho aty toamasina izy nefa dia ahoana? Inona ny atao?

- Fantatro fa mamapalahelo anao ny zanakao ka izao! Ho tonga aty izy mba hanao veloma anao farany. Hoy i Narindra tena mahatoky ny tenany. 

- Farany amin'ny ahoana ry Narindra an! Tsy azoko ny tianao ahantongavana! Hazavao ny teninao fa tena miezaka ny ho ao aho nefa tsy ao.

- Manomboka anio dia tsy ho "Lieutnant" Andry intsony no hiantsoana anao.

- Fa ahoana e! Ary iza??? Hoy I Andry tafantsangana.

- Izao aloha e! Antsoy izy mianaka dia aza manahy ianao ny amin'ny manaraka fa efa milamina ny resaka rehetra.

- Izany hoe efa nomaninao hatramin'ny ela izany izao resaka hifanaovantsika izao.

- Marina izany, tsy maintsy mandinika ny ho aviko koa aho fa tsy ho lalaovinao amin'izao fotsiny. Efa niresaka izahay sy I Papa fa ianao no hitantanana ny orinasa.

- Dia ahoana izany e! Dia ho afoiko izany ny zanako??

- Raha tianao aho dia tsy maintsy manaraka ny teniko ianao ry Andry an!

- Narindra an! Tsy rariny kosa izany e! Ataoko ahoana ny handao an'i Riana sy i Benja keliko e!

- Aza matahotra ianao ny momba izany e! Tsy ho very tsy ho zanakao anie izy e! Fa saingy tsy ho tezainao fotsiny. Atao izay hitiavany anao amin'ny ora vitsy, tambatambazanao tsara izy ary ataonao tsara zay hangalanao ny fony dia avy eo maty ianao.

- Maty ahoana! Hoy Andry mbola fanina amin'ny tetik'i Narindra. Tsy azoko mihitsy. Vao maika aho fanina tanteraka ry Narindra!!!

- Tantara an-tsehatra anie izany ry Andry e! Ianao koa sarotra mahazo zavatra marina.

- Mangataka fanazavana matotra aminao aho ry Narindra fa tena tsy azoko mihintsy marina e!

Antananarivo

Teo am-piresahana an'i Liva aho no indro niditra tampoka izy mianaka. Taitra tampoka aho noho izany ka notapahiko tsy nahy ilay antso. 

- Iza ilay niresaka tamin-dry teo retsy ry Riana?? Hoy i Mama 

- Niresaka tamin'i Andry aho teo ry Mama an! Hoy aho nandainga taminy.

- Mahagaga ahy mantsy ity fihetsik'indry koa.

- Naninona koa izao ny fihetsiko teo? Hoy aho niezaka nanafina tamin'ny Mama ny zava-misy. 

- Neny dia ahoana hoy i Dada? Dia rahoviana hono izy no ho tonga? Hoy I Benja kely nalahelo mafy an-dRainy.

- Tsy afaka hanatrika ny kilalaoan'ialahy i Dada, fa mety ho tonga hono izy tsy ho ela e! Hoy aho niezaka tsy nanakivy ity sombin'ny aiko. 

- Andray ry Neny! Dia tsy ho ahita ahy izany i Dada amin'ilay fetinay any am-pianarana. Hoy i Benja kely sady nifokofoko nanantona ahy izy. 

- Aoka izay moa e! Hoy i aho niezaka nanambitamby an'i Benja kely. 

- Noheveriko fa rahariva ange ianareo mianaka vao ho tonga ry Mama e! Fa misy inona tokoa?

- Tsy maintsy nanatitra an'I Benja aloha aho ry Riana fa misy fahoriana tsy maintsy ho vonjeko androany hariva e!

- Eny ary e! Dia misaotra betsaka ary dia mamangy ny fahoriana amin'izany namanao izany.

- Izay retsy fa aleo aloha aho handeha fa somary mamaika ihany e!

Dia lasa i Mama nandeha, fa izahay sy i Benja kely kosa nikasa ny hivoaka hisakafo tany ivelany. Tampoka teo anefa nikiririoka indray ilay antso mbola teny an-tanako. Tahaka ny hoe fantany fa ho lasa I Mama. 

- Allo!

- Allo! Riana an! Liva ihany ity e! Toa tapaka ilay antso teo dia niandry aho toa tsy nisy tohiny dia namerina indray e! Sao dia manelingelina anao aloha?

-  Azafady re ry Liva an! Tonga tampoka i Mama sy i Benjakely zanako dia notapahako tampoka.

- Afaka hiaraka hisakafo aminay mianaka ve ianareo mianaka? amin'izay koa mba mifankahalala tsara isika e!

- Sao manahirana izany ry Liva an! Hoy aho sadaikatra. 

- Tsy misy olana raha ny amiko aloha.

- Eny ary e! Aiza ny fotoana?

- Tsenaiko eo Mahamasina ianareo dia hisitaka kely ny renivohitra isika!

- Eny ary e! Izao dia izao izahay dia hiomana dia lasa e! Veloma vetivety i Liva. Ba betsaka.

Nisosa ilay minitra niomananay sy Benja kely dia lasa namonjy an'ny Mahamasina izahay. Indro i Liva miaraka amin'ilay tovovavy kely miendrim-bazaha. 

Mbola hitohy...
 

 

 

(13) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

1 2 3  Manaraka»