[ Tantara 2
]
12 Oktobra, 2009 06:13:: Voavaky in- (357)
>Herinandro izay no nandehanan'i Andry namonjy an'ilay faritra antsinanan'i Nosy. Nandritra izay fotoana izay dia tsy nisy na dia antso iray aza avy any aminy. Asa re mba manao ahoana loatra izany asany izany e! Fa dia hadinony hatramin'ny vady aman-janaka. Izaho moa efa tsy dia hivakiany loha intsony fa i Benja kely zanany no mampalahelo.- -Neny an! Hoy i Benja, Tandremo i Dada sy Neny sao tsy tonga amin'ilay fetinay any am-pianarana an! Izaho mantsy ilay mpiandry ondry amin'io.
- Tsy maintsy tonga i Neny ka! I Dada mantsy tsy ho afaka fa fantatr'ialahy izy fa mbola any Toamasina hoy aho mantsy an-janako sady nanambitamby azy ihany.
-Tsy maninona ry Neny an! Mahazo milalao kanety any amin'i Sendra ve aho e? Sady nofihininy aho no norohany.
- Mandehana ary dia soloy aloha iny ankanjo fotsin'ialahy iny fa tsy te haheno ny hirahiran'i Neny Rasoa amin'ity loton'ialahy aho rehefa avy eo e! Hoy aho nampitandrina an'i Benja kely amin'ny fitiavany milalao vovoka.
Dia lasa Benja nilalao tany amin-dry Sendra. Izaho kosa tafa-toetra teo amim'ilay seza anoloan'ilay latabatra fanoratako tao an'efitranonay mivady. Lasa teo ny saiko, nanidina sy nirenireny tany amin'i Andry. Navoakako tao anaty vata sarihina ilay namako tsy foiko dia tsy iza fa ilay diariko izay tsy mba nanary ahy tamin'ireo fijaliako. Nandray ny peniko aho dia nanoratra sy namboraka tamin'ilay namako izay mba tao an-tsaiko sy ny nofinofiko.
Ry diariko tsy foiko!
Anio dia tsy androtsaka ilay ranomasom-pahoriako amin'izato takelakao intsony aho ry diary tsy foiko, na hitaraina aminao ireo sentosentoko fahiny, tsy hitantara aminao ihany koa izay nataon'i Andry tamiko.Tsy mba niantso izy na dia arahaba fontsiny aza, izaho koa moa tsy mba afaka niantso azy satria tsy mahazo antso any amin'ilay toerana, izy no nilaza fa hiantso anay hono. Fantatro fa efa nilentika ilay lakam-pitiavanay sy i Andry, tsy fantatro intsony na mbola azo harenina na ho sempotr'ity ony lalina nilomanosanay. Efa niezaka aho ny nanao izay mety taminy nefa indrisy!! Tsy nisy vokany ny fikirizako lany hery aho. Ankehitriny dia mino izay nolazain'i Mama aho. Modiko tsy hita ny fiovany na dia efa fantatro izao ary fa efa ela no niova i Andry, efa niezaka aho ny niresaka mangina taminy fa tsy nohenoiny akory. Ataoko fa efa be loatra izay ranomaso nalatsako teto aminao izay, na ireo takelakao aza efa miforiporitra vonton'ireo ranomasoko.
Vonona aho ny hiova, vonona aho ny hitraka. Fahadisoako ve raha manam-pankevitra ny ho olom-baovao aho e! Diso ve aho raha hiezaka hamalifaly ny tenako sy hamerina indray ireo tsikitsikiko nanaingo ireo molotro fahiny! N' iza n'iza hanameloka ahy dia ahy ny fiainako, ho ataoko tsy hisy hahalala ny tsiambarantelontsika ry diariko. Ho zava-tsoa ny ho tantaraiko anao manomboka amin'ilay ora handraisako anao indray.
Izay fa hilaozako ianao dia veloma ho amin'ny manaraka indray.
Dia nakatoko moramora ilay diariko avy eo nitraka nijery ilay fitaratra izay nitoetra teo anoloako aho. Tsinjoko fa tena resy tokoa izato endriko, resin'ireo adi-tsaina namely ahy volana maromaro, lava tsy mba nisy endriny intsony ny voloko, toa nilaza tamiko ilay kambana amiko fa mila miova aho, mila mifaly. Nivoaka ny trano aho dia nizotra nankeny analakely mba hijery mpanao volo. Rehefa tonga teo andohanan'analakely aho dia nahatazana toerana fandraisan'olona momban'ny fikarakarana vatana iray, tsy nisalasala aho fa avy hatrany dia niditra. Napetrako teo am-pelantanan'ireo mpikarakara ny tenako tsy nisy fisalasalana. Vita soamantsara ny voloko dia nasian'ireo mpanao volo loko malefaka ny endriko sy ny hohoko mba hanaingo ahy.
