FITIA AN-TSOKOSOKO FIZARANA FAHA SIVY

Tsy naharitra
ny dohikan'I Andry aho ka nandroso tao an-trano nanomana an'I Benja kely mba
hamonjy sasak'alina any ampiangonana. Tsinjoko efa velombelon'aina tokoa izy, ka
namonjy nizotra tany ampiangonana izahay avy eo. Rehefa
- Andry!! Ary maninona
ianao no mitanondrika tahak'ity? Hoy aho
variana nijery azy.
- Tsy dia maninona aho ry Riana an! Fa somary mihodina kely
fotsiny ny lohako, raha tsy mampaninona anao dia aleo aho hitsotsotra kely any
an-trano !
- F'izay ange ry Andry no
nilazako taminao hoe: " mbola reraka ianao ka tsy tokony ho nandeha taty isika
! Aleo ary samy hody daholo raha izany koa, hoy
aho tsy nisalasala.
- An! an! Riana an! Efa
nahazo ilay fanafana aho teo, fa mandehana mivavaka ianareo mianaka, dia aleo aho
hody fa tsy maninona. Riana!! hoy indray izy mbola haveriko aminao indray e! Tsy fantatra mantsy
izay mety hiseho eto amin'ity fiainana ity ka afatrafarako anao ihany ity
zavatra ity sady
nofihininy mafy ny tanako. Raha sanatria ka
maty aho dia aza sokafakafana mihitsy ny vata-patiko fa tsy ho tiako, izany
Riana an! Mahatoky anao aho.
- Andry an! Inona foana ary
izany zava-dratsy eritreretinao izany? Sao dia misy manjo anao irery any ry
Andry ka!
- Inona ny hanjo ahy eo e! Izany
Riana an! Aza adino izay hafatro izay. Mandehana ry Riana an! Mandehana ianareo
mianaka fa sao tara eo e! Sady ho betsaka ny olona ho
- Etsy ho fihiniko mafy ny
vady malalako no sady norohany teo amin'ny molotro aho. Benja!Avy leisy aty
amin'I dada an! dia hendre tsara ialahy! Dia ambeno tsara I Neny e! Hoy izy tena nalahelo anay tokoa. Veloma ianareo mianaka hoy indray
izy sady tazako nijohy teny amin'ny endriny ny ranomasony.
- Mandehana! Hoy ilay feony toa feno fahoriana sady nandao anay izy avy eo
- Veloma vetivety ianao !! Hoy aho no mbola nanaramaso azy izay tsy nitodika
intson.Rehefa dify ilay kihon-dalana izy dia niditra tao am-piangonana izahay
mianaka. Maro dia maro tokoa ny olona ka zara raha nahazo sisin-tseza teo
an-tohatra izahay mianaka.
Teny an-dalana
kosa.
Naneno ny
anjombon'ilay fiara
- Andry!! Hoy ilay feo mikikika
- Narindra! Ary ela be anie
ianareo izany e! Izaho efa sempotry ny adi-tsaiko eto, ianao toa tsy miraika
akory.
- Ahoana ? Vita ny
fanaovam-belona an! Hoy I
Narindra
- 'Ndao handeha fa
mahasosotra ahy na ny mandinika anao ry Narindra. Tia anao loatra aho ka jamba
eo anatrehan'ny fitiavako anao.
- Inona ary ity e! Aza be
resaka eo ianao fa efa nanompy maso tany an-trano aho fa tsy misy olona eny
amin'ny manodidina, fa lasa namonjy lamesa avokoa angamba.
Nony tafidina
ny fiara I Andry dia nizotra moramora sy kaodikaody niditra ilay trano nisy azy
- Ramose!! hoy ilay rangaha
niantso
- Ahoana izay hoy izy
taitra mafy ery
- Saika hilaza aminao aho
fa hivoaka kely aloha, aleo
Tsy maninona! Hoy izy, dia
mandehana amin'izay sao
Nony lasa ilay mpiandry
tanana dia niditra nanaraka azy I Narindra avy eo sady mailo ihany mandinika ny
manodidina sao misy mahita
- Minitra vitsy sisa no
hananantsika ry Andry ka mandehana mitsotra etsy ambonin'ny seza lava ery ianao
fa izaho hanidrona anao hoy I Narindra sady natsofiny ilay fonon-tanana efa
voahomany tany aminy mba tsy ahafantaran'olona ny fahatongavany.
