FITIA AN-TSOKOSOKO (FIZARANA FAHA FOLO)


Toamasina
Rehafa avy nampatory an'I Benja aho iny alina iny dia nivoaka moramora tao an'efitra nisy ilay razana I Narindra.
- Ahoana no atao ry Madame? Fa efa nosesefanay ilay vata-kazo mitovy lanja amin'I ramose, sady efa mifono lamba ilay vata iray. Hoy ireto tovolahy voakarama mantsy an'I Narindra
- Tsara izany rehefa vitanareo madio tsara ny rehetra, dia jereo tsara sao dia misy piti-javatra mipetraka eny amin'ny manodidina eny.
- Aza matahotra ianao madama fa efa zatr'ady ny aty ka tsy misy tokony atahoranao e! Hoy ny iray tamin'izy roalahy.
- Ataovy amin'izay ary ny takalo r'izy roalahy dia ilay misy ilay hazo no apetraho eto, dia ilay misy an-dramose ampidiro ary anatin'ilay fiara efa nafeniko atsy ala-trano, hoy I Narindra. Tandremo dia tendremo sao dia misy mahatsikaritra izany rehetra izany. Mazava aminareo roalahy ve izany e! hoy indray izy.
- Eny tompoko! Tena mazava be tokoa. Eny ary fa lasa izahay e!
Rehefa lasa nitondra ilay vata nisy an'I Andry tany amin'ilay fiara Izy roalahy dia niantso olona I Narindra.
- Allo!" Commandant" Rahaja ve izao e!
- Izy indrindra ity e!
- Vita ny rehetra fa tongava amin'izay ianao e!
- Minitra vitsy monja aho dia mitontona any ary e!
Minitra vitsy marina dia tonga Ilay"commandant". Tonga dia nandroso tsy nisalasala izy avy eo.
- Riana an! Hay taitra ianao! Hoy I Narindra nahita ahy
- Manao ahoana ianao "mon commandant" hoy aho tamin'ity rangahy lehiben'ny zandary eto Toamasina.
- Mamangy amin'ny fahoriana madama an! Hoy izy mantsy ahy, tena misitery marina ny fiainan-janak'olombelona an! Aiza ve ka tovolahy mbola matanjaka tsara toa an'I "lieutenant" ireny no nandao antsika sahady e!
- Ary toa efa voakarakaranao daholo anie dokotera ny rehetra e! Voafono hatramin'ny vata-paty misy an'I Andry. Ary efa lasa angaha izy roalahy teo e! Hoy aho gaga sy talanjona nahita ny trano nilamina sy ilay vata efa mandry eo ambony latabatra.
- Efa vita hatramin'nny "autopsie" madama an! Nijanona tampoka ny fon'ny vadinao ka izany no nahafaty azy, mbola be asa ilay dokotera teny amin'ny hopitaly ka tsy maintsy nandeha izy fa mbola manana adidy tsy maintsy atao koa mantsy e!
- Inona moa izany sisa hiandrasantsika fa efa vita daholo ny rehetra hatramin'ny antontan-taratasy. Hoy aho dia lasa izahay.
Antananarivo
- Aiza ny zanako e! Aiza ny zanako e! Tsy manaiky aho! Hoy izy namonjy ilay vata-paty efa voarakotra lamba fotsy manify sy voahodididna voninkazo isankarazany. Vohay io vata io hijereko sy hanorohako ny zanako e! Tsy rariny kosa izao ry Riana an! Vehivavy tsy vanona raha ianao e! Vohay ho'aho io vata io e! Aiza ny zanako e! Hoy ihany rafotsy nikikika nitomany sady nanevateva ahy teny imason'olona...
Gaga daholo ny iray trano nahita an'I Neny Lucie nikikika eran'ny trano.
- Miala tsiny aminareo rehetra aho! Hoy aho, fa hafatry ny maty dia ny tsy hamoahana ny vata misy azy.
- Ahoana koa izany! Hoy ny bitsibitsika nameno ny trano, jereo ange I ramatoa renin'I Andry fa mampalahelo ery! Hoy ny iray amin'ireo mpanatrika.
- Tsy manaiky an'izany aho ry Riana an! Zanako io ka tsy maintsy sokafana io vata io! Hoy indray rafotsy sady nanatona ilay vata miaraka amin'ny bara vy iray izy.
- Izaho no vadin'I Andry ry Neny Lucie an! Hoy aho ary manana andraikitra eo anatrehan'ny lalana aho momba azy. Tsy sokafana ny vata hoy ny hafatra napetrany ka tsy ho sokafako io n'inon'inona ataonao.
- I tena mihitsy no namono an-janako r'ikala mpamosavy ity an! Raha tsy nanambady an-tena izy izao tsy maty toy izao hoy indray ity rafozam-baviko.
Tsy nijanona nikikika I Neny Lucie ka nosamborin'I Narindra dia nomeny fanafody mampitony dia raiki-tory izy avy eo. Tsy nahenoina tabataba intsony ny trano ka nisosa ho azy ny fiandrasam-paty. Nony tonga ny ampitso dia nentina tany ampiangonana teny fiadanana ny razana dia avy eo nentina nizotra namonjy an' Ambohimalaza, ilay tanana nisy ny fasan-drazana. Teo am-pandevenana indro tazako I Liva. Nidoboka tsy nisy ohatr'izany ny ambava-foko.
Toamasina
Novohain ' ireo tovolahy ny vata iray dia
- Efa lasa any Antananarivo ny fatinao sy ny vady amanjanakao ramose an! Hoy ilay tovolahy iray nihomehy sy naneso an'I Andry.
- Aza miteniteny foana eo leisy lisany fa mandreraka an! Ary aiza I Narindra?
- F'angaha tsy ao anatin'ny programanareo mitsamy hoe: "Mijanona miaraka aminareo madamanao faharoa e!" Hoy ity tovolahy iray nitsatsaingoka
- Izao no hafatra e! Ity misy antso finday iray napetraky madamanao faharoa ho anao, dia hiantso anao hono izy rehefa milamina daholo ny any Antananarivo.
- Eny ary e! Dia inona no hafatra napetrany ankoatr'izay? Hoy I Andry
- Misy tranon'ny rain'i Narindra any "sainte Marie" ka any ianao no mipetraka aloha mandram-pahatongany, ary nanafatra mihitsy izy ny tsy hivoahanao ny trano hono sao dia hanahirana eo avy eo.
- Dia hanainga izao izany isika, dia vita hatreo izany ny lalantsika telo lahy avy eo hoy I Andry.
- Ie! Hoy indray ity tovolahy petsana.
- 'ndao ary r'izy roalahy fa tena natory marina aho teo e!
- Tena naharitra tokoa I ramose tao anaty vata tao an! Mafy izany Tia izany marina e! Tena mahavita aloha ianareo e!
- Mangina ialahy! Hoy ity namany no sady nikitika azy.
Rehefa tonga tany "Sainte marie" ry Andry dia nandao azy ireo tovolahy nanara-dia azy. Izy irery sisa no nihanohaino tao anatin'ity nosy kely ity, nivadibadika teny ny ora fa mbola tsy nisy antson'I Narindra ihany. Teo I Andry niketohan'ny nenina, nalahelo ireo vady aman-janany. Indrisy tsy afaka miverina intsony anefa.
Antananarivo
Toa tena I Liva izany tazako izany marina! Inona no alehany aty am-pasana ary an'inona aty izy izany? Tsy nahajery azy aho fa nahondriko ny lohako.
Rehefa vita ny fandevenana an'I Andry dia nandray ny tananay fianakaviana avokoa ny olona rehetra, ny feon'I Liva nibitsika teo ampototsofoko no nanaitra ahy; hoy izy:
- Aza misosoka alahelo intsony rahavako dia atrakao ny loha fa fiainana izao!
Dia lasa izy avy eo, fo nidobodoboka tsy nisy ohatr'izany no nameno ny tratrako, mahina tamin'ireo zava-nisy teo aminay sy I Liva aho. Tia azy aho, sarotra tamiko mihitsy ny nisaraka taminy nandritra izay fotoana izay nefa toa tsy sahy ny hanohy intsony aho, ho vitaiko hatreo ny aminay sy Liva.
- Riana an! Efa lasa daholo ny mpandevina f'aleo amin'izay aho hanainga ho any Toamasina hamonjy ny asako. Hoy I Narindra.
- Misaotra be dia be anao tokoa aho ry Dokotera fa raha tsy teo mantsy ianao asa angamba izay niseho teo e! tena saika nahita angano tamin'ilay fihetsik'I maman''itompokolahy teo aho . Hoy aho mantsy azy.
- Tena tsy nahamenatra azy mihintsy ny niapanga anao ho namono ny zanany.
- Soa fa nahazo fampatoriana avy any aminao izy teo f'angamba dia asa fotsiny izay niseho!
- Mbola misaotra anao ihany aho e! Nafoinao hatramin'ny asanao nohon'ny amin'Itompokolahy Andry.
- Aoka izay Riana an! Ampiripirina ny entan-keliko aho dia handeha anio dia anio ihany.
- Tsy aleonao ve hijanona hatory e! Tena lava tokoa iny andro omaly iny. Hoy aho niangavy an'I dokotera Narindra.
