RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA FITO )
Teo
an-tratran-dRado no nitsenaiko ny alahady maraina, toa nahatsiaro ny tenako ho
hafahafa aho, lasan-dRado ilay voaly manifin'ilay fahadiovako, toa nahatsiaro
tena ho menatr'azy aho satria diso tafahoatra loatra ny fihetsiko taminy, niala
moramora teo am- pandriana aho dia nahifiko moramora ny tanany nandrakotra ahy.
Toa
vaovao daholo amiko izao rehetra izao, lasa niery tao an-trano fidiovana aho
satria toy ny mamo tsy nahatsiaro tena aho alina ka noheveriko ho nofy avokoa
ny rehetra. Taitra i Rado ka nitady
ahy ary rehefa avy eo dia nanaraka ahy tao amin'ny “trano fidiovana” izy,
nandondona izy nefa tsy novohaiko satria tsy te hahita ny endriny aho fa
menatra azy mafy.
- Rondro hoy izy mantsy ahy, Rondro
mba voahy moa e!
Tsy
niteny aho tsy nivolana.
- Vohay re ry Rondro malalako
ô! Hoy izy nitaintaina sy nanadihady izay manjoa ahy.
Tsy mbola namaly ihany aho. Tena menatra
azy mafy aho nohon'ilay zava-nisy alina.
- Rondro! Indray hoy izy fa misy
inona no toa tsy mamaly ahy ianao?
- Tsy misy inona hoy aho namaly
sadaikatra dia novohaiko moramora ny varavarana dia niditra izy. Nojereny ny
endriko toa menamena sy menamenatra.
- Fa nisy inona ry Rondro an! Hoy
izy, nisy fihetsika tsy tianao nataoko angaha sa nanenenanao ny zava-nisy alina?
- Tsia re ry Rado an! Hoy aho sady
niondrika nanafina ny tarehiko feno henatra.
- Toa tsy nety angamba ny fihetsiko
taminao hoy indray aho mody nahita resaka ialana tsiny.
- Tsia ry Rondro an! Izaho angamba
no nanararaotra anao, hoy izy toa gaga amin’ ity fihetsiko. Notapenako ny
vavany sady hoy aho hoe:
- Mbola tsy sambatra nihoatra noho
iny alina iny aho hatrizay, Rado moa ve tia ahy foana ianao?
- Im- piry re aho ry Rondro no
nilaza taminao ny valiny an! Nefa tsy mandreraka ahy fa haveriko foana aminao
Tia anao aho ary tsy miova anio, ampitso, mandrakizay ny fitiavako anao,
mitombo isan'andro hoy izy.
Dia nifanantona moramora indray ny molotray dia niaraka nandro
izahay avy eo niverina teny am- pandriana natory sy nanohy niverina nilalao
fitia indray. Satria alahady ny andro ka tsy nisy tokony ahamaika anay.
Nisosa ny fotoana, nigadona ny androm- panadinana,
tamim-pahantoniana no namitako ny taranja rehetra ka niandry izay havitan'izay
ho valiny sisa.
Andro vitsivitsy taty
ahoriana dia nihaona toy ny fanaonay izahay, tsy maintsy nijanona tao Toliara
aho niandry ny valim-panadinana fa raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy midina
any Sakaraha aho hanampy an'ireo Ray aman-dReniko amin'ny asa eny
ambanivohitra.
Nisosa ny fotoana dia nivaly ny fanadinana ka afaka soamantsara aho ary
anisan'ireo nahazo “mention”.
Ny alin'ny andro nodiako ho an’i Sakaraha dia nanao fotoana tamin-dRado toy ny
mahazatra aho nefa tsy tonga izy tsy fantatro izay antony ka tsy nitombona ny
saiko, betsaka ny fanontaniana niverimberina tao antsaiko tahaky ny
hoe:"naninona ary izy”? Sao dia nisy nanjoa azy, vaky ny lohako tsy
fanaon-dRado ny tahak'izao marina, nidify ihany ny ora roa tao ahorian'ny
fitaonanay nefa tsy nisy izay salovan-tavany akory, efa kivy dia kivy aho no
injay nisy nandondona tao ambaravarana, nikorapaka tsy nisy ohatr'izay aho
namoha ilay trano, indro i Rado misomebiseby be sady mena be ny masony.
- Fa maninona izato ianao? Hoy
aho gaga sy talanjona nandinika azy.
- Lasa nandao anay i Neny ka
tsy maintsy hiakatra hamonjy an'Antsirabe aho rahampitso ka voatery tsy maintsy
hiainga vao maraina hoy izy efa vonton’ alahelo.