Sendra nitsofoka tao amin'ny 'Shoprite' teo analakely aho mba hividy mofo mamy ho an'i Benja no injay:
- Riana!! Hoy ilay feo, feo toa tsy vahiny tamin'ny sofiko, nefa feon'iza re? Nitodika aho mba hamantatra izato olona niantso sy nanonona ilay anarako. Akory ny hagagako nahita ito tovolahy misolomaso mainty!!!
- Liva!!! Ianao ve! Hoy aho nandinika azy fatratra sady somary gaga sy menamenatra ihany.
- Riana! Hoy izy sady nendahiny ilay solomaso nanafina ny masony. Firy taona re izay e?
- Folo taona lasa hoy aho nahatsiaro sahady ilay fahiny, sady niverina moramora teny amin'ilay molotro ilay tsikiko niafina tany ambadik'ilay sentosentoko taloha.
- Lalina izany an! Hoy i Liva sady notohizany hoe: "Tsy miova mihintsy ianao izany! Mbola ilay tovovavy tsy nilaozan-tsiky fahiny ihany no eto anoloako. Firy izao ny ankizy?
- Tokana ihany ny vokatra e! Lahy kely vao dimy taona monja. Ary ny ianao mba firy? Hoy aho mba nanontany azy koa.
- Tsy mbola voafatotra aho fa efa eo andalam-pikarohana ilay ho silako e! Na dia izany aza manana vavikely efa mahay sipa aho e1 hahaha, hoy izy nisangy, roa taona izy izao Tiana no anarany.
- Andray! Tsara izany, fa nahoana kosa re! Ary aiza ny renin-janakao no mbola mikaroka e! Hoy aho be fanontaniana sy liana sahady ny te hamantatra ny fianan'i Liva.
-Tsy manam-potoana ny hitaizana zaza hono izy, sady tsy anjaranay koa angamba ny hivady e! Tsy azoko loatra na izany no atao hoe:" lahatra" na inona. Ary ny vadinao?
- Andray!! Dia tena foiny tokoa ve ny sombin'ny ainy e! Miaramila ny vadiko. Loza!! Efa manondro amin'ny roa mbin'ny folo sahady ity ny andro hoy aho taitra. Variana loatra aho nitafa tamin'ny Liva ka tsy tsaroako intsony ny fisosan'ilay fotoana.
- Riana an! Fantatro fa somary maika ianao, nefa afaka ny mbola hihaona ve isika e! Amin'ny asabotsy alina amin'ny valo ora ho avy izao ohatra; mba hiaraka hisakafo isika hoy i Liva sady nofihininy ihany ny tanako.
- Tsy fantatro re ry Liva an! Hoy aho sadaikatra sady nangovitra, tsy mbola nandeha irery nisitaka ny tokatranoko amin'ny alina lavitra an'i Andry aho ka manahirana ahy ny hamaly azy.
- Tsy voatery akory hamaly ahy izao ianao fa ity ny laharan'ny findaiko dia antsoy aho raha afaka ianao, izay an! Sady norohany ny takoloko ilay mandimandin'ireo pomety nahositr'ireo mpiasa tao amin'ilay mpikarakara haingo.
Efa somary tara aho ka nandray fiara karetsaka haingana f'andrao miantso ao an-trano i Andry. Nony tonga aho dia efa vita karakaran'I Neny Rasoa ny latabatra sy ny sakafo.
- Madama! Hoy izy nahita ahy no sady zendan'ny fahagagana, saika tsy fantaro ianao marina!!!
- Neny! Hoy koa i Benja kely nandinika ahy ambony ambany. Tsara tarehy ange i Neny izany e! Sady nofihininy mafy aho
- Mba te hiova aho ry Neny Rasoa an! Tsy hitanao hoe: " mba metimety ve mihoatra ilay teo aloha e!'
- Tena manja be mihintsy ianao amin'izao ry maman'i Benja, ilay teo aloha ianao, tena maina toy ny kitay, izao ianao moa tsy toy ny zana-javatra.
- E, e! Ndao hisakafo ry izy mianaka hoy aho mantsy an'i Neny Rasoa sy Benja kely fa ho boramenan'ny dokadokanareo eto aho.