- Tena mbola betsaka ny zavatra henjehako ka aleo mihitsy aho hanainga. Izay fa dia mahereza fa fiainana daholo izany e! Dia mampamangy any amin'ny olona rehetra any.
Efa nanomboka lasa daholo ny olona I Mama sy I Benja kely efa lasa namonjy ireo fiara mpitatitra, fa izaho kosa mbola tafajanona farany mba hanao veloma an'I Andry vadiko.
Namonjy nipetraka teo ambaravaran'ilay fasana aho dia:
- Lasa tokoa mantsy ianao ry Andry, fahoriana no nampitondrainao ahy. Tsy fantatro intsony na tokony alahelo sy hitomany aho amin'izao ora izao na hifaly sy hisaotra ny avo fa lasa ianao. Tsoriko aminao fa nitia olon-kafa an-tsokosoko ny foko nandritra izay fotoana nandehananao izay, tiako izy ary tsapako fa mihoatra lavitra nohon'ny fitiavako anao ny fitiavako azy. Na dia izany aza dia vadiko ianao ka sarotra amiko ny hanadino ireo lasa sy hanafoana vetivety ato an-tsaiko ny fahiny. Matokia ianao fa ho veloko ny zanako satria mbola nomen'Andriamanitra tanana roa aho ny hamelona azy. Izay fa dia veloma ianao ary mandria am-piadanana.
Dia lasa aho avy eo namonjy ny fianakaviana.
Rehefa nizotra namonjy an'I Mama sy I Benja kely aho no iny eny tazako I Liva toa hamonjy ahy nefa tafa-janona avy eo.
- Narindra!
- Liva! Fa maninona aty Ambohimalaza ianao?
MBOLA HITOHY!
Ialako tsiny mialoha raha toa ka tsy afaka ny handefa ny tohin'ny tantara aho ny alatsinainy manaraka nohon'ny
Misaotra indrindra!

(13) Hametraka hevitra (0) Verindrohy (trackback) Rohy maharitra




Landy said: Tsara loatra
29/01/2010, at 11:08 [ Valio ]
Dia mbola faly miarahaba an'i Maeva sy ny mpanaraka ny tantara rehetra.
Fankasitrahana feno no atolotro fa tsy hiako insony izay azo ambara;
Dia miala tsiny sahady ihany koa fa mey tsy dia ho afaka ny hiditra eto matetika intsony za ry Maeva noho ny fianarana.
Na izany hefa sy hanadino anao sy ny asasoratrao
Misaotra e
Manantsoa said: mampahery
27/01/2010, at 19:46 [ Valio ]
Tena mahafinaritra ny hitantaranao azy ry Maeva ! tsara fa tohizo e!
tsambar3 said:
21/01/2010, at 06:16 [ Valio ]
tsara aki ry maeva a. am manaraka indray mijery ny tohiny
biz
fahamarinana said:
20/01/2010, at 13:25 [ Valio ]
mankasitraka foana akia !kiss njy
kelly13 said:
20/01/2010, at 09:15 [ Valio ]
oulàlà, sispensa ity ka sispensa, misaotra maeva a, tsy andry ny latsinainy afaka 10 andro, tô ho ela b izy zany ka
Fanhaiky said: Manaiky
19/01/2010, at 10:27 [ Valio ]
Manaiky tanteraka aho fa tena mpanoratra tokoa ianao. tena tsara eh!
Rindra said: TSARA!!!
19/01/2010, at 05:42 [ Valio ]
Ah zalahy e!!!! mbola misy " billet" ve e!!!! toa feno ny toerana
Milay be Maeva!! Misaotra de bon voyage e!!!!
mpamaky mavitrika said:
19/01/2010, at 02:31 [ Valio ]
Tena fantatr'i Narindra koa kay i Liva? Loza izany fa tadiavin'iny kalakely iny alaina indray i liva ve?
mangamaso2 said:
19/01/2010, at 00:01 [ Valio ]
Miandry ny tohiny tokoa moa izahay Maeva.
Mankasitraka
news2dago said:
18/01/2010, at 14:21 [ Valio ]
Miandry ny tohiny ary e! lol
kotobekibo said: MILAY BE
18/01/2010, at 13:51 [ Valio ]
Tena tsy ho andriko izay hitohizan'ity tantara ity an!
Aza maharitra Maeva a! miandry ny spekta e!
Mazotoa ô !
hahahahahahaha
Kdaombaramita said:
18/01/2010, at 13:01 [ Valio ]
Maeva, tena mahavarina mihitsy ilay tantarandry marina ! arosoy sabotsy ilay alatsinainy dia mba mandry ny tanàna e !
Mpankafy said: TSARA LOATRA§§§
18/01/2010, at 10:19 [ Valio ]
Misaotra maeva dia miraey soa ho andry e! Tongava soa