« Mialoha | Manaraka»

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ VOALOHANY SY FAHAROA)

         

 

Toliara! Ilay faritany atsimon' ny Nosy. Tany no nisehoan' ity tantara ity ry namana isany. 17 taona aho ary teo amin’ ny kilasy famaranana no nisy ahy.

Tsy mbola nahalala akory izany atao hoe fitiavan’ olon-droa sy izany hoe: “firaisana ara- nofo” izany ny tenako. Tao amin’ ny ” lycée Roland Botokeky” aho no nianatra, ary  sokajy “D” no nisy ahy.Rehefa eo amin’ ny kilasim-panadinana toy izao dia matetika  manao “cours” ny ankizy mba hampitomboina na hanamafisana  ny efa hay, ka anisan' ny nanao izany aho.

Volana oktobra ny andro, ka somebiseby daholo ny iray sekoly fa taom-pianarana vaovao. Tao ny nifampidera ny lamaody vaovao, tao koa ny nifanankalo izay niseho nandritry ny fotoam-pialantsasatra, fa izaho kosa dia hafa mihitsy no niseho teo amin’ny fiainako.

 Indro nisy tovolahy iray ranjanana nandona ahy, ka latsaka tery amin’ny tany ilay“classeur” fitondrako ka niparitaka daholo izay tao anatiny.

 - Andray! Hoy aho f'angaha dia maika loatra no toa mandona mafy be ery ianareo e! Sady niondrika aho no nandroaka ireo entana latsaka.

 - Miala tsiny indrindra raha naha-voadona anao, tsy fanahiniko ilay izy teo! Hoy izy.  

          Nitraka aho avy eo dia nifanojo ny masonay, toa nisy paingotra nanindrona ny foko, nidoboka mafy tsy nisy ohatr’izany izy avy eo, tsy nahaloam-peo aho fa nangovitra mafy.

- Tsy maninona ka! Hoy aho mantsy azy sady nanampy ahy izy nandroaka ireo entana latsaka, no sady natolony ahy ny tanany.

- Mitsangana amin' izay ary ianao e! Dia mbola mialatsiny indray. Rado no anarako hoy izy sady tsy nitsahatra nibanjina ahy ny masony.

Tsy nahaloa-peo aho fa ny endriny no voadiniko mafy. Tovolahy ranjanana izy no sady fotsy fihodirana, milantolanto ery ny feony, ka izay no nahababo ity foko adalada.

- Ary toa variana be ianao! F’iza no anaranao? Hoy izy

- Rondro no anarako hoy aho tena efa babo tokoa.

- Dia faly mahalala an' i Rondro ary e! Izany ny tenako hoy izy nitsiky sady nijery ahy ihany.

Tampoka teo anefa dia naneno ny lakolasy, lasa izy dify tsy tazako intsony. Nihazakazaka mafy avokoa ny ankizy hamonjy ny fanaganan-tsaina, satria fidirana ny andro, niherikerika ihany aho nanara-maso azy nefa tsy hitako izy. Tonga tao an-tsekoly aho avy eo dia mbola nitodika teny ambaravarankely ihany nitazana azy saingy tsy nisy akory izay mba alokalony niserana. Nitsiky vendrana aho no niteny irery hoe: “adala angaha ity izaho”.

Efa nangina ny lakilasy, samy efa somebiseby avokoa ny ankizy rehetra. Dia indro nisy tovolahy iray niditra ny fianarana manao bolozy fotsy niteny hoe:

- Izaho no mpampianatra Malagasy anareo! Ramose Rado hoy ity tovolahy sady nitsiky izy.

Taitra mafy aho nahita azy sy nahare ilay feony ary ilay anarany, ka nibanjina azy mafy aho no nilaza mangingina an’ eritreritra hoe: “tena i Rado tokoa, Rado hoy aho Ramose!

Nodomin'ilay tovovavy teo akaikiko aho vao tonga saina sady hoy izy hoe:

 - “Bogosy” aky Ramose Rado izany an! Sady nodinihany aho

 - Eny tokoa retsy hoy aho nitsiky tsy ravina naheno ity tovovavy sady mba nibanjina azy koa.

Ilay tovovavy teo anilako dia karazan'irony tovovavy jefijefy irony, ilay mampiherika tovolahy maro eny an-dalana. “Sexy” hoy ny fitenin-jatovo. Fa izaho kosa dia zazavavy tsotra dia tsotra na ny fihaingoko aza. Zarazara hoditra aho tsy fotsy be nefa tsy dia manga koa, lava mandady manaraka ny lamosiko ny voloko, tsy dia fohy aho nefa tsy dia diso lava loatra koa.

- Laingo! Aky no anarako, ary ny andry mba iza? Hoy ilay tovovavy mantsy ahy

- Rondro hoy aho namaly azy sady mbola nitsikitsiky ihany aho,

- Faly mahafantara andry aky aho ry Rondro an! Hoy ity tovovavy sady nadinika ny fitafiako izy.

- Faly mahalala andry koa aho ry Laingo hoy koa aho mba namaly azy.

Tampoka teo, iny i Rado nanantona anay, i Ramose Rado mantsy e! Dia nibitaka tsy nisy ohatr’izany i Laingo, dia mody nalatsany ilay penina teny an-tanany, niondrika i Ramose naka sy nanolotra azy ilay izy, ka hoy izy miaraka amin’ ny ilay feo miangoty manao hoe:

- "Merci Monsieur Rado!"

Nitsiky Ramose nijery azy, izaho kosa menamenatra sy nivoara-mena sady tsy voabaikiko intsony ity fidobok' ity foko ka niezaka aho ny ho tony tsara mba tsy hisy hatsikaritra ny fihetsiko.  

- Miangavy antsika rehetra aho hoy Ramose hameno “fiche” dia samy milaza izay mombamomba azy avy ny tsirairay, dia lazalazao hoe inona no antony nisafidiananareo ity sokajy “D” ity. Rehefa vita dia azonareo hapetraka ery amin’ny biraoko ery.

Tsy sahy nijery azy aho fa naondriko ny lohako sao tsikariny hoe mandinika azy be loatra, moa i Laingo koa tsy mitsahatra ny manompy tsiky any aminy ihany, dia efa nampionon-tena aho fa toa ho resin'i kala Laingo, izy tena dadany raha amin’ny fihetsika rehetra.

Vita ilay“fiche” ka samy tokony ho nanatitra ny azy avy teny amin' ny biraon-dramose daholo, nefa i Laingo nitsangana nanao “volontaire” mba hangorina ilay izy no nanao hoe

- Aleo ahoriko Ramose an! Amin’ izay mba tsy manahirana anao eo amin’ny korontana rehefa avy eo.

Moa tsy nihomehy daholo ny iray lakilasy, izaho koa mody nihomehy tsy fidiny.

- Vita ny androany aloha hoy i Ramose ka amin’ny alarobia indray mihaona.

 Samy nangorina ny entany avy ny ankizy rehetra dia avy eo nitsoriaka namonjy fodiana; torak' izany koa aho, fa i Laingo kosa tazako namonjy an-dramose fa dia tsy haiko aloha izay nolazainy teo. Dia lasa ny lalako no nizorako fa toa tsy hisy fanantenana ny momba an-dRamose fa ny any Laingo no lasa aloha.

 

 

 



 















(0) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Hevitra 0 "RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ VOALOHANY SY FAHAROA)"