Nalahelo azy mafy aho ka tsy hitako izay
hambara fa ny tanako no niakatra tsy fidiny namafa ny ranomaso teny amin'ny
tavany dia nanafosafo ny sandriny.
- Aza misosoka alahelo intsony, hoy
aho satria tena tsy hitako izay ho lazaina azy.
- Tsy maintsy hanainga vao maraina
aho ka tonga hanao veloma anao fotsiny. Nalahelo mafy azy aho nefa tsy sahiko
ny hilaza aminy hoe ento aho hanaraka anao satria i Dada sy i Neny koa miandry
ahy rahateo.
- Eny hoy aho tongava soa ary
dia manorata e! Haharitra hafiriana ianao no ho any? Hoy aho efa nalahelo azy
sahady.
- Tsy mbola fantatro hoy izy
fa miankina amin'ny fisehoan-javatra any ihany fa aza manahy ianao fa hanoratra
ho anao aho vao migadona any ka! Veloma vetivety rahavako izany hoy izy sady
namihina ahy mafy toy ireny hisaraka tsy hihaona intsony ireny.
- Rado an! Aza manadino hoy aho efa
te hitomany sahady.
Dia lasa izy niakatra ilay posiposy
nitondra azy dia nandao ahy, izaho kosa nitomany sy nalahelo azy mafy. Lasa i
Rado dia izaho kosa namonjy an'i Sakaraha.
(13) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra




WWW said:
07/07/2009, at 06:46 [ Valio ]
NO COMMENT
Kdaombaramita said:
03/07/2009, at 16:44 [ Valio ]
Manao suspens 'ndray ndry izany an :)) Be fika i Rado fa nahazo ny mamy dia lasa !!! ha ha ha !
Maeva74 said: Fisaorana
03/07/2009, at 06:13 [ Valio ]
Misaotra antsika rehetra namaly sy namak' ilay tantara dia ho hitantsika tsy ho ela ny tohiny, ba betsaka ho an' ny rehetra
XXXXXX said: SATROKA
03/07/2009, at 05:53 [ Valio ]
Afa-po tanteraka
Nirilala said:
03/07/2009, at 01:50 [ Valio ]
Maeva, sao de efa tokony hotohizana amin'izay fa sasa-miandry izahay?
Manantsoa said: Mpampahery
02/07/2009, at 18:28 [ Valio ]
fahamarinana said:
02/07/2009, at 17:49 [ Valio ]
Ary taraiky be ve akia za ry maeva74 fa variana miheno rvg kay ato efa tantara fahafito be zao !Oay ity mbola miandry ahy fa tsy manahy fa ankafiziko foana kah !Misaotra e!Kiss njy dia miandry ny tohiny hatrany an !Enga anie tsy ho saraka ny aigam-panahim-pamoronana tantara injy !
mmmhh said:
02/07/2009, at 13:30 [ Valio ]
Mety bevohoka zao i kala e??? de...sanatrian'izany ve tsy hiverina i Rado? aza misy anie zany, sao de vita sahady ny tantara koa...
Mankasitraka hatrany e,
Mahefa said: Zava_ misy io an!
02/07/2009, at 09:51 [ Valio ]
Tsara e! tohizo
Eric said:
02/07/2009, at 08:00 [ Valio ]
Mankasitraka hatrany re ry Maeva74, tsara ilay izy, ny aza hotako tsy miverina intsony lery vao hampalahelo Rondro kely
maeva74 said:
02/07/2009, at 06:37 [ Valio ]
Miarahaba antsika rehetra i Maeva!Mampikanto!raha hanaraka ny fizarana rehetra ianao dia tonga dia midira ao amin' ny blaogin' i Maeva dia ny takelaka faharoa no misy ireo fizarana tadiavinao.Misaotra indrindra
Parany said:
02/07/2009, at 05:46 [ Valio ]
Misaotra maeva fa tena tsara tokoa ny tantaranao, mankasitraka.Miandry ny tohiny izahay, antenaina fa tsy ho ela intsony izany.Mahereza
Mpankafy mavitrika
Mampikanto said: Mankasitraka
02/07/2009, at 04:45 [ Valio ]
Tena tsara dia tsara ilay asa soratrao Maeva! Mankasitraka indrindra! Fa azo atao ve ny mahita ny fizarana faha5 sy faha6 fa tsy hitako ilay izy!
Mpankafy!
Mampikanto