Hatramin'izao dia tena mbola tsy nisy antso avy any amin'i Andry akory. Tsy andriko izay nandraisako an'ilay namako tao anefitranonay mba hitantarako ny hafaliako nahita indray an'i Liva, Liva ilay namako nitia mangina ahy fahiny. Tsy afaka nitia azy aho satria mbola tsy tamin'izany ny saiko, tsaroako izy ilay niezaka nanakatra ny molotro indray andro izay mba hanoroka ahy. Rahampitso dia ho tonga ilay Asabotsy, ilay fotoana nomen'i Liva ahy hiarahako hisakafo aminy. Ny tanako mangovitra handray ilay antso an-tariby nefa ny foko midobodoboka te hiresaka aminy. Inona no ataoko?
Mbola Hitohy
Rohy maharitra
mangamaso said:
12/11/2009, at 23:34 [ Valio ]
Tara be aho, izao vao namaky, nandany fotoana tany ho any ka tsy nandalo tato :( misaotra Maeva fa kanto foana ny tantara soratanao :)
mmmhh said:
10/11/2009, at 08:25 [ Valio ]
Tara ndray aho t@ ity iray ity,
Mahafinaritra e, Mankasitraka foana foana.
maeva74 said: Fisaorana
09/11/2009, at 14:07 [ Valio ]
Misaotra anareo namana hatrany i Maeva
mangamaso said:
07/11/2009, at 07:29 [ Valio ]
Mahafinaritra foana ny famakiana tantara avy aminao ry Maeva, feno talenta ny lahatsoratrao.
Mankasitraka :)
tsambar3 said: slt
07/11/2009, at 05:14 [ Valio ]
tsara be akia le tantara a!
Mba ataovy mahafinaritra ny hiafarany a!;az atao toy ny aloha hoe maty le bandy.
zay e fa mahereza.
Tohizo haingana an!
tsiaro said: Manao ahoana Maeva
07/11/2009, at 05:10 [ Valio ]
way! tsara be ny fitantaranao azy k.
ataov haingana ary ny tohiny eh.
Tô mahatsiaro ny ahy zany aho, ny anay indray tsy teny analakely fa teo @ LMA zahay no nihaona. fahatsiarovana zany a!hihihi...
aza maika ihany koa fa ataovy tsara aloh ny fandrindrana azy fa miandry ny tohiny fônafôna zaho.
landy said: Mankasitraka
05/11/2009, at 08:24 [ Valio ]
Misaotra ry maeva fa tena mamerina ny tsikiko ity soratananao satry misy ifandraisany kely @ ahy.
mba hande hanao mety2 kou za de hande any @ shoprite rhf avy eo sao mba hifanena @ ilay Liva-ko
Dia miandry fatratra ny tohiny indray e
Manantsoa said: Fankaherezana
04/11/2009, at 18:10 [ Valio ]
Salut Maeva. Tena hainao mihitsy le mampangitakitaka olona an, tsara le asa soratra fa dia mankahery hatrany e ary koa misaotra anao be dia be tokoa, fa tena afa-boly sy fahasorenana ny tena eo am-pamakiana azy. ka inona moa zany fa tsy miandry ny tohiny sisa azo atao ka dia marina ny tenin'ireo nanao coms talohako hoe aza atao ela ny tohiny moa e! dia mbola mamerina ny fisaorana indray e!
simp said:
04/11/2009, at 16:02 [ Valio ]
kalou haka toerana mintsy hankafy an'ity :)
Raclo said:
04/11/2009, at 13:26 [ Valio ]
Za koa aki de adinoko atram lera ko, aza atao ela ny tohiny fa tena liana be mitsy et! Mci ki a!
Kdaombaramita said:
04/11/2009, at 08:35 [ Valio ]
fahamarinana said:
04/11/2009, at 07:04 [ Valio ]
hummm !hisy raha ao ho ao raha ny fizohiko ilay tantara !Mankasitraka akia,mapientabnentana foana e ! kiss njy dia mahereza,zahay efa fan rahateo ,miandry ny fivoahan'ny manaraka sisa e !:-)
mendrika11 said:
04/11/2009, at 05:40 [ Valio ]
adinoko daholo ny rehetra rehefa mamaky an'ity tantara ity za, misaotra maeva74 a !
mirary soa e
latina said:
04/11/2009, at 03:39 [ Valio ]
Tiako be ilay tantara. Misaotra betsaka an'i Maeva.
Sakamalao said:
04/11/2009, at 00:06 [ Valio ]
Misaotra an'i Maeva e! Efa maika sahady anay miandry ny tohiny!