RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHATELO )

Efa manomboka nirifatra daholo ny mpianatra, izaho kosa mbola variana tany amin' ny trano fidiovana, dia avy eo aho nizotra namonjy ny vavahady handray ny lalana mody. Ny andro koa somary midanika raha-teo, ka naleoko nifindra tery amin’ ny ilan-dalana namonjy aloka.Injay nisy feo miantso mafy ahy
- Rondro! Rondro!
Nitodika aho, sady gaga nahita an-dRamose, nitsiky tampoka ny molotro ilay efa kivy teo iny, nijanona aho dia niampita namonjy ahy izy avy eo.
- Fa aiza indry no mody? Hoy izy nitsikitsiky nijery ahy.
- Eny Mahavatse (anaran- tanana ao Toliara) hoy aho somary menamenatra sady niondrika niafina ny tavany.
- Lalako koa iny, any ho any koa aho no mipetraka. Manana posiposy mpanatitra aho ka raha sitrak' i Rondro dia ndao hiaraka amiko fa lalana iray ihany no iraisan-tsika hoy izy mila toky.
Nidobodoboka tsy nisy ohatr' izany ny ambavafoko, nanaiky aho satria toa tiako izany ny hiara-dalana aminy.
- Raha sitrakao Ramose, dia tsy maninona, fa hanaraka anao aho hoy aho nitsiky
- Nahoana no tsy ho sitrako e! Indrindra miaraka amin’ny tovovavy kely tsara tarehy toa anao izao e! Hoy izy sady nosafoiny kely ny voloko.
Saika hilaza aho hoe " ary i Laingo” angaha tsy mba tsara aminao? Nefa najanoko satria efa izaho izao no nisafidiany iharahana amin’ny posiposy fa tsy i Laingo. Dia nizotra soa amantsara ny lalanay, samy tsy nisy nahitana teny izahay. Nony tonga teny antsasa-dalana anefa dia hoy izy:
- Bedy ve indry raha mba mijanona kely isika hisotro ranom-boankazo? Fa midanika loatra izany andro izany.
- Tsy bedy aho sady ny nirava aloha androany nefa tsy hisy olona hibedy ahy akory eo, ny Ray aman-dReniko dia mipetraka any Sakaraha ( faritra iray hita ao amin’ ny faritanin’i Toliara) hoy aho maniry ny ho eny anilany foana.
Dia nobaikon- dRado ilay mpitari-posy dia niditra tao amin’ilay trano fisotroana ranom-boankazo izahay, nandray latabatra iray izy dia norosoiny seza aho. Tena faly tena faly ny foko sady tsy niala teny amin’ny endriko intsony ilay tsikiko.
- Mahafinaritra ahy indry ry Rondro hoy izy mantsy ahy, iza no hipetrahandry eny Mahavatsy?
- Mipetraka eny amin’ny “cite”n' ny mpianatra eny amoron-dranomasina aho, fa ny Ray sy Reniko eny Ambanivolo any Sakaraha.
- Hay va re! Hoy izy toa falifaly satria tsy eo i Dada sy i Neny hibaiko izay ho ataoko angamba ny ao an-tsainy.
- Ary i Ramose? Tena mipetraka eto ve sa ahoana? Hoy aho mba nanontany azy koa sady narahin-kenatra.
- Voatendry hiasa eto fotsiny aho ka, fa any Antsirabe no misy ahy hoy izy sady nibanjina ahy hatrany.
Tazako nisy peratra ny tanany ka tsy naharitra aho ka nanontany hoe:
- Any avokoa izany ny vady aman-janakao?
- Angaha efa miendrik'olona efa vady sy ray aho ry Rondro?” hoy izy nitsiky kely.
- Tsia! Hoy aho fa tazako mantsy ny peratra eny an-tananao ka izay no nanontaniako. Azafady raha diso fipetraka ny fanontaniako tompoko!
- Hay ve e! Liana kely koa indry izany an! Sady notsongoiny ny takolako.
Izaho kosa dia nivoara-mena toy ny voatabia sady menatra be no nitsiky koa.
- Azafady tompoko!
- Tsy misy tsiny akia! Tsy mbola manam-bady aho fa peratr’i Dada ity no nomeny ahy alohan' ny nahafatesany ka dia tsy niala tety an-tanako intsony hoy izy nahatsiaro an-dRainy.
Nientana moramora ny foko, sady nilaza mangina tao an'eritreritro aho hoe: “mety misy fanantenana izany ny amiko” ka hiady aho tsy ho lasan' i Laingo i Ramose; dia norosoan' ilay tovovavy mpandroso sakafo ilay ranom-boasary makirana izahay rehefa avy nikomandy izy. Dia avy eo niveriana teny anaty posiposy nanohy ny dia. Tsinjoko ny tranoko ka hoy aho:
- Eto aho no mody Ramose an! Ka misaotra indrindra amin’ny fahatsaranao.
- Tsy misy fisaorana hoy izy sady nosafoiny indray ny takolako.
- Tsy handroso ve i Ramose? Hoy aho tamin’ny feo sadaikatra.
- Tsy androany aky ry Rondro an! Fa aleo ho zokin' ny any ahoriana. Hilaozako ary indry.
Dia noraisiny ny tanako dia norohany indray ny takolako.
- Veloma i Rondro hoy izy mbola velon-tsiky ihany sady mbola nanompy maso ahy farany.
Dia lasa ilay posiposy . izaho kosa dia tafajanona teo amin’ ilay toerana sady nanara-maso azy ihany, nitodika tampoka izy dia nitsiky no nahofahofany ny tanany, mba nasaiko nanifika koa ny ahy. Dia lasa aho nody nikarakara sakafo atoandro avy eo.
Tsy niala tao an-tsaiko intsony ny endriny sy ilay feony, toa verivery dia aho tsy nisaraka tao ambavako ireo kalokalon’ ireo mpifankatia nandritry ny ora vitsivitsy. Raiki-pitia aho.
(0) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra



