« Mialoha | Manaraka»

RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA ENINA )

 

          


Nisosa ny fotoana, vita ny fanadinana aram-panatanjahatena. Efa somebiseby aho ny hikarakara ilay fetiko, te ho lafatra aho mba ho an- dRado satria tiako loatra izy. Zoma ny andro, nadeha aho nividy sakafo maivana ho karakaraiko ho anay rahampitso alina. Tonga tany an-trano aho dia nodioviko avokoa ny trano, dia notadiaviko ilay lamban –databatra tsara indrindra nomen’ ny Neny sy ilay lambam-pandriana vaovao hitsenaiko ilay faha valo ambin’ny folo taonako, sy ilay ora hanaovako veloma ilay fahazazako sy ny fahadiovako. Rehefa voalamina ny rehetra dia niala sasatra kely aho niandry an-dRado hitsena ahy ho eny amoron-dranoamasina. Tonga izy arak’ ilay fotoana dia lasa izahay nitsangatsangana toy ilay fanaonay.   

- Ho feno valo ambin’ ny folo taona tokoa moa indry izao ry Rondro rahampitso? Hoy Rado mantsy ahy, lehibe izany izao?  

- Eny hoy aho, efa tsy ho andriko ilay ora rahampitso hihaonantsika ry Rado, efa vonona tokoa aho hanolotra azy ilay fahadiovako.

- Fa misy inona ry Rondro? Fa toa tsy ohatry ny isan’andro ianao, fa toa lasa eritreritra be izany! Sa hoe ho valo ambin’ ny folo taona angaha no mahatonga izao sa ahoana?

- Tsia ry Rado tsy maninona aho ka! Lasa saina fotsiny aho hoe ahoana izany ho lehibe izany indray? Hoy aho sady nitsiky.

        Nipetraka teo amin’ ilay seza fipetrahanay  izahay dia nasehony ahy ireo karazana kintana isan-karazany toy ny “croix du sud sy ny voilacté ” sady nihomehy sy nisangisangy izahay. Rehefa avy eo dia nifanoroka toy ilay fanao isan’alina izahay, dia namonjy fodiana indray.

         Dia nandao ahy toy ilay fanaony izy, izaho kosa nandeha namonjy fandriana natory, fa maika ny hanao “cours” ny maraina.

  Nirava aloha ny fianarana ka lasa aho nandeha teny “Bazary be” nanao volo sy nividy menaka manitra hahositro ny vatako mba ho an-dRado ra-alina. Dia nody aho avy eo nikarakara vatana sy ny sakafo ary ny rehetra izay mbola tsy vita.

         Nipaika ny tamin’ ny valo hariva efa nanomboka nody ilay masoandro, izaho kosa efa somebiseby ery teo am-piandrasana an-dRado malalako; foiko homena azy ny fahadiovako, vonona aho ny ho azy tanteraka satria tiako loatra izy.

         Nanondro tamin’ ny valo sy dimy ambin’ ny folo minitra ny famataranandro injay nisy nandondona tao ambaravarana, nibitaka tsy nisy ohatr’izany ny foko,

novohaiko ny varavarana, iny i Rado niditra nitondra vonin-draozy menamena midorehitra mba ho ahy, miaraka amin’ ny baoritra iray mifono taratasy mamirapiratra, dia nandroso izy ary tena variana nandinika ahy satria tsy mbola nahita ahy nihaingo toy izao. 

- Rondro mahafatifaty be indry izany! Ary tena manimanitra tokoa hoy izy nibanjina sy naniry sahady ny hikitika ahy.

        Nojereny ny manodidina rehetra fa tena lafatra avokoa, miaraka amin’ ireo labozia mirehitra isankarazany sy ny feon’ilay mozika milantolanto, nodinihiny mafy aho, tsy andriny intsony ka tonga aho dia norohany, izaho koa efa tena nangetaheta mafy ilay molony sy ny orony raha teo, dia nifanoroka izahay.

       Dia avy eo nasaiko izy hisakafo, somary gaga dia gaga ihany izy tamin’ ireo fihetsiko madinidinika, noraisiko tamin’ ny tanako ilay "nêm" nokarakaraiko ho azy, dia natolotro azy teo amin’ ny vavany dia notazoniny ny tanako sady norohany.

           Rehefa lany ny sakafo dia nanasa azy aho ny hankafy ilay mozika milantolanto, fa izaho kosa niditra kely ny trano fidiovana, nitombo tokoa ny fahagagan-dRado amin’ ireo fihetsika mifandimbindimby nataoko, rehafa dify ny trano fidiovana aho dia niditra koa i Rado nanotsam-bava. Rehefa avy nidio sy namboatra tena tao amin’ny « trano fidoovana » aho dia niditra tao an’ efitranoko, dia nentiko nanaraka ahy ilay raozy menamena nomen-dRado dia nalaiko tsirairay ireo felany dia nafafifafiko ny fandriana. Avy eo nanaovako ilay ankanjo mandry manify dia manify mangarahara miloko menamena maha- taratra ilay bikako, dia namonjy nanatona an-dRado aho, dia tsy nahaloam-peo izy nandinika ahy, avy eo notantanako nandroso tao an’efitra izy.

- Rondro hoy izy sao lahy….

          Notapenako tamin’ ny tanako ny vavany dia norohako izy, dia nifanoroka tsy nisy ohatr’ izany izahay dia nitarin- dRado ilay oroka ka nanaraka ny safosafo madinidinika, nangorintsina nahafinaritra ny tenako, nesoriko moramora ny lobany dia nendahiko tsikelikely ny rehetra, nobatainy aho teo ambonin’ ilay fandriana dia tsy nitsahatra ny nanoroka ny vatako iray manontolo izy, izaho kosa efa tsy nahatsiaro izay ambonin’ ny

tany intsony fa toa nitsingevana teny amin’ ilay atao hoe “ lanitra faha-fito” angamba izahay, tsapako nisy afo niredareda tany anatiko tany. Efa henikin’ ny fahasambarana no injay ny feon-dRado henoko mibitsika amiko.

- Rondro, Rondro tia anao aho hoy i Rado tamin’ ny feo milanto sy efa tototr’ ilay fahasambarana koa.

- Rado an! Izaho koa tia anao, aza ajanona hoy aho nankafy

- Rondro malalako sao lahy …………

- Sssshh! Hoy aho niteny taminy satria mamiko loatra ilay fahasambarana vaovao tamiko.

          Dia notohizany ny safosafo sy ireo fanampiny. Dia nobitsihiko moramora teo ampoto-tsofiny manao hoe:

 Rado an! Aza atao marary! Izany an! Tia anao aho sady nifikitra taminy mafy aho.

 

Mbola hitohy!

 

 








(8) Hametraka hevitra    (0) Verindrohy (trackback)   

Hevitra 8 "RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA ENINA )"

  1. maeva74 said: Tsy dia hoe mpanoratra fa mba manoratsoratra

    29/06/2009, at 12:38 [ Valio ]

    Misaotra anareo rehetra namaky , ny tohiny dia ho avy tsy ho ela akory


  2. Nirilala said: manana aingampanahy

    29/06/2009, at 09:01 [ Valio ]

    tsara be ilay izy ry maeva fa tohizo a. tena hainao ilay mitantara


  3. Ranto said:

    23/06/2009, at 12:27 [ Valio ]

    Mahafinaritra, mankasitraka, satroka


  4. Tojo said:

    23/06/2009, at 04:37 [ Valio ]

    Milay be e!aza atao ela ny tohiny


  5. Parany said:

    22/06/2009, at 13:32 [ Valio ]

    Mahafinaritra ilay tantara an!misatra an' ilay mpanoratra fa ampy fialam- boly.


  6. Manantsoa said:

    21/06/2009, at 20:46 [ Valio ]

    Tena mahasondriana tokoa ty tantara ty ka! Lasa tena mahasarika ahy na dia tsy dia tia mamaky boky loatra aza aho fa tia manaraka tantara kosa. Roman Gasy zany ty rizareo a! Mazotoa ry Maeva74 a! aza dia atao ela tsony ny tohiny ok!


  7. mmmhh said:

    19/06/2009, at 03:54 [ Valio ]

    manomboka le revy de tapaka le film, mahay mampangetaheta nareo ka
  8. nika said:

    18/06/2009, at 19:30 [ Valio ]

    manomboka eto nareo rakizy de akipio ny maso a, na mba alaivo kely le kofafa adinoko any antokotany