[ Tantara 2
]
19 Oktobra, 2009 14:16:: Voavaky in- (367)

Nangovitra tsy nisy ohatr'izany ny tanako nandray ilay antso an-tariby, notendreko ilay laharan'ny findaian'i Liva.
">- Allo! Allo! Hoy ny feon'I Liva. Iza kay izao azafady e!
Notapahako tampoka ilay antso satria notsembatsembanin'ilay fitempon'ny foko haingana loatra sy nifanesisesy ny feoko ka tsy nahalaza izay tokony ho ambara. Noraisiko indray avy eo ilay finday dia namerina niantso aho.
- Allo! Allo! Fa iza kay izao azafady e! Mba mitenena moa e! Hoy I Liva
- Liva an! Izaho ihany ity e! Riana e! Hoy aho nangovitra
- Riana! Efa ho andro maromaro aho izay no niandry ny antsonao. Manao ahoana aloha ianao e!
- Salama tsara aho ka! Ianao no manao ahoana?
- Somary nanaintaina mafy ahy ny lohako teo, nefa naheno ilay feonao manga aho dia nisava toy ny tsy narary ahy indray.
- Liva an! Mikasika ilay fotoana nomenao ahy rahampitso no antony niantsoako anao izao.
- Ahoana? Hoy izy nikorapaka no sady efa liana sahady ny ahafantatra izay ho valiteniko. Ho tonga ve ianao e
- Ho tonga aho ka! Saingy ….. Notapahan'i Liva ny teniko sady nitsatsaingoka niteny izy.
- Faly be aho ry Riana an! Izaho no haka anao sa ahoana ny atao?
- Mahasosotra amin'ireo mpifanila vodi-rindrina aminay ny fankanesanao aty an-trano ka aleo aho no hamonjy anao e! Hoy aho kaody sahady amin'ity fihetsiko.
- Tsy maninona ka! Hoy izy atao daholo izay mety aminao e! Any amin'ny "restaurant" ao amin'ny "Hilton" ary aho no miandry anao e! tonony fotsiny ny anaranao dia hatorin'ireo mpiandraikitra ny hefitrano ny toerantsika.
'Hilton" hoy aho an'eritreritra, mbola tsy niditra sy nanitsaka'ireny toerana lehibe ireny ny tongotro.
- Eny ary e! Mety ho eo amin'ny valo eo ho eo aho no higadona any izany e!
- Tsara izany fa dia miandry anao aho izany e!
- Izay fa rahampitso alina izany mihaona, veloma vetivety i Liva.
- Veloma mandram-pihaona i Riana! Bisous be ary e!
Dia notapahana ilay fifandraisanay dia nitsiky kely toy ireny zatovovavy hamonjy "rendez-vous" voalohany ireny no fihevitro ny tenako. Nisosa ny ora sy ny fotoana, nalain'i Mama hatory any amin-dry zareo i Benja kely ny zoma sy sabotsy, nilamindamina aho nandritra ireo fotoana ireo. Ny sabotsy maraina dia namonjy mpanao volo aho mba hanao "coup de peigne" hoy ny teny baiko. Efa elaela ihany aho no tsy nianjaika ka somary sahirankirana kely, indrindra fa hamonjy toerana fisakafoanana lehibe sy mihaja toy izao. Navoakako daholo ireo akanjoko mihaja rehetra nanaingo ny "armoire-ko". Tena tsy hitako izay natao dia voatery niantso an'I Fanja namako aho mba hanampy ahy.
- Andray aky! Tena niova ho mahafatifaty be indry izany, sady notsapatsapain'I Fanja ny voloko. Ary aiza foana i Andry e! Inona aky izato manahirana andry ry Riana an! Hoy i Fanja mantsy ahy.
- Tsy izany aky fa manana "rendez-vous" aho androany alina ka mila tanana amindry e!
- "Rendez-vous galant" izany an! Tantarao aloha e! Haingana fa tena liana aho ny amin'izany. Hoy i Fanja tena liana tokoa.
- Minina eto anatrehako indry ny tsy hamerina ity resantsika roa ity amin'olona indrindra indrindra i Njara vadindry. Hoy aho mantsy an'i Fanja tena hentitra tokoa.
- Tena minina eto an'atrehan'Andriamanitra aho fa tsy hisy ahalala izao dinika hifanaovantsika roa izao e!
- Izao aky an! Nivoaka aho tamin'ity herinandro ity mba hanao volo de nifanena tamin'ilay tovolahy namako fahiny e!
- Izany ve! Hoy i Fanja nitsantsaingoka
- Liva no anarany ary niray sekoly izahay fahiny, nitia ahy izy taloha saingy tsy mbola nieritreritra izany fitiavan'olondroa izany ny saiko e!
- Izany ve! dia ahoana ny manaraka?
- An an! Mandeha ny fotoana ry Fanja an! Ny hijery ny fitafiana ho entiko no hilako andry fa tsy hamerina ny lasako akory e!
- Eny e! Sady mijery ihany ange isika roa no miresaka e! Ity volondavenona ity aky izao no mety an! Sady mifanaraka tsara amin'ny lokondry e! Hoy izy sady mbola nanontany ihany.
- Dia nanao ahoana rehefa avy eo ny fiarahanareo ry Riana? Hoy indray i Fanja.
- K'efa hoe: izaho mbola tsy vonona koa inona indray no tiandry ho lazaiko eo e!
- Dia izay fotsiny ve! Dia tsy nisy zavatra hafa ve!
- Nifanoroka fotsiny izahay tamin'ilay "bal de promo" niarahanay nandihy dia izay ihany, efa ho folo taona lasa aky izay an! Nasainay ry zareo tamin'izay satria izaho teo amin'ny kilasy voalohany tamin'ny ambaratonga faharoa fototra ary izy kilasy famaranana tamin'izay niray sekoly.
- Toa tsaroako koa aky ilay fahiny ry Riana an! Ny nifankahitanay sy Njara taloha.
Raikitra fa ilay akanjo volondavenona somary manifinify mikopakopaka no ho entiko dia mitovy loko amin'izay koa ireo poketra sy kiraro fa somary matroka kokoa mihoatra ilay akanjo. Nafana moa ny andro ka tsy nila nasiana ankanjo matevina taty ivelany afa tsy lamba landy manify mitovy loko amin'ilay akanjo ihany. Loko mifanaraka amin'ilay akanjo no nahositra ny tavako dia notifiriko ranomanitra mitondra ilay anaranan'olona malaza fahiny hoe: "Coco Mademoiselle Chanel" izay fanomezana natolotro ny tenako tamin'ny fahatelopolo taonako ny tendako sy ny lantotanako, somary lafolafo ihany ilay izy saingy te hanana ny soa de niaritra nividy. Niantso fiara-karetsaka aho mba hitondra ahy satria tsy mbola manana fahazoan-dalana mitondra fiara aho. Efa nanondro tamin'ny latsaka fahatelony ny amin'ny valo ora. I Fanja kosa namonjy ny tokatranony avy eo.
Rehefa tonga teo amin'ilay toerana dia niditra aho no somary sadaikatra ihany, olona mihaja sy midoladola no mivezivezy tao, nanantona ilay mpikarakara ny fampadrosoana vahiny aho no hoy ilay rangahy tamiko
- Inona no atao anao izay tompoko!
- Madama Riana tompoko! Saika hi….. Notapahin'ilay mpampandroso olona ny teniko dia hoy izy
- Mandrosoa ianao madama, ery amin'ny latabatra faharoa ny misy anao ary efa miandry eny ny vadinao.
Ny vadiko hoy aho an'eritreritra sady nitsiky aho, izy any angamba tsy misaina akory izay ataoko aty. Akory ny hagagan'I Liva nahita ahy niditra. Nodinihiny ambony ambany aho no nitsiky izy, pataloha volondavenona matroka efa mangalatra ny loko mainty no nanaovany miaraka amin'ny lobaka mena volom-paiso fon'omby sy fehi-tenda mitovy loko aminy saingy somary mamiratra sy mazavazava kokoa. Teo am-pandinihina azy aho no
- Riana kanto anie ianao izany e! Sady norohany ny takolako
-Ianao koa hoy aho lafatra ery.
Nosintonon'ilay seza dia nasainy nipetraka aho dia namonjy nipetraka teo anoloako izy.
Efa vitany ny komandy rehetra satria efa tazako teo ambony latabatra ny pitsopitsony rehetra, divay "Vin de Bourgogne Chardonnay" efa nisokatra no tazako teo sy karazandrazam-boanjo maro. Karazan'irony olona ambony sy tafita ary nitsikin'ny vintana irony ny fahitako an'i Liva. Nisosa tsara ny fisakafoanana dia nandeha ny resadresaka sy ny tsiaron'i lasa. Nianatra tany ampitandranomasina hono I Liva hatrizay fotoana maro izay ary tovovavy fotsy hoditra metisy frantsay-malagasy no renin-janany. Manana orinasa lehibe eto an-tananarivo sy any toamasina izy. Nibitaka ny foko naheno ilay "Toamasina"
- Fa misy inona ry Riana? Hoy izy nitsiky nibanjina ahy sady nikitika ihany ny ratsa-tanako.
Injay nisy feonkira milantolanto nandeha dia nitsangana izy nanasa ahy mba handihy. Efa somary resin'ilay divay aho ka tsy menatra intsony nandray ny tanany efa mitsotra handray ny tanako. Dia nandihy teo ampovaoan'ireo olona maro misakafo izahay. Toa misy afo midonaka tany am-poko tany nitraka nibanjina azy ny masoko dia nibanjina ahy koa izy.
- Tsaroanao ve ilay fahiny ry Riana? Ilay ianao nangalariko norohana iny. Tsy mety afaka ato an-tsaiko iny fotoana iny hoy izy sady nibanjina ahy ihany.
- Tadidiko tsara hoy aho niondrika nitsoaka ny masony sy niezaka nanafina ny endriko efa boramena koa.
Tsy nitsahatra ny nifampibanjina izahay avy eo
Ho hitanao tsy ho ela ny tohiny
Rohy maharitra
anyc said:
16/11/2009, at 09:22 [ Valio ]
D msaotra an Maeva e d aza atao ela loatra le tohiny fa tena ts andry miintsy
mangamaso said:
13/11/2009, at 22:57 [ Valio ]
hum ! hum! romantika be izany an !
Miandry ny tohiny ary e ! :-)
Manantsoa said: Fanohanana
13/11/2009, at 17:00 [ Valio ]
Dia manohana anao hatrany ry Maeva no misaotra ihany koa! Fa maninona kosa ry Maeva no dia manapak'aina toy zao te mbola variana sy lasa nofinofy iny ny tena dia tapaka tampoka lay torimaso. lasa tampoka le nofy. Hainao mihitsy ny mampangitakitaka ny olona a!
Mankasitra hatrany ry Maeva a! sady mampahery ihany koa
Misaotra e!
tsamb3 said: slt
13/11/2009, at 16:51 [ Valio ]
maeva74 said: Tsy ho ela intsony e!
13/11/2009, at 13:08 [ Valio ]
Eo fa ataontsika tsy ho ela intsony ny tohiny e!
Mazotoa daholo ry akama isany
maeva74 said:
13/11/2009, at 12:56 [ Valio ]
hihihihi! mitandrema ianao ry papa isany fa lasa maman, rehefa tsy taitra an!Io ilay mamakely tadiavin'i news2dago ry Kdaomba an!
fahamarinana said:
13/11/2009, at 11:21 [ Valio ]
tssss !tena tinapaka ilay feeling-nay amin'izao ry Maeva !hihi !Kanto loatra akia,ohatrany hoe nanonofy izany namaky azy dia nifarana sahady !Miandry am-paharetana ny tohiny ndray e !...kiss mamy njy dia mahereza foana an !
news2dago said:
13/11/2009, at 09:21 [ Valio ]
kdaomba =>ande ho any @hilton mihitsy a zao hijery an'i riana mamakely sao mba tratrako ao izy na de ny hampahery azy fotsiny ary ve moa tsy efa mba mety sa ahn
fali said: mankasitraka e !
13/11/2009, at 07:36 [ Valio ]
za mbola liana be mihintsiny namaky kay moa tapitra mbola hitohy !!!
misaotra maeva74 a !
landy said: Ianao no isaorana
13/11/2009, at 06:04 [ Valio ]
Mankasitraka anao hatrany ry Maeva ary mbola tsindrindaona hatrany ny hamaky ny tohiny
Misaotra e
kdaombaramita said:
13/11/2009, at 03:25 [ Valio ]
N2D sy mmmhhh < anareo aloha no mieritreritra ny tohiny eo ampiandrasana ny manaraka ! ha ha ha ! tena mety mihitsy ilay nanapahandry azy ry Maeva ! Izany ka mamakely ry N2D an, may ery toi hanaraka ny tantaran'i Riana mamakely !!!
mmmhh said:
12/11/2009, at 11:04 [ Valio ]
Hayyyyyyyy, maninona ary no notapahana sahady?
news2dago said:
12/11/2009, at 06:36 [ Valio ]
enao ty tena tsssssssss! maninona zao no tapahana eo @ le matsiro mihitsy izy ity! lol
maeva74 said: Mirary soa hatrany e!
12/11/2009, at 05:57 [ Valio ]
Tsy mitsahatra ny misaotra anareo namana tonga tsy tapaka mamangy ny blaoginy i maeva74
Mazotoa daholo e!