RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA DIMY )

Volana
vitsivitsy taty ahoriana, efa manatona koa ny fotoam- panadinana, dia indray
alina tsikaritry i Laingo izahay sy i Rado nifampitantana teny amoron-
dranomasina toy ilay fanaonay, dia avy hatrany izy tonga dia nanantona tsy nisy
henatra sady nikikiaka mafy nanao hoe:
- Joko tsoriaka indry ity ry
Rondro an! Efa fantandry fa tiako i Ramose dia nahodindry indray, hitako moa
indry mahazo noty be foana kay ao raha. Lehilahy tsy vanona koa raha ianao ry
Ramose hoy indray izy.
Taitra tampoka i Rado ka nasainy nifindra
toerana tao ahoriany aho, fa tena efa nirehatry ny fialonana i Laingo, soa
ihany fa tsy nisy nahatsikaritra fa saika nitangoronan’ny olona teo izahay.
- Fa inona ity ataonao ry Laingo? Hoy
i Rado somary gaga tamin’ ity fihetsiny.
- Modianao tsy tadidy angaha fa
miaraka isika hoy i Laingo mantsy an-dRado sady ohatr’ ireny niaraka ireny
tokoa ry zareo.
Torak’ ovitra aho naheno ilay feo ka
ohatry ny fanimpanina kely izany
- Inona izany lazainy ry Rado? Hoy
aho mantsy azy, nahiratro nibanjina azy tsara ny masoko.
- Aza manahy ianao ry Rondro fa na
izaho ary tsy mahalala izay nolazainy akory hoy i Rado ketraka.
Avy hatrany dia niantsampy teny an-tsorik’i
Rado i Laingo sady norohany izy. Tezitra noho izany aho ka lasa nirifatra nody
sady latsaka ny ranomasoko no kivy tanteraka koa.
- Rondro! Rondro! Hoy i Rado
miverena ianao e! Lainga noforon’ i Laingo daholo izany rehetra izany.
- Avelao izy ho any Rado an! Hoy i
Laingo, fa izaho eto akaikinao eto no tiavina sady izaho koa ange ka tia anao
e!
Nahifik’i Rado ny tanan’i Laingo, ka hoy izy
-
Inona izao ry Laingo no nahatonga anao nanao ireny fihetsika ireny?
- Ka tiako ianao ry Ramose an! Hoy
indray i Laingo misisika ihany.
- Tsy tia anao aho fa i Rondro no
tiako ka aza averina amiko intsony izao fihetsikao izao ary mandehana ianao fa
hamonjy an’i Rondro aho hoy i Rado efa tezitra mafy tamin’ i Laingo.
- Ho hitanao tsara ny valin’izay ry Ramose fa tsy hataoko vita mora
akory, tadidio fa na ho ela na ho aingana tsy maintsy miaraka isika.
Dia lasa i Rado namonjy ahy. Izaho kosa efa tao an-trano, nitomany mafy aho tsy
tanako intsony ny ranomasoko fa niboiboika nanaraka ny tavako manontolo, sniff,
sniff, Rado! Dia sahinao ve ny nampijaly sahady ity foko e! Sniff sniff, mbola
nisefosefon’ny tomany ihany. Injay nisy nandondona mafy tao ambaravarana.
- Rondro an! Rondro an! Vohay
re aho e! Hoy izy.
Tsy
namoha azy aho fa mbola nifokofoko foana, tsy mitsahatra ny mikikika anefa i
Rado.
- Rondro ô! Mba voahay moa e! Tiako
anie ianao e! Resaky ny adala ny an’ i Laingo.
Farany novohaiko ny varavarana sady nandinika
azy tamin’ ny maso mena feno hatezerana aho.
- Rondro malalako hoy i Rado
tsy niaraka tamin’ i Laingo izany aho, fa noforonony avokoa ireny resaka ireny.
- Koa raha tsy niaraka ve
ianareo ho sahy anao ireny fihetsika ireny izy e! Hoy aho mbola nifokofoko
ihany sady sosotra.
- Tsia ry Rondro ô! Tsy niaraka taminy
aho ho’aho. Inona no ataoko mba hinoanao fa tsy nisy ninon’inona teo aminay sy
i Laingo e!
- Naninona koa nefa ianao tsy
nandeha natory tany aminy fa tsy nankaty amiko! Izy ange efa mazotoa ny hiaraka
aminao e! Fa izaho mbola tsy vonona e! Hoy aho sady mbola nitomany ihany sniff
sniff.
- Rondro! Ianao no tiako, ianao no
nofidiko, tsy mbola nikitika an’ i Laingo aho na indray mandeha aza, fa izy no
nisary adala tamiko hoy i Rado niezaka ny nanadio tenany.
- Dia nanaiky ianao? Hoy
indray aho te haka toky satria efa fantaro fa tsy niaraka tokoa ry zareo fa mba
namilafila kely aloha aho.
- Tsy nanaiky aho re e! Ianao no
tiako, hikikiaka eran’ny vazan- tany ve aho, hanambara aminao fa ianao no
tiako? Dia nivoaka ny varavarana i Rado sady nikikiaka mafy hoe:
- “HENOY RY TANY AMAN-DANITRA FA TIAKO I RONDRO”
Nosontoniko ny tanan-dRado niditra fa mitady
hivory ny vahoaka naheno ilay feony, dia avy hatrany dia norohako izy, satria
fantatro fa tena tia ahy tokoa.
- Rado ô! Fantatrao moa fa tena
tia anao aho e! Dia hoy i Rado sady namafa ny ranomasoko teny amin’ny tavako.
- Aoka izay ry Rondro
malalako! Matokisa ahy fa tena tia anao tokoa ny foko “Tia anao marina aho”.
Dia nifanoroka izahay avy eo dia nanatitra an-dRado
teny ambaravarana aho ka nilaza taminy hoe:
- "Rado ô!
Vonona aho ny ho anao tanteraka”. Tena vonona aho
Efa herin’ andro sisa dia hitsingerina ny daty fankalazana ny andro nahaterahako.
- Vonona ny amin’ inona ianao ry Rondro? Hoy i Rado mantsy ahy sady gaga dia gaga tokoa.
- Fetiko amin’ny asabotsy ka manasa
anao aho ny alina hiara-hifaly amiko hoy aho sady namerina ilay tsiky teny
amin’ ny tavako indray.
- Hay ve! Hoy i Rado tsy ho adinoko
ka! Dia inona no ataoko amin’ izany?
- Tsy mitondra ninon’inona ianao hoy
aho fa ny tenanao tonga eto no hilaiko, izany an! Sady niatsampy teny aminy
indray aho.
- Eny ary e! Inona anefa ny
fanomezana tianao? Hoy i Rado.
- Izay tianao dia tiako avokoa. Na
tsy hitondra aza ianao dia hataoko mahampy ahy ny tenanao dia nifamihina izahay
dia lasa izy.
(6) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra




cece said:
18/06/2009, at 06:05 [ Valio ]
mbola hafa ihany ny mamaky tantara amin'ny teny malagasy, mankasitraka an'i maeva74 !
Patty said:
16/06/2009, at 16:05 [ Valio ]
Nanokana fotoana mihintsy aho namaky ilay tantara fa mahafinaritra efa ela no tsy nihaino dia nankafy tokoa. mahereza ry Maeva74
mmmhh said:
16/06/2009, at 04:37 [ Valio ]
Mankasitraka e,
Dia miandry ny tohiny ndray zany koa,
Mahay ianao ka,
Mahefa said: Tiako ilay fomba fanoratra
16/06/2009, at 04:12 [ Valio ]
Mankasitraka anao maeva74, fa hainao ny mandangolango ilay tantara toa taratra @ ilay fomba filalaovanao azy ny fihetsik' izy ireo. Mankahery tanteraka
maryline said:
15/06/2009, at 21:12 [ Valio ]
satriko hamaky foana marina e!
nika said: braaaaaaavo
15/06/2009, at 20:54 [ Valio ]
mba raim koa izy zany ry maeva a. fa tena mandeha mintsy koa le inspiraka aloha e, hainao koa ny milalao an lé sentiment .....
e bravo encore !