- Avelao aloha Narindra fa
matahotra aho izany ka!
Nahifik'I
Narindra ny tanan'I Andry dia
Tany
am-piangonana kosa nandritr'izay fotoana izay
Tsy niditry
ny saiko izay zava-niseho tao am-piangonana fa tany amin'I Andry foana ny
saiko, inona ny dikan'izao fiovana be taminy izao. Toa lasa nalemy fanahy teo
izy no lasa nalefaka tamiko.
- Benja an! Andao isika
mianaka hody fa tena tsy mandry ny saiko ka!
- Fa misy inona ry Neny? Hoy ity zanako mantsy ahy
- Andao isika zanako hody
fa misy zavatra ataon'I Neny any an-trano hoy
aho nandainga taminy
- Sady mampatahotra be ry
Neny ilay devoly mena sofina be ka ! sady izaho koa te hatory be! hoy i Benja namaly ahy
- Ndao ary e! Hoy aho dia lasa naka fiara karetsaka sendra
nandalo izahay ka nitodi-doha nandeha nody. Tazako misy jiro ao an'efitra , efa
matory ao angamba i Andry.
Tao an'efitra
kosa.
Mbola eo
ampamadibadihana ilay boky kely I Narindra no injay henony misy olona miditra
- Iza izany marina???
- Andry an! Efa
- Riana marina! Inona no
ataoko ary matory angamba I Benja izany fa toa trotroiny.
- Neny an! Te hatory be aho
izany ka!
Mandehana !
- Eny ary e! Hoy I Benja
Efa babon'ny torimaso I Benja
ka tsy nahatsikaritra n'in'inona intsony
- Izay vao ho tratra marina
hoy I Narindra
Novohain'I
Benja ny efitra ka avy hatrany izy dia nitsofoka, tsy hitany I Narindra fa namonjy
an-drainy teny ambony seza izy. Toy ny tadio no nandaozan'I Narindra ilay
efitra. Dia nitsoriaka namonjy ilay fiara nafeniny tao alatrano izy mba hody haingana.
- Dada an! Dada an!
Mifohaza ho' aho I Dada an! Dada an! Fa maninona I dada ry Neny no toa tsy
mihetsika intsony an! Hoy I Benja mikikika mafy be! Neny an! Neny ho'aho e! Maninona i Dada an!
- Fa misy inona ry Benja an! Hoy aho nihazakazaka mafy namonjy azy.
Ny tanan'I
Benja manifikifika an-drainy no tazako
- Fa maninona i dada ry
Benja! Sady tonga aho dia nivoretaka
teo akaikin'ilay seza nisy an'I Andry, tsy nino izay nolazain'I Benja aho fa
nanifika sy niantsoantso an'I Andry koa no nataoko:
- Andry an! Mifohaza ianao
fa inona ary ity manao sangy ratsy ity e! Omeo aty iry finday iry ry Benja an! Hoy aho nangovitra.
Tany amin'I
Narindra
Nikiririoka ny antso tao
aminy
- Allo!
- Dokotera o! Tongava
haingana ianao fa tsy fantatro izay manjo an'i Andry
- Moramora aloha ianao dia
mitenena miadana. Fa misy inona??
- Tsy fantatro izay manjo
an'I Andry fa tsy mihetsika intsony izy ato e!
Ho avy tsy ho ela aho hoy I dokotera, fotoana vitsy taty aoriana tokoa
dia
- Fa misy inona?? Ary
maninona ianao ry Riana no mangovitra tahaka ity?
- Tsy fantaro izay manjo
an'I Andry fa hafahafa be izy ao tena tsy mihetsika mihitsy e!
Notsapain'I
dokotera I Andry dia hoy izy.
- Nandao antsika I Andry
vadinao ry Riana.
Kenda tsy
nahaloam-peo aho nandritry ny minitra vitsy no sady nangovitry ny tahotra, nitamberina tao an-tasiko ilay ora iray nahitako an'i Andry, ilay andron'ny fanambadianay.
- Fa misy inona ry Neny? Maninona I Dada? Hoy ilay feon-janako mitalaho nanaitra ahy variana
- Lasan'ny anjely any
an-danitra I dada hoy aho
mantsy an'I Benja kely sady lasa aho namihina an'ilay vady andefomandriko
- Andry! Andry! Dia izay
aho ity vao tena nilaozanao e! inona loatra ny nataoko no dia izaho sahady aho de ho vady mananon-tena miaraka amin'ny zaza, dia ho kamboty sahady ve i Benja kely e! Hoy aho nitomany
nigogogogo mafy
- Lasan'ny anjely ahoana ry
Neny? Lasa any an-danitra ve? Dia tsy nentiny ve isika sy Neny e! Ary maninona
koa I Neny no mitomany e! Hono ho aho ry Neny? Maninona I Neny e?
- Benja an! Lasa I Dada e! Nandao antsika izy, tsy hiverina intsony sniff hoy
aho nanafosafo ny lohan'ito zanako tsy mahalala n'ininona no mbola mifokofoko ihany
- Riana an! Ho karakaraina
ny razana dia antsoina ny toby sy ny fianakaviana rehetra dia avy eo ho entina
hiakatra any Iarivo.
- Dokotera!! Tena mbola
miala tsiny aminao aho fa raha tsy nisy anao tokoa angamba dia asa izay
nanjoanay mianaka kely taty e!
- Shhhh! Aza misahirana
ianao ry Riana fa izaho no hikarakara ny rehetra an!
- Aiza izao no ahitana
mpandrafitra vata eto Toamasina Dokotera? Hoy
aho nahatsiaro ilay hafatr'I Andry.
- Mahita aho fa hiantso azy
mihitsy aho izao fa raha toa ka mbola manana hery ianao dia ampirimo ny rehetra
dia aleo matory ianareo mianaka fa izaho hiantso ireo olona hanampy ahy amin'ny
fikarakarana ny razana. Hoy ity
dokotera tena tsy te hanome ahy andraikitra mihitsy.
Tsy laitra
nampanginina I Benja kely dia nomen'I dokotera Narindra fampatoriana dia avy eo
nisy tovolahy roalahy
- Fa atao inona daholo ireo
vata ireo Dokotera hoy aho gaga, ary amin'izay tena voarafitra tsara tokoa
ireto izy. Ora iray monja dia voakarakaran'I Narindra ny antso sy ny
fampandrenesana ireo fianakaviana rehetra.
- Tena tsy haiko ny
hisaotra anao amin'ireo zava-bitanao taminay mianaka dokotera fa dia
Andriamanitra ao an-tampon'ny loha hiaro anao amin'ireo zava-kinendrinao e!
- Tsy misy fisaorana ry
Riana fa iza no tianao hasiana an'I Andry amin'ireo vata ireo e! Hoy izy
- Izay fantatrao fa mety re
ry Narindra an! Tsy fantatro sy tsy hitako izay hatao toa vaovao amiko izao manjo
ahy izao marina e! tsy aleo ve aho hampandro am-badiko e!
- Aza misahirana ianao fa
izy roalahy ireo efa voakarama, ny hikarakara faty no asany e! Hoy izy
Tsy nisy
nahitana olana ny raharaha rehetra iny alina iny nampandrenesina ny tobin'ny
zandary teo toamasina dia izy ireo no nampandre ny tany amin'ny tobon'ny
Ratsimandrava Antananarivo. Natao vonjy maika ny famoahana ny faty. Izany
rehetra izany dia I Narindra avokoa no tompon'andraikitra miaraka amin'ilay
"commandant" lehiben'ny zandary teto Toamasina sy Dokotera iray teo
amin'ny hopitaly. Izaho moa nohon'ny alaheloko be loatra sy ny fiandrasana an'I
Benja kely dia navelako izy nanantanteraka ny asa rehetra.
Nisosa tsy nahitana
sampona ny dia mandram-pahatonga tany aminay olona efa miakanjo maity avokoa no
tazako tao an-tranio I Mama no namonjy ahy sy namihina ahy mafy no nanao hoe:
- Fiainana izao retsy e!
Mitraka izany zanako izany dia mahereza.
