RADO ILAY FITIAVAKO FAHINY ( FIZ FAHA VALO )

Nivadibadika
tokoa ny fotoana, efa ho roa tokom-bolana izay no nadehanan-dRado. Sasatra aho
no mitazana an’ingahy fakitera fa tsy nisy na dia ilay dian-tongony aza, na efa
tonga ihany koa ny taratasy fa efa nalefany any toliara angamba. Satria adinoko
ny nilaza taminy ny fotoana tokony hijanonako eto Sakaraha, noho ilay loza
nanjo azy.
Izaho koa moa tsy maintsy niakatra satria nanomana ny fidirana eny amin’ ny
sekoly ambaratonga ambony, ka voatery koa aho nandao kely an’ i Dada sy i Neny.
Tsy dia nahitana teny firy aho satria, navesatra tamiko loatra ny nisaraka
tamin-dRado sy ny alaheloko azy be loatra. Tsy mbola nitia ny foko ka vaovao
amiko izao nanjo ahy izao. Raha mba nanana elatra aho mantsy dia efa nanidina
tany amin’ ilay nisy azy, saingy olombelona ihany aho, tsy miady vintana amin’
ny biby.
Asabotsy ny andro, tonga soamantsara tao Toliara aho, indro ilay ankizy mpiray
vody rindrina amiko nilaza hoe:
- "Rondro ô! Naharay
taratasy indry"! Efa ho andro vitsivitsy izay. Andraso alaiko kely
vetivety hoy izy.
Nibitaka
ny ambavafoko naharay ilay taratasy.
- Tena taratasin-dRado tokoa,
misaotra indrindra hoy aho mantsy an’ ilay tovovavy sady mitebiteby ihany amin’
izay ho votoatin’ ity taratasy.
Dia lasa aho niditra tao an-trano, novohaiko daholo aloha ny varavarankely
rehetra satria maizina loatra no mbola maimbo lao ny trano noho izy tsy nivoha
loatra. Rehefa avy eo dia nitsambikina teny ambonin’ ny fandriana aho namaky
ilay taratasin’olontiako milaza hoe:
Antsirabe ;
Ho an’i Rondro malalako;
Antenaiko rahavako fa vatana salama
tsara no handraisanao ny taratasiko, miala tsiny indrindra aho raha
izay vao nahasoratra noho ny antony fahateren’ny fotoana. Vita soamantsara ny
fandevenana an’i Neny ka mikasa ny hanainga aho ny Asabotsy ho avy izao hamonjy
anao.
Efa manina mafy anao tokoa aho, tsy nitsahatra ny nahatsiaro anao, na dia tsy
nahasoratra aza, ny foko sy ny saiko kosa anefa dia niantefa tany
aminao hatrany.
Rondro tiako sy mamiko, tsy hahasoratra
betsaka intsony aho fa mbola maika noho ireo fikarakarana ireo zavatra aty.
Raha tsy manahirana anao ny Asabotsy dia
tongava eny amin’ ny “station’ ny taxi brousse” eny « Sansfils » fa
ho tonga aho, tokony ho amin’ ny valo maraina eo ho eo no higadona ny fiara
raha tsy misy ny sampona eny andalana.
Izay angamba ry Rondro fa andao anao aho
ka hapetrako ny peniko dia manao anao ho mandrapihaona vetivety
indray aho rahavako.
Ba betsaka ho an’ny malalako.
Rado tia sy tsy manadino anao.
Naverimberiko novakiana ilay taratasy fa toa mamiko
loatra ilay namaky azy, isaky izay tsy misy atao aho dia ny mamerina mamaky
ilay taratasiny no namitako ny androko, tsy andriko intsony ilay Asabotsy
hitsenako azy.
Be loatra ny
zavatra nifamahofaho tao an-tsaiko tahaky ny hoe: “dia ho hadinoiny ve aho” sy
ny hoe: “tsy tia ahy intsony ve izy?” kay lahy mbola tia ahy foana ilay
malalako.
Nitombo teny
ny andro, ora, minitra ary ny segondra, sendra nandeha tany Maninday
(Université ao Tuléar) aho no tazako tampoka i Laingo; Nody tsy nahita azy aho
no sady nivily lalana ka indro izy nihazakazaka namonjy ahy sy nihirahira ny
anarako.
- Rondro! Ary maika ho aiza aky indry?
Gaga
aho naheno azy, toa niova sy lasa tsara fanahy tamiko tampoka teo.
- Hikarakara “dossier” angaha indry?
Hoy izy mantsy ahy.
- Eny hoy aho tsy rotitra sady
nandinika ity fiovany tampoka teo.
- Izaho aky saika hiakatra any
Antananarivo hanao “concour Medicine” hoy izy, saingy aleoko ihany aky eto a!
Mifona aky izaho amin’ireny fihetsiko taloha ireny an! Fa tsapako ankehitriny
fa tia andry tokoa i Ramose Rado.
Vao maika zendana aho nahare an’i Laingo, tsy nampoiziko ity fihetsiny!
- Izaho koa aky miala tsiny amin-dry
tsy nilaza izay nisy teo aminay taloha hoy aho somary nitsiky tsy ravo mbola
kaody amin’izato fiovany.
- Ary enoko fa hoe: “maty hono aky
ny maman-dRamose? Hoy indray izy.
- Eny hoy aho gagagaga ihany!
- Dia mamangy ny fahoriana any aminy
ary aky a! Sy ho andry koa satria efa fatam-poko fatam-pirenena ny fiarahanareo
roa.
- Sao mba hisotro
ranom-boasary aky indry fa midanika ange izany andro izany e! Hoy indray izy
mantsy ahy.
Tsy nandà aho satria noheveriko ho tsy fahalalam- pomba ny fandavana ny
fangatahany ka nanaiky tsy fidiny aho. Rehefa avy nisotro ilay ranom- boasary
izahay mirahavavy, dia nadeha niditra tao amin’ny mpikarakara, naka taratasy ho
fenoina nanaovana ny fangatahana sy ny fikarakarana ny “dossier” rehetra entina
hanohizana ny fianarana izahay.Vita soa amantsara ny rehetra dia niandry ny
“concour” sisa.
Nigadona ny Asabotsy ahatongavan-dRado, naka posiposy aho dia
nandeha teny amin’ ny “station”. Nanondro tamin’ny latsaka dimy minitra ny
amin’ ny valo ora, iny tonga tokoa ilay “taxi brousse” avy any Antsirabe.
Nisomebiseby avokoa ny olona rehetra nitsena ireo havany,
izaho koa mba variana niandry ilay malalako. Iny tokoa eny i Rado tazako.
- Rado hoy aho nikikiaka mafy, tsy
voafehiko intsony ny henatro fa avy hatrany aho dia nihazakazaka niantsampy
teny aminy, nifamihina izahay sady narahiko teny malefaka teo ampoto-tsofiny
moramora manao hoe:
“Rado! Tonga ihany lahy ianao,
noheveriko fa tsy ho avy intsony, tsy nisy henatra izay vahoaka nijery aho fa
avy hatrany dia norohako ilay malalako. Dia lasa izahay nankany atranony......
(22) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra




Lalaina said:
07/07/2009, at 09:50 [ Valio ]
Misatra e!
Maeva74 said:
07/07/2009, at 08:06 [ Valio ]
Misaotra hatrany i Maeva
WWW said:
07/07/2009, at 06:45 [ Valio ]
NO COMMENT
mpankafy said:
07/07/2009, at 04:44 [ Valio ]
oh là là! afa_ po
SOUNTS said:
05/07/2009, at 15:58 [ Valio ]
RASLANDY said:
05/07/2009, at 15:56 [ Valio ]
Tia sady maty na hoe biscuit voahitsaka! Dia ahoana no tohiny?
tsiambaratelo said: Rahoviana ihany ny tohiny e!!!
05/07/2009, at 12:22 [ Valio ]
Kdaombaramita said:
05/07/2009, at 09:43 [ Valio ]
Hummm, mbola tsy tonga ve izao inspiraka manaraka ô ? Miandry izahay mantsy ;)
milaibe said:
05/07/2009, at 08:40 [ Valio ]
Ndray masaka be zany fandehan'ny tantaram-pitiavana ato zany
Manaraka tsimora2eo ihany é
maeva74 said: FANKASITRAHANA
05/07/2009, at 05:04 [ Valio ]
Mankasitraka tanteraka anareo mpamaky ny tenako,ho hitanareo afaka fotoana fohy ny tohiny
fahamarinana said:
04/07/2009, at 20:06 [ Valio ]
Miha-mampagitakitaka koa ilay tantara an !Miha-mahafinaritra ! Eto ndray aho zany an ! Kiss mamy akia maeva74,mankasitraka e:!!
Tsy azonjy an-tsaina fa any anatiko any dia naniry ny mba hanoratra tahaka izao aho fa tsy ato amiko ilay talenta !Soa teo njy !...Zay ilay hoe samy manana ny fizaram-pahasoavana nomen'ny ao ambony azy ny olombelona tsirairay !
Ampela said:
04/07/2009, at 19:38 [ Valio ]
Anananao lay talenta Maeva Ka atao ela ty tohiny
RANEBO said:
04/07/2009, at 19:36 [ Valio ]
Maeva iha io fa tokony hanao boky roman, ary sur zaho fa mety hovitanao izany, manantena ny ho tohiny tantara
maeva74 said: Fisaorana
04/07/2009, at 19:20 [ Valio ]
Misaotra anareo rehetra mazoto mpanaraka ilay tantara i maeva, dia ho avy tsy ho ela ny tohiny
Maryline said: Mahafinaritra
04/07/2009, at 15:28 [ Valio ]
Tsara fa saigymapamgetaheta be ny tohiny, maeva misaotra
lilyrose said: Mampanonofy
04/07/2009, at 10:43 [ Valio ]
Manonofy foana aho mijery azy, misaotra Maeva an!
Eric said: Ahoana??????
04/07/2009, at 06:11 [ Valio ]
Ahoana ary no maha- fahiny azy nefa toa mifankatia be ry zareo ( suspens) Misaotra Maeva
Parany said: Tohizo hatrany
04/07/2009, at 04:44 [ Valio ]
Maeva, zah mbola mangetaheta be ilay mety ho tohiny , fa nahoana no hoe "fahiny"
Rondrotia said:
04/07/2009, at 03:06 [ Valio ]
Ilay ttsy ve toa milaza an-kolaka hoe omany indray ilay zavatra nomenao ahy indray mandeha iry fa efa elaela izay aho tsy nahazo, "ataoko tsy marary intsony ...". Dia inona no nataony vao tonga tao an-trano ary e ?
mangamaso said:
03/07/2009, at 20:45 [ Valio ]
Izaho koa anie mamaky sy manaraka ny tantaran'ny Rondro sy Rado e !
Mankasitraka
Manantsoa said: Mpampahery
03/07/2009, at 20:23 [ Valio ]
Tsy efa hitako eo fa tia an'i Rondro koa i Rado! tsy diso ny vinavinako, de rahoviana ndray ny tohiny ry Maeva a! Mahereza e!
Dahuily said:
03/07/2009, at 20:10 [ Valio ]
Aza atao ela loatra ny tohiny eeee!!!