- Misaotra ry Mama an! Hoy aho mbola voton-dranomaso sy mifokofoko ihany
Nomeko an'I
Mama I Benja kely dia izaho namonjy nisolo akanjo mainty tany an'efitra. Rehefa
nivory avokoa ny olona dia indro Ramatoa Lucie maman'i Andry nigogogogo toa
adala sady nikikika mafy teny ianivon'ny olona mpanotrona.
- Aiza ny zanako e! Aiza ny zanako e! Tsy manaiky aho hoy izy namonjy ilay vata-paty efa voarakotra lamba fotsy manify sy voahodididna voninkazo isankarazany. Vohay io vata io hijereko sy hanorohako ny zanako e! tsy rariny kosa izao ry Riana an! Vehivavy tsy vanona raha ianao e! Vohay ho'aho io vata io e! aiza ny zanako e! hoy ihany rafotsy nikikika nitomany sy mbola naniratsira ahy teo imason'olona marobe.
MBOLA HITOHY
(11) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra




fahamarinana said:
25/01/2010, at 18:26 [ Valio ]
Ary za efa namaky fa tsy mbola nametraka diam-penina kely !hihi !Mankasitraka foana e,miandry ny manaraka izay tsy andry intsony ihany koa e!hihi !
Faha
Mpakafy!! said: Milay e!
14/01/2010, at 05:02 [ Valio ]
NO COMMENT
Manantsoa said: Mampahery
13/01/2010, at 17:29 [ Valio ]
Tena mba mitovy hevitra aminao aho ry kelly13 tokony mba atao 2 épisodes isaky ny herinandro, mankasitraka sy mankatelina ry Maeva a! Mahafinaritra no sady mampagitakitaka foana izy zany tena toa tsy ho andry mihitsy ny alatsinainy anarahina indray ny tohiny. Misaotra mizara e! dia tsy maintsy miandry amin'ny alatsinainy indray zany ko!
kelly13 said:
13/01/2010, at 10:47 [ Valio ]
aza tao isak'alatsinainy ka, tsy mahandry intsony izahay (miezaka tsy mandiso tsipelina)
tsambar3 said:
12/01/2010, at 15:38 [ Valio ]
salut Maeva,
maasosotra kou ty maeva ty ka, mampitaintaina b le tohiny,.
Voahaina alo ny vata a,
miandry ny tohiny sahady akia.
mangamaso2 said:
12/01/2010, at 10:05 [ Valio ]
Suspens be izany, miandry ny tohiny sahady. Tsy maintsy vohaina mihitsy io vata io kah :)
kotobekibo said:
12/01/2010, at 00:50 [ Valio ]
kayyyyy ! ! ! ! !
danz b ilay Narindra an !
Milay be Maeva a!
Dia efa miandry ny tohiny ô!
;-)
Rindra said: Raitra be!!
11/01/2010, at 14:57 [ Valio ]
Maeva74 Tsara e!!! tsy manakolazaina hafa tsy ny fahatsarany. Miandry ny tohiny sisa mbola ho ela izy izany marina oviana vao alatsinainy ny andro
Kdaombaramita said:
11/01/2010, at 13:35 [ Valio ]
Maeva < milay izy izany marina ! tokony fizarana 2 izao no nataondry fa efa 15j tsy nisy an ! tsy ampy io fa tonga dia alefaso ny manaraka e !
landy said: mankasitraka hatrany
11/01/2010, at 09:35 [ Valio ]
Faly miarahaba an'i Maeva sy ny mpanaraka ny tantara rehetra nahatratra ity taona 2010 ity.
Andriamanitra ilay manankarem-pahasoavana anie no handrotsaka amintsika rehetra izany fahasoavany manana amby ampy izany @ ity taona ity.
Mankasitraka hatrany ry Maeva a!
Marina fa tena mampihetsi-po loatra ny tantara voasoratrao
Dia mbola mampirisika hatrany ny tenako ary miandry tsy tafandry ny ho tohiny
Aza atao ela e
Landy
Jojopile said: Fankasitrahana
11/01/2010, at 05:41 [ Valio ]
Tena mampangitakitaka mihitsy ty tantaranao ty ry maeva miaraka amin' na suspens be mihitsy. Mankahery sy mankasitraka hatrany e! Misaotra betsaka ry